Cop 28, nanambara ny fametrahana tahirimbola heverina hanonerana ireo firenena avy amin'ny ilabolantany atsimo ao anatin'ny ady hanoherana ny fiovaovan'ny toetrandro

Ireo filoham-panjakana nandritra ny lanonam-panokafana ny Cop 28, pikantsarin'ny fantsona YouTube an'ny AFP News Agency

Nambaran'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Toetrandro (Cop28) ny fampandehanana ilay tahirimbola ho an'ny fatiantoka sy ny fanonerana natao hanonerana ireo firenena avy amin'ny ilabolantany atsimo tena marefo manoloana ny fiovàn'ny toetrandro, isan'izany i Afrika. Ankoatra io fanambaràna io, inona no dikany?

Ny 30 Novambra hatramin'ny 12 Desambra no atao ny  Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Toetrandro (Cop28), ao Dubaï, Emirà Arabo Mitambatra. Mivory ao ireo filoham-panjakana sy minisitra, ONG mpiaro tontolo iainana, mpikatroka ho an'ny rariny ara-toetrandro, orinasa tsy miankina, mba hiady hevitra momba ny fiovan'ny toetrandro sy hikaroka vahaolana hanoherana ny vokadratsiny. Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ireo mpanelanelana, alohan'ny zavatra rehetra, ny fampihenana ny fandefasana entona mampitombo maripàna, ny fialàna amin'ny angovo fôsily, ary ny famatsiambola ireo hetsika ho an'ny toetrandro, toy ny fampifanarahana amin'ny vokadratsin'ny fiakaran'ny maripàna.

Raha nraisina hitafa tao amin'ny Tv5monde, Tosi Mpanu-Mpanu, mpanelanelana avy ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) hiresaka ireo olan'ny toetrandro, dia nanazava ireo fanamby ho an'i Afrika amin'ity Cop28 ity.

Ho azy dia zavadehibe ho an'i Afrika ny mamerina indray ny fahafahan'ireo firenena mandroso mamoaka vola ho fanohanana io tahirimbola ho an'ny fanonerana io, satria ry zareo ireny no tomponandraikitra amin'ny fiovan'ny toetrandro. Raha ny momba ilay tahirimbola ihany, mila fantatr'ireo firenena afrikàna raha toa izy io ka ho fampindramana, fanomezana na fanampiana. Niverenany manokana ny maha-zavadehibe ny fanambaràna tao Nairobi izay miaty ireo fotokevitra ifotoran'ny fifampiresahana.

Ao anatin'ity lahatsary ity no anarahana ny antsipirihany, manomboka eo amin'ny minitra faha-18:40 sec.

Sambany ho an'i Afrika ny nandraisany anjara tamina adihevitra niaraka tamina antontan-taratasy ôfisialy mirakitra ireo laharam-pahamehana ho an'ilay tanibe. Ireny rehetra ireny voarakitra ao  anatin'ny fanambaràna tao Nairobi momba ny toetrandro nolanian'ireo filoham-panjakana nandritra ny fihaonana antampony momba ny toetrandro any Afrika, natao tao Nairobi ny 4 hatramin'ny  6 Septambra 2023.

Io fanambaràna io dia antso ataon'ireo mpitondra afrikàna ho an'ireo manerana ny tany mba “hijoro hanohana ilay tolokevitra hametrahana fomba fitantanana iray hakàna hetra amin'ny karbôna, ao anatin'izany ny hetra alaina amin'ny solika fôsily sy ny fitaterana an-dranomasina ary an'habakabaka” miaraka amin'ny tanjona hahafahana manangona ny tahiry ilaina ho amin'ny fampiasambola iray mitentina 600 lavitrisa dôlara amerikàna.

Vakio: Ireo zava-dehibe nisongadina tamin'ny vovonana ara-toetrandro voalohany teto Afrika notontosaina tao Kenya

Saingy ity antontan-taratasy maneho ny hevitra iraisan'ny tanibe momba ny fiovàn'ny toetrandro ity dia nokianin'ny fiarahamientan'ireo mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily afrikàna miady ho an'ny rariny ara-toetrandro ao amin'ilay tanibe. Ho azy ireo, io fanambaràna io dia tsy manolotra vahaolana afrikàna momba ireo angovo azo havaozina, fa na izany aza, miaty ireo fitakiana sy ireo volavolam-bahaolana.

Ohatra, tanisain'ilay lahatsoratra ny  “fampandehanana haingana ilay tahirimbolan'ny fatiantoka sy fanonerana“, iray amin'ireo tolokevitry ny Cop 27 natao tany Egipta tamin'ny 2022.

Fanekena tsy nampoizina an'ilay tahiry, dieny tamin'ny andro voalohan'ny Cop

Iray tamin'ireo dingana goavana indrindran'ny Cop28 ny fampandehanana ilay tahiry ho an'ny fatiantoka sy ny fanonerana nambara dieny tamin'ny fanokafana ilay kaonferansa ny 30 Novambra 2023. Ireo firenena avy any atsimo, isan'izany i Afrika, marefo indrindra manoloana ny fiovàn'ny toetrandro, no ho mpisitraka izany. Araka io fanambaràna io, ny Emirà Arabo Mitambatra dia hanome 100 tapitrisa dôlara amerikàna ; i Alemaina, 100 tapitrisa ; ny Fanjakana Mitambatra, 40 tapitrisa  livres sterling (51 tapitrisa dôlara amerikàna ) ; Etazonia 17,5 tapitrisa ; Japàna, 10 tapitrisa. Na izany aza, nifamahofaho be ihany ny fanehoankevitra teny anivon'ireo mpikatroka ho an'ny rariny ara-toetrandro, ireo mpiaro tontolo iainana sy ireo manampahaizana hafa.

Ao anaty lahatsoratra iray, mitatitra ny Radio France Internationale (RFI):

Tsy nampozin'ny rehetra ny fametrahana io tahirimbola natokana ho an'ny fanonerana ny loza ateraky ny fiovàn'ny toetrandro io, lany tao anatin'ny ora roa nanombohan'ny fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny toetrandro, tamin'ity Alakamisy 30 Novambra ity teto Dubaï.

Voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny RFI, Fanny Petitbon, tomponandraikitry ny adisisika ao amin'ny Care France (ONG firaisankina iraisampirenena mitolona ho amin'ny fanoherana ny fiovàn'ny toetrandro) no sady vehivavy manampahaizana manokana amin'ny tahirimbola ho an'ny fatiantoka sy fanonerana, dia mihevitra fa vokatry ny tolona efa hatry ny ela io:

Izay mitranga androany dia vokatry ny ady mafy nataon'ireo firenena andalam-pandrosoana nandritra ny 30 taona nikiakiaka nitady fanampiana manoloana ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, manoloana ny haintany, manoloana ireo vokadratsy izay tsy ry zareo akory no tomponandraikitra kanefa tsy ananany akory ny fitaovana entina miady amin'izany. Herintaona latsaka monja dia nahazo fankatoavana ho fametrahana azy.

Ankoatra ireo fanambaràna, midika inona ireo tarehimarika?

Tao anaty naoty navoakany tamin'ny 30 Novambra,, ny Oxfam, fikambanana britanika mpanao asa soa, dia miarahaba ireo dingana firosoana tamin'ny fametrahana ilay tahiry voalaza,  saingy manipika fa ny dingana manaraka dia ny fanetsehana ny vola sahaza. Lyndsay Walsh, mpanolotsaina momba ny pôlitika ara-toetrandro ao amin'ny Oxfam milaza hoe :

Taorian'ny 32 taona nanaovana tsindry sy ny Cop27, ananantsika izao ny tahiry iray ho an'ny fatiantoka sy fanonerana. Na eo aza ireo lesoka ao anatin'ny firafiny, efa dingana iray io ho fanohanana ireo olona miarina avy amin'ireo vokadratsy goavana sy tsy azo iverenana intsony naterak'ireo loza noho ny toetrandro. Kanefa, tsy mbola eo no fiafaràn'ny dia. Mbola marobe no tsy maintsy efaina mba hiantohana fa hofenoin'ny Banky Iraisampirenena, amin'ny maha-mpampiantrano vonjimaika azy, ireo fepetra voalaza ao anatin'ilay lahatsoratra nifanekena, indrindra fa ireo loharanon'ilay tahiry dia hanasoa mivantana ireo vondrom-piarahamonina ary ireo hetsika ataony dia hifanaraka amin'ireo fotokevi-dehiben'ny zon'olombelona.

Ho an'ireo mpiaro tontolo iainana, ny masombola nambara dia tena tsy ampy lavitra mihitsy. Ankoatra izay, ilay endrika tsy misy fanerena ao anatin'ilay fandraisana anjara amin'ilay tahiry dia mety hampitarazoka ny fanangonam-bola amin'ny ankapobeny.

Mijanona ho olana lehibe io famatsiambola io ho an'ireo firenena afrikàna izay tena iharan'ny fiovàn'ny toetrandro na dia zara fa manana andraikitra amin'ny fandefasana entona mampiakatra maripàna aza ry zareo. Araka ireo tombantombana, 4% monja  amin'ny entona mampiakatra maripàna eto amin'ny planeta no andraikitr'i Afrika.

Ho an'ny Firenena Mikambana, firenena vitsy an'isa no tomponandraikitra amin'ny ampahany betsaka amin'ireo fandefasana entona mampiakatra maripàna, isan'ireny i Shina, India, Etazonia, Rosia, ny Fiombonambe Eorôpeàna, Indonezia ary Brezila, firenena fito goavana indrindra mandrafitra ireo vitsy an'isa amin'ny fandefasana entona mampiakatra ny maripànan'ny tany. Izy rehetra mitambatra, ireo firenena ireo no tomponandraikitra tamin'ny efa ho antsasaky ny entona mampitombo maripàna nanerana izao tontolo izao tamin'ny 2020.

Fanehoankevitra teny anaty tambajotra sôsialy

Joy Koech, vehivavy keniàna mpikatroka ho an'ny tontolo iainana dia namoaka toy izao tao amin'ny kaontiny X(Twitter taloha):

Andro voalohany ho an'ny COP28 : Filàna faran'izay maika 100 tapitrisa dôlara amerikana ho an'ny fatiantoka sy fanonerana ho an'ireo firenena andalam-pandrosoana.  Teten-drano tokana monja ao anaty ranomasimbe raha izay 400 tapitrisa dôlara nampanantenain'ireo firenena mandroso. Zavatra tsy maintsy ataontsika ny manao ho laharam-pahamehana sy manetsika bebe kokoa ny fanohanana ara-bola mba hiatrehana ny olana ara-toetrandro. #COP28

Ity famoahana ity dia fampahatsiahivana fotsiny ihany ireo fitakiana voarakitra ao anatin'ny fanambaràna tao Nairobi momba ny toetrandro izay mitaky amin'ireo firenena manankarena hanaja ny fanolorantenany hanome 100 lavitrisa dôlara amerikàna isantaona ho an'ny toetrandro, toy izay nampanantenaina tamin'ny 2009, nandritra ny kaonferansa tao Copenhague.

Teresa Anderson, tomponandraikitry ny rariny ara-toetrandro ao amin'ny ActionAid (tambajotra erantany misy ireo olona manolotena hiaro ny zon'ny vehivavy, ny rariny ara-toetrandro sy ny fampitsaharana ny fahantrana), tao amin'ny kaontiny X, dia niarahaba ny fandraisana anjaran'ny Emirà Arabo Mitambatra sy ny anjara toeran-dry zareo ao anatin'ny fampahatsiahivana ny andraikitr'ireo hafa mpandoto

Satria nifanarahana nandritra ny #COP28 ilay tahirimbola manantantara #LossAndDamage 

“Tena ankasitrahana ilay 100 tapitrisa dôlara amerikàna avy amin'i Emirà Arabo Mitambatra, noho ny tahirimbolany matanjaka sy ny tsindry ataony amin'ireo goavana indrindra mpandoto eran'izao tontolo izao mba hampitomboan-dry zareo sy hanekeny ny andraikiny”, Izaho maka ny @ClimateHome

Mandritra ity fivoriana goavana fanimpiriny momba ny toetrandro ity, tsy miova ireo fanamby goavana ho an'ny planeta sy Afrika manokana: ny fialàna na fampihenàna ny angovo fôsily, ny fidirana amin'ny angovo azo havaozina, ny fampihenàna ny fandefasana entona mampitombo maripàna ho tonga amina haavo azo atao faran'izay akaiky indrindra ny aotra. Ny fanontaniana fototra dia ny hahafantarana ny ho fomba fiasan'io tahirimbola nambara io sy ny hoe iza no hatao laharam-pahamehana voalohany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.