Tamin'ny 14 aprily, nanao soniam-pifanarahana mampiady hevitra ny Fanjakana-Mitambatra (UK) sy Rwanda hamindrana ireo mpitady fialokalofana sasany tonga ao UK ho any Rwanda. Tafiditra ao anaty fifanarahana ny fandefasana mpitady fialokalofana sasany tonga any UK ho any Rwanda hikarakarana azy ireo sy mety honenany ao.
Antony nahatonga ity fifanarahana ity dia ny fitomboan'ny isan'ny mpifindra monina tsy ara-dalàna tonga amin'ny sambokely izay manodidina ny 8.500 tamin'ny taona 2020, 28.000 tamin'ny taona 2021 ary hatramin'ny 45.000 tamin'ny taona 2022, ary heverin'ny governemanta fa hanakivy ny olona tsy hampiasa ireo fomba “tsy ara-dalàna, mampidi-doza na tsy voatery hidirana any amin'ny Vondro-Nosy Britanika” ny fampiharana io politika io, anisan'izany ny fampiasana sambo kely hiampitana Lakandrano Anglisy.
Na izany aza, nisarika ny fifantohan'ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'olombelona toa ny Amnesty International sy ny Kaomisaria Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) ity fandaminana ity sy avy amin'ireo politisiana britanika mpanohitra izay nanamarika izany ho tsy azo ampiasaina sy tsy manaja ny maha-olombelona. Tamin'ny Novambra, namoaka didy hanohitra ilay drafitra ny Fitsarana Tampony britanika:
The UK Supreme Court has ruled against the British government's plan to send asylum seekers to Rwanda, saying it's unlawful.
The court unanimously ruled that Rwanda is not a safe third country to send asylum seekers to.
Here’s some context 🧵https://t.co/C84pk0OWZr
— BBC News Africa (@BBCAfrica) November 15, 2023
Namoaka didy manohitra ny fikasan'ny governemanta britanika handefa mpitady fialokalofana ho any Rwanda ny Fitsarana Tampony Britanika, ary nilaza fa tsy ara-dalàna izany.
Niray feo ny fitsarana fa tsy firenena fahatelo azo antoka handefasana mpitady fialokalofana i Rwanda.
Ity ny odidina vitsivitsy
Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny CGTN Africa, nohazavain'i Alain Mukurarinda, mpitondrateny lefitry ny governemantan'i Rwanda, ny faneken'i Rwanda ny fifanarahana ho fanoloran-tena amin'ny famahana ny krizin'ny fifindramonina. Nasongadiny, tamin'ny fanoritana ny fahazarany mandray mpifindramonina, fa firenena azo antoka afaka manome hatsaram-piainana faran'izay kely indrindra azo iainana i Rwanda.
Na izany aza, tamin'ny taona 2020 ny UNHCR nametraka tatitra tao amin'ny fizotra Universal Periodic Review (UPR) momba ny fizotry ny fialokalofana ao Rwanda. Naneho ny ahiahiny ny UNHCR, anisan'izany ny fandàvana ahafahan'ny olona sasany miditra amin'ny fizotram-pialokalofana, ny mety hisian'ny fanagadrana sy ny fampodiana ireo mpitady fialokalofana tsy manan-taratasy, ny fanilikilihana mety hihatra amin'ny LGBTIQ+ amin'ny fomba fialokalofana, ary ny tsy fisian'ny fisoloantena ara-pitsarana.
Nasongadin'i Mukurarinda fa hamatsy vola ny fandaharan'asam-pialokalofana ny governemanta UK, miaraka amin'ny vatsy kasaina hamindrana ireo mpitsoa-ponenana. Tondroin'ny tatitra vao haingana fa nandoa 100 tapitrisa livra (USD 126 tapitrisa) ny UK tamin'ity taona ity miohatra amin'ny 140 tapitrisa livra (USD 176 millions) naloa tamin'ny herintaona, na dia tsy nisy mpangataka fialokalofana nalefa avy tany Angletera ho any Rwanda aza noho ny fanemorana nateraky ny fanamby ara-pitsarana.
Tsy vao izao no nisy fifanarahana toy izany. Tao amin'ny lahatsary YouTube avy amin'ny CGTN Africa, naneho hevitra momba ny famindràna any amin'ny firenen-kafa ny fizotram-pialokalofana i Achieng Akena, tale mpanatanteraka ao amin'ny International Refugee Rights Initiative, ka nitanisany ireo tranga toy ny fandefasan'i Etazonia ny Afghana ho any Ogandà sy ny fikasan'i Danemark hanao fifanarahana toy izao amin'i Rwanda. Araka an'i Achieng, notsikerain'ny Vondrona Afrikana ho mankahala vahiny sy tsy azo ekena mihitsy ity dingana ity. Nolazainy fa fifanarahana miafina natao teo amin'ny governemanta roa tonta tsy nisy fifampidinihana tamin'ny vahoaka mifanohitra amin'ny idealin'ny Pan-Afrikanisma izao sy izay iezahan'ny Afrikana hotratrarina amin'ny maha-kaontinanta ifotoram-bahoaka azy.
Naneho ny fisalasalany amin'ny fahombiazan'ny fifanarahana tao amin'ny lahatsary YouTube ihany koa i Lewis Mudge, talen'ny Human Rights Watch ao Afrika Afovoany :
It didn't work in Australia. Australia tried to implement this type of program, and it had abysmal consequences in terms of people's human rights being completely trampled on.
Tsy nahomby io tany Aostralia. Niezaka i Aostralia nampihatra io karazana fandaharan'asa io, ary niteraka voka-dratsy dia ratsy teo amin'ny lafiny zon'olombelona voahitsakitsaka tanteraka.
Samy nanana ny nandraisana ny fifanarahana ny fikambanana sy olona samihafa aty Afrika. Na dia tsy mahita fahadisoana aza ny sasany, manohitra mafy azy io kosa ny hafa.
Araka ny UNHCR, efa ampiantranoina any amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana ny 85 isanjaton'ny mpitsoa-ponenana erantany. Rwanda monja dia efa mandray mpitsoa-ponenana 130 000 eo ho eo, ka 91 isanjato mipetraka any amin’ny toby. Ao amin'ny lahatsarin'ny CGTN Africa, nanome ny fomba fijeriny momba ny fahafahan'i Rwanda mandray mpitsoa-ponenana i Gatete Nyiringabo Ruhumuliza, mpisolovava momba ny zon'olombelona sady mpandalina politika mahaleotena ary nilaza hoe:
Migrants are not a problem for us. It's not about our capacity to absorb them; it's about tapping into their strength and skills. These are resilient individuals who have crossed rivers, deserts, and war zones. We stand to benefit from them. In fact, we should be receiving payment from the UK for them to send us new human beings.
Tsy olana ny mpifindramonina aminay. Tsy resaka fahaizanay mifaoka azy ireny fa momba ny fikitihana ny tanjany sy ny talentany. Olona nisedra zavatra maro niampita renirano sy tanihay ary faritra nisy ady ireo. Mijoro izahay hahazo soa avy amin-dry zareo. Raha ny marina, tokony handray vola avy amin'ny UK isika mba handefasan-dry zareo olombelona vaovao ho antsika.
Mikasika ny tombontsoa ho an'ireo mpitady fialokalofana indray, mino i Lewis fa tsy hahasoa ireo te-ho any Angletera ilay fifanarahana. Mandresy lahatra mafy izy fa manan-jo hohainoana amin'ny momba azy hialokaloka ao ireo nahatratra ny vondronosy britanika, ary raha azo inoana ny antony dia tokony homena fialokalofana izy.
Manamafy i Lewis sy i Achieng fa mampiasa io drafitra io ny UK hialany andraikitra amin'ny fanomezana fialokalofana. Jeren-dry zareo miiba ilay fifanarahana, manonona ahiahy amin'ny filaminana ao Rwanda, manondro ny fandraketana zon'olombelona manahirana ao, ary miahiahy amin'ny fametrahan'i UK an'i Rwanda ho fialofana azo antoka.
Manamafy i Achieng fa raha tena tsara ilay fifanarahana, dia tsy ho natao an-tsokosoko tsy nisy fandraisan'ny besinimaro anjara ny fanapahan-kevitra. Navoitrany ny tsy fisian'ny mangarahara momba ny zon'ny olona nafindra toerana any Rwanda, voakiana ny fahabangan'ny zarahay mazava momba ny fangatahana sy ny fiarovana ny zo misy any UK saingy mety tsy hisy any amin'ny firenena andefasana. Heveriny ho tsy azo ekena, mankahala vahiny, ary manavakava-bolon-koditra izany.
Raha mahita ny fifindra-monina Afrikana ho olana ny UK sy i Rwanda, tsy mitovy hevitra amin'izany i Achieng sy ny Vondrona Afrikanina. Nasongadin'i Achieng fa kely dia kely ny isan'ny Afrikana mifindra monina any Eoropa raha oharina amin'ny fifindra-monina ao amin'ny kaontinanta sy ny fifindra-monina Aziatika. Araka ny filazan'i Achieng, ny fanatsarana ny fifindra-monina ara-dalàna manerana an'i Afrika no setriny ampiharin'ny Vondrona Afrikana sy ny fampiharana ny arofenitra fahalalahan'ny fivezivezena, dingana an-dalam-panatanterahana.
Nanao tatitra ny UNHCR fa tamin'ny taona 2022 dia olona maherin'ny 108 tapitrisa eran-tany no voatery nandositra ny fonenany noho ny fanenjehana, fifandonana, herisetra, fanitsakitsahana ny zon'olombelona na trangan-javatra henjana manelingelina ny filaminam-bahoaka. Mbola ho hita na hahavaha ny krizin'ny fifindra-monina amin'ny fomba mahomby nefa tsy manimba ny zon'ny mpitsoa-ponenana io politika mampiady hevitra io.