Ny fomba fampiasàn'ny sambo misoratra anarana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny sainam-pirenena hafa hanafenany ny jono tsy ara-dalàna, tsy misy tatitra ary tsy voafehy ataony ao Afrika Andrefana

Sambo mpanjono indostrialy manofahofa ny sainan'i Kamerona. Sary an'ny Multimedia Solutions, 2023, nampiasaina nahazoana alalana.

Ny   iWatch Africa no namoaka voalohany ity lahatsoratra ity, ary dika nohafohezina no averin'ny Global voices avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana mifampizara votoaty.

Abaribarin'ny fanadihadiana iray nataon'ny Gideon Sarpong niarahany tamin'ny Ocean Reporting Network an'ny Ivontoerana Pulitzer ary asongadiny ny fomba ataon'ireo sambo misoratra eo amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna (UE) ampiasàn-dry zareo ny sainam-pirenen'ny hafa mba hanafenany ny fomba fanaony manao jono tsy ara-dalàna, tsy aharaisana tatitra no sady tsy manarana fepetra [Illegal, Unreported, and Unregulated (IUU)] ataony ao Afrika andrefana.

Araka ny vokatr'io fanadihadiana io, ny sambo Pilot Whale, fantatra koa amin'ny anarana hoe Mikhail Verbitskiy, dia anisan'ireo sambo marobe voarohirohy amin'ny fanaovana IUU, amin'ny fitrandrahana amim-pahakingantsaina ny “fanevan'ny fifanekena”. Na dia manofahofa sainam-pirenena kameroney aza, raha ny marina io sambo io dia orinasa maro miorina ao Eorôpa no tompony sy mitrandraka azy.

Tamin'ny 2020, tao anaty fanadihadiana iray ny Environmental Justice Foundation (EJF), fikambanana erantany misahana ny fanarahamaso ireo fanararaotana ara-toekarena sy ara-tontolo, dia nahatily ny sainam-pirenena kameroney ampiasaina ho toy ny « fanevan'ny fifanekena ». Io fomba filaza io [fr], ampiasaina betsaka ao anatin'ny sehatry ny indostria an-dranomasina, dia manondro toejavatra iray ahitàna sambo mampiasa sainam-pirenena hafa ankoatra ny tena niaviany marina. Nandritra ilay fanadihadiana, nisy ireo manampahaizana momba ny an-dranomasina nanamafy fa « ny fanevan'ny fifanekena » [fr] dia ampiasain'ireo mpandraharaha tsy mifaditra hovana mba handosirana ny andraikitr'izy ireo manoloana ny jono tsy ara-dalàna, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ireo heloka bevava hafa ataony.

Naboraky ny fanadihadiana nataon'ny EJF ihany koa fa manodidina ny 55 isanjaton'ireo sambo an-dranomasin'ny Kameroney no natsofoka tamin'io nandritra ny dimy taona farany. Izany dia mampiseho fitomboana be amin'ny isan'ireo sambo tao anatina fotoana azo lazaina ho fohy. 90 isanjaton'ny lanja aman-taonina azon'ireo sambo rehetra mitambatra no avy amin'ireo sambo vao nampidirina vao haingana ireo, 94 isanjaton'ireny sambo ireny dia vao nampidirina, ary ana orinasa vahiny avokoa. Ankoatra izay, navoitran'ireo vokatra hita ihany koa fa saika ireo sambo vao natsofoka rehetra dia miasa ivelan'ny fari-dranomasina kameroney avokoa.

Tsy fisian'ny fomba fanjonoana maharitra sy mandray andraikitra

Amin'izao fotoana izao ny UE dia mitantana ireo fifanaraham-piarahamiasa marobe eo amin'ny sehatry ny jono maharitra [fr] (APPD) na jono ifanarahana firenena roa ka ahafahan'ireo sambon'ny UE manjono any anatin'ireo faritra ara-toekarena manokana (ZEE) [fr] any amin'ireo tany an-dalam-pandrosoana. Ny UE izao no manana ny fifanaraham-piarahamiasa mavitrika miisa 11 iarahana amin'ireo firenena afrikàna, toa an'i Maoritania [fr] sy Guinée-Bissau [fr] . Ho takalon'ny fahafahany miditra maka trondro any anatin'ireo faritra ZEE any amin'ireny firenena ireny, manome fanampiana ara-bola ho azy ireny ny UE.

Ny sambo eorôpeàna rehetra, na izy mitrandraka eo ambanin'ny APPD na fifanarahana ifanaovan'ny tsy miankina, dia samy iharan'ireo fepetra hentitra voarakitra ao anatin'ny SMEFF (Fitantanana maharitra ireo andian-tsambo vahiny mpanjono) [fr], izay mandidy ny fomba fanao amin'ny jono maharitra.

Na izany aza, ilay toedraharaha dia naka fihodinana mahaliana rehefa ny momba ireo sambo mpanjono (chalutiers) misy sainam-pirenena kameroney no resahana. Mety hihoaran'ireny sambo ireny ny fetra napetraky ny UE, tsy ilàny akory mampidina ny hazany ao Maoritania na ao Guinée-Bissau.

Navoakan'ny tatitra iray an'ny IUU Watch ny fironana iray mampanahy momba ireo tompona sambo misafidy ny hampiasa fanevan'ny fifanekena. Ny safidy tahaka izany dia toy ny manome laharampahamehana ny fidirana amin'ireo ZEE maro ao amin'ilay firenena, tsy misy iraharahiana izay fomba fanao amin'ny jono maharitra sy mandray andraikitra any.

Nolazain'ilay tatitra fa:

Raha ny momba ireo sambon'ny UE, ny fanararaotana be fahatany ny fanovàna ny faneva dia mety hitranga mba handinganana ny zava-boasoratra momba ny hoe ‘manokana’  voarakitra any anatin'ireo fifanarahana ôfisialy mahakasika izay azon'ny UE idirana any amin'ireo firenena mpiaramiasa (SFPA). Araka io fehezandalana miresaka ny ‘manokana’ io, izay sambo mitondra fanevan'ny UE dia tsy mahazo alàlana hiditra hitrandraka any anatin'ny fari-dranon'ny firenena iray mampihatra ny SFPA, raha tsy ohatra angaha ka ananan-dry zareo ny fanomezan-dàlana hanjono, nomena mifanaraka tsara amin'io fifanarahana io.

«Manimba ny tena fototra ijoroan'ny fepetra SMEFF io fomba fanao io, mitera-doza ho an'ny rohivoary an-dranomasina sy ny fiveloman'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana», hoy ny nambaran'ny tomponandraikitra iray ao anivon'ny EU raha naneho hevitra tsy nitonona anarana izy.

Ny « karatra mena » sy ny valinteny « fihatsaràna ivelan-tsihy » avy amin'ny CE (kaomisiôna eorôpeàna)

Tamin'ny Janoary 2023, noho ny toedraharaha mampahatahotra ao Kamerona, ny Commission européenne (CE) dia namoaka « karatra mena» ary nametraka fameperana amin'ny resaka fanafarana entana.  Io hetsika famaizana io dia niainga indrindra avy amin'ny fanamafisana ny « faharefoan'ny fanarahamason'ny  fanjakana an'ireo fanevan'ny fifanekena», singa iray mandray anjara amin'ny fanapariahana ireo fomba fanao amin'ny jono tsy ara-dalàna eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Nandritra ny namoahana ilay karatra mena, nilaza ny CE fa: « Tsy maintsy lavin'ireo firenena mpikambana ny fanafarana ireo vokatra jono avy any Kamerona, na dia ampiarahana amina sertifikà milaza ny fomba nahazoana azy aza izy ireny », araka izany amin'ny fampiharana ny fandraràna ireo fanafarana entana avy ao amin'ilay firenena. Niditra nanan-kery avy hatrany io fepetra io taorian'ny namoahana ilay karatra mena.

Navoitran'ny fanadihadiana nataon'ny Gideon Sarpong ny momba ireo sambo 12 tantanina, na mpiaramiasa, na tena an'ireo orinasa mifamatotra amin'ny EU, izay samy manohy manofahofa ny saina kameroney avokoa.

Sambo mpanjono voasoratra ao amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna manofahofa ny saina kameroney. Sary an'i Daniel Abugre Anyorigya, 2023, fampiasàna nahazoana alàlana.

Fa ny tena mbola manaitra kokoa, nisy fandalinana ireo angondrakitra momba ny fandraharahàna ara-barotra avy amin'ny European Market Observatory for fisheries and aquaculture (EUMOFA) nampibaribary fa manodidina ny 10 tapitrisa euros (10,94 tapitrisa dôlara amerikana) ny trondro niditra tao amin'ny UE avy any Kamerona teo anelanelan'ny Janoary sy ny Septambra 2023, na nisy aza ilay fandraràna napetraky ny CE. Novoaboasana ireny angondrakitra ireny ary nolavin'ny CE, izay niaiky fa niditra tao anivon'ny UE ireo vokatry ny jono avy any Kamerona tamin'ny 2023, na dia tamina lanja kely aza. Kanefa, rehefa nitaky tarehimarika ireo mpanao fanadihadiana mba hanamarinan'izy ireo ny fanamafisana nataony, tsy nanome izany ho azy ireo ilay tomponandraikitra iray avy ao amin'ny CE.

Fanondranana ireo vokatry ny jono avy ao Kamerona nankany amin'ny UE, Janoary-Septambra 2023. Famelabelaran'i Daniel Abugre Anyorigya.

Ny tohankevitry ny CE dia niorina teo ambonin'ny fanamafisana hoe ireny fanafarana ireny dia tsy avy amin'ny “rafitra fanamarinana ny fomba nakàna ny trondro” napetrak'izy ireo, nampiasàny ho ohatra ireo tranga toy ny «tekateka sy ireo trondro fanao haingo», tamin'ny fanamafisany fa ireny fanafàrana ireny dia avy any Frantsa sy Belzika no tena fiaviany.

Notsipihan'ny tomponandraikitra iray avy ao amin'ny Vovonana Eorôpeàna momba ny Jono[fr] IUU fa vitan'ireny sambo mpanjono ireny ny manararaotra ilay heverin'ny CE fa fanarahamaso tandrevaka ny jono ao Kamerona, na dia mijanona ao anivon'ny UE ihany aza ny vola azo.

Na izany aza, tsy mbola nandraisan'ny CE fepetra mivaingana manenjika ireny orinasa  ireny sy manohitra io fibosesehana tsy miaton'ny trondro avy any Kamerona mankao amin'ny tsenan'ny UE io.

Beatrice Gorez, mpandrindra ny CFFA (Coalition pour des accords de pêche équitables [fr]), ivondronan'ireo fikambanana manokantena hitondra fanazavàna momba ny fiantraikan'ireo fifanarahana jono ifanaovan'ny UE sy Afrika, dia mitaky amin'ny fomba manohina ny hoe : « Tsy tokony ho ataon'ny UE lasibatra ihany koa ve ireo olontsotra na orinasa miorina ao Eorôpa? Ireo olontsotra tompon'ireny sambo ireny? »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.