Adihevitra manodidina ny fandraràn'ny parlemantan'i Kenya ny ‘akanjo Kaunda’ sy ny fitafy nentin-drazana afrikana

Ny filoha William Ruto manao akanjo Kuanda. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘Depiote UDA voaroaka tao amin'ny Parlemanta noho ny fitafian'i Ruto’ tao amin'ny Emqba News. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny Talata 28 Novambra, nandray fanapahan-kevitra mampiady hevitra ny parlemantan'i Kenya handrara ny fanaovana akanjo Kaunda sy ny akanjo nentin-drazana Afrikana. Iray amin'ireo akanjo manamarika ny Filoha William Ruto ny akanjo Kaunda, avy amin'ny anaran'ny filoha Zambiana Kenneth Kaunda.

Tsy mila akanjo Kaunda & akanjo afrikana nentin-drazana.

Noraràn'ny parlemanta Kenya ny fiakanjo Kaunda, anarana avy amin'ny Filohan'i Zambia nodimandry Kenneth Kaunda, tao anatin'ilay tranobe.

Nolazain'ny Mpitondrateny fa mandrahona ny fitsipika fiakanjo napetraky ny parlemanta ireny.

Efa tafiditra adihevitra amin'ny fomba fitafy ny parlemantan'i Kenya teo aloha. Tamin'ny Novambra 2020, nivoaka ny didim-pitsarana manome alalana ireo mpanao lalàna hitafy akanjo nentin-drazana Afrikana ao amin'ny efitra fiadian-kevitra ao amin'ny parlemanta.  Naneho fiovana lehibe teo amin'ny politikan'ny fomba fitafy, famantarana ny fankatoavana sy ny fampidirana ny lova ara-kolontsaina afrikanina, ity fanapahan-kevitra. Nivadika izany ankehitriny.

Nosoritan'ny filohan'ny parlemanta Moses Wetangula ny “fitsipika fitafy mety ho an'ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta.” Ho an'ny lehilahy, notononiny ny palitao, ny vozon'akanjo, ny karavato, ny lobaka lava tanana, ny pataloha lava, ny ba kiraro, ny kiraro, na ny fanamiana fiasana araka ny tokony ho izy. Ho an'ny vehivavy, raràn'ny fehezan-dalàna ny blozy tsy misy tanany ary mametraka fenitra amin'ny halavan'ny zipo sy akanjo, izay tsy maintsy eo ambany lohalika sy “maotina”. Voamarika fa nesorina tao amin'ny fitafy nankatoavina ny akanjo nentin-drazana, anisan'izany ny akanjo Kaunda. Araka ny nohazavain'ny Mpitondrateny (filohan'ny parlemanta), ny fandrarana dia noho ny firongatry ny lamaody izay heverina fa maninana ny lalàna napetraky ny fiakanjo parlemantera.

Manana tantara efa tamin'ny taonjato faha-19 ny akanjo Kaunda, miavaka amin'ny palitao safari, ary matetika miaraka amin'ny pataloha mifanaraka aminy, ary i Kenneth Kaunda, filoha voalohany taorian'ny fanjanahantany tao Zambia no nampalaza azy. Araka ny voalaza ao amin'ny tranonkalan'i Syowia Kyambi, tamin'ny taompolo 1960, nandritra ny vanim-potoanan'ireo hetsika ho amin'ny fahaleovantena Afrikana, maro ireo olo-malaza nanao akanjo Kaunda, anisan'izany i Sam Nujoma sy Julius Nyerere.

Ninoan'i Kaunda ho Nyerere no nanome anarana ilay akanjo. Mety ho nahazo aingam-panahy avy amin'ny mpanorina ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina, Mao Zedong, ihany koa i Kaunda, izay nankafy ny endrika akanjony — sy ny ideolojiany (foto-pisainany). Amin'izay indrindra, antsoina koa hoe “fiakanjo Mao” (na “col Mao”) ilay akanjo, na dia i Sun Yat-sen, mpanorina ny Repoblikan'i Shina (Taiwan) aza no nampiditra azy io tany am-boalohany ary fantatra amin'ny anarana hoe fiakanjo Zhongshan suit. Nanao akanjo mitovitovy amin'izany koa ireo mpitarika, ny manam-pahaizana sy sosialista tany amin'ny faritra maro eran'izao tontolo izao, anisan'izany i Aostralia sy Eoropa Andrefana.

Amin'ny fanaovana ny akanjo Kaunda, ampiroboroboin'ireo mpitarika ireo ny foto-pisainana firaisankina ary asongadiny ny fahatsapana ny maha-izy azy izay miavaka amin'ny fitaomana tandrefana. Midika izany fa noheverina ho mariky ny maha-Afrikana sy fandavana ny fanjakazakan'ny kolontsaina tandrefana ny akanjo Kaunda.

Hita matetika manao akanjo miendrika Kaunda ny filohan'i Kenya William Ruto amin'ny lanonana ofisialy, izay mampitombo ny lazany eo amin'ireo sangany ara-politika ao amin'ny firenena. Tamin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny TV47, nilaza i Ashok Sunny, mpanjaitra ofisialin'i Ruta, fa ny safidin'i Ruto hanao ny akanjo Kaunda dia seho fanohanana ny indostria eo an-toerana sy ny akanjo vita Kenyana, manohana ny talentan'ireo mamorona akanjo sady mampiditra ao aminy ny kolontsaina Afrikana. Na izany aza, niaiky i Sunny fa misy ireo hafa mihevitra azy io ho endrika “jadona” satria nanao akanjo mitovy amin'izany “ny ankamaroan'ny mpanao didy jadona taloha” .

Na izany aza, nampiditra fitantarana hafa ny fandraràna, nitarika ny tsy fahafaham-po teo amin'ireo Afrikana maro mpikirakira media sosialy. Maro ankehitriny no manontany hoe nahoana no voarara ao amin'ny parlemanta afrikanina ny akanjo afrikanina.

Mpisera YouTube iray naneho hevitra fahasorenana tao amin'ny lahatsarin'i Make Afrika Great:

Isn't it enough that we are still speaking the languages of our oppressors? What is wrong with Africa, my God? How can the parliament ban our traditional clothes? That is our identity and culture. Look to the Arabians, they do not use westerns clothes, but their cultural clothes. It's very sad. The Kenyan people must come on the streets and protest against this decision.

Tsy ampy ve ny mbola miteny ny fitenin’ny mpampahory antsika? Inona no tsy mety amin'i Afrika, Andriamanitro ô? Ahoana no ahafahan'ny parlemanta mandrara ny akanjo nentin-drazana? Izay no fiziantsika sy kolontsaintsika. Jereo ny Arabo fa tsy ny fitafy tandrefana no ataony fa ny fitafiny ara-kolontsaina. Tena mampalahelo. Tsy maintsy midina an-dalambe ny vahoaka Kenyana ary manohitra izany fanapahan-kevitra izany.

Nandrehitra resaka mivelatra kokoa amin'ny fanehoana ara-kolontsaina sy ny fanajan-tena ny fanapahan-kevitra. Hoy ny mpikirakira X iray (Twitter taloha):

This move away from our roots and towards colonial norms suppresses our identity. We must embrace our culture, not restrict it. We can not continue to appease the west just so we can be recognised on the global stage. 

Manala antsika amin'ny fototra ao amintsika sy mankany amin'ny fomban'ny fanjanahantany manafoana ny maha-izy antsika izany. Tsy maintsy mampiditra ny kolontsaintsika isika fa tsy mandrara izany. Tsy afaka mandambolambo ny tandrefana fotsiny isika mba ho ankatoavina eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

Mandresy lahatra ireo mpikirakira media sosialy hafa fa fomba iray hitadiavana ny maha-izy azy sy hankalazana ny fiangeso Afrikana ny fandraisana ny akanjo nentim-paharazana Afrikana, milaza fa mifanohitra amin'io fihetseham-po io ny fandraràna toy izany.

Misy ireo manontany raha afaka mahazo haja maneran-tany i Afrika raha tsy manaja ny fitafiana (nentin-drazan’)izy ireo manokana, raha misy ny sasany mampihomehy fa mety ho natokana ho an'ny filoha Ruto irery izao ny akanjo Kaunda. Nanomboka nahazo vahana io hevitra io vao haingana rehefa navoaka tao amin'ny efitrano ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta avy amin'ny United Democratic Alliance (UDA) noho ny fanaovana akanjo Kaunda.

Satria (maro ireo) misolovava ho amin'ny fampidirana karazana akanjo maneho marina ny kolontsaina afrikana eo amin'ny sehatra manerantany, dia mijanona ho fanapahan-kevitra eo ambany fahefan'ny governemanta izany, tarihin'ny lalànan'ny vanim-potoana fanjanahantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.