Fanentanana efatra hanairana ny saina momba ny fahasalaman'ny saina, tarihan'olom-pirenena ao Afrika sy India

Aisha Bubah, Nizeriàna psikôlôgy, mihaino tsara ny mpanjifa iray nandritra ny fotoana fanoroana hevitra. Sary natolotr'i Aisha Bubah, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Avy amin'i Ebenezar Wikina

Ny 10 Oktôbra, nankalazain'izao tontolo izao ny Andro Erantany ho an'ny Fahasalaman'ny Saina mba hanasongadinana ny mahazava-dehibe ny fiadanan-tsaina sy ny fiadanana amin'ny ankapobeny. Ny lohahevitry ny fankalazana ho an'ity taona ity, “Zon'olombelona iraisan'ny rehetra ny fahasalamana ara-tsaina,” dia ikendrena ny hanatsaràna ireo fahalalàna, ho fanentanana ary hanaovana hetsika mampiroborobo ny fahasalamana ara-tsaina ho an'ny tsirairay amin'ny maha-zo iraisan'ny olombelona rehetra azy.

Araka ny tatitra 2021 avy amin'ny Fikambanana Erantany misahana ny Fahasalamana, ampahefatry ny olona no tratry ny fikorontanana ara-tsaina na any amin'ny atidoha mandritra ny vanimpotoana iray eo amin'ny fiainany. Asehon'ilay tatitra ihany koa fa manodidina ny 450 tapitrisa amin'izao fotoana izao ireo olona miaina zavatra tahaka izany, mahatonga ny fikorontanan-tsaina ho isan'ireo antony lehibe miteraka tsy fahasalamana sy tsy fahafahana miasa manerana ny tany.

Nandritra iny taona lasa iny, nisy fanentanana nomerika efatra, notarihan'olon-tsotra, nahazo laka tao Nizerià, Kenya, India ary Afrika Atsimo, ho fikatsahana ny hanomezana fikarakaràna ara-pahasalamana ho an'ny olom-pirenena rehetra. Indro ny tantaran'ireo olon-tsotra mitarika azy ireny.

Aisha Bubah: Fampidirana ny fahasalaman'ny saina ho ao anatin'ny rafitra fototra ara-pitsaboana ao Nizerià

Aisha Bubah, 31 taona, psikôlôgy avy ao amin'ny faritra avaratr'i Nizerià, dia ohatra iray mamiratra amin'ny fiaretana. Na eo aza ny fiantraika mampahatahotra nateraky ny fikomiana mpampihorohoro Boko Haram tamin'ny fahasalamany ara-tsaina noho izy tsy maintsy nanatri-maso ny fiantraikan'ilay fikomiana tao amin'ny fanjakàna niaviany, dia nivoaka ho matanjaka izy ary nanorina ny Idimma Initiative mba hampaherezana sy hanabeazana ny vondrom-piarahamonina misy azy momba ny maha-zavadehibe ny filaminan-tsaina.

Ny fanentanan'i Bubah dia miantso ny National Primary Healthcare Development Agency (NPHCDA) mba hanofana ireo mpiasan'ny fahasalamana mpandray an-tànana voalohany ho toy ny mpanolontsaina tsy matianina, hametraka birao misahana ny fahasalamana ara-tsaina any amin'ireo rehetra tobim-pahasalamana fototra (CSBs), ary hanamafy ny fahaizamanaon'ireo mpitsabo sy infirmiera any amin'ireo CSB mba hanome tolotra momba ny fahasalamana ara-tsaina.

Miaraka amin'ny fisian'ireo CSB mihoatra ny 30.000 ao Nizerià, ny fangatahan'i Bubah dia miorina eo ambonin'ilay Lalàna momba ny Fahasalamana ara-tSaina nankatoavin'ilay filoha teo aloha Muhammadu Buhari tamin'ny Janoary 2023. Io lalàna io dia manome rafitra araka ny  lalàna mba ho fiarovana sy fampiroboroboana ny fahasalamana ara-tsaina ao Nizerià, isan'izany ny fanomezana tolotra momba ny fahasalaman'ny saina dieny eny amin'ny CSB.

John Mwangi: Fiarovana ny zon'ny marary eny amin'ireo tobim-pahasalamana misahana ny ara-tsaina ao Kenya

John Mwangi, 30 taona, mipetraka ao Nakuru, dia manampahaizana manokana momba ny fanarahamaso sy fanombànana ny fivoarana ara-tsôsialy, miasa miaraka amin'ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sivily ao Kenya. Nahazo fikarakaràna tsy mendrika izy fony izy nampidirina ho toy ny marary tao amin'ny toeram-pitsaboana aretin-tsaina iray ao Kenya, ary io traikefa nahararay azy manokana io no aingam-panahy nanosika ny fanentanany mikendry ny hampitsaharana ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona any amin'ireo tobim-pitsaboana ny aretin-tsaina.

“Natsipy tanaty toerana iray maizina aho, nokaravasiana, nomena fanafody fampatoriana, naboridana, novingavingaina ary nohidiana tanaty efitrano feno parasy,” hoy i Mwangi tamin'ny Global Voices tao anaty antsafa imailaka iray. Nampiany hoe:

Raha toa ianao mihevitra fa ny fomba fikarakarana biby no tiako hambara, diso ianao. Izany no nikarakaràna ahy, izaho amin'ny maha-olombelona ahy, tao amin'ny sampan-draharaha misahana aretin-tsaina tao amin'ilay tobim-pahasalamana nampidirana ahy. Nahatsiaro tena ho tsy mendrika haja sy voninahitra aho. Nahatsikaiky fa ny toerana nalehako mba hikatsahana fikarakaràna sy fahasitranana no vao mainka nanampy trotraka ny takaitrako.

Tamin'ny alàlan'ny fanangonantsonia iray,  nokatsahan'i Mwangi ny hisarika ny sain'ny kabinetran'ny ministeran'ny fahasalamana mba hiditra an-tsehatra sy hiantoka fampiofànana fanentanana momba ny zon'ireo marary ho an'ireo rehetra mpiasa amina tobim-pitsaboana saina.

Molebogeng Tema: Fanombanana ara-tsaina any anatin'ny fandraisana ho pôlisy ao Afrika Atsimo

Tema Molebogeng, 24 taona, dia miasa amin'izao fotoana izao ho toy ny mpiahy ary mpanampy ny mpitazona trano famakiamboka. Miady izy mba ho azo antoka ny hisian'ny famerenana mijery ny dingana fandraisana ho pôlisy ao amin'ny South African Police Service (SAPS) mba hanana antoka fa ireo pôlisy dia hanana ny toe-tsaina sahaza hitazona fitaovam-piadiana. Ny fanentanany dia miantso ny minisitry ny pôlisy mba hametraka ny fanombànana ara-tsaina ho isan'ireo dingana  fandraisana olona ho ao amin'ny SAPS.

Tao anaty antsafa tamin'ny imailaka niarahana tamin'ny Global Voices, hoy i Molebogeng:

Lehibe tao anatina vondrom-piarahamonina iray aho, izay ny ankamaroan'ireo ray aman-dreninay dia mpikambana tao anatin'ny SAPS avokoa, niainako mivantana ny fahatsapana ny fomba nahatonga ireo pôlisy ho ratsy fitondrantena noho ny hery omen'ny fitazonana fitaovam-piadiana ka sahy mandratra.

Hatramin'ny nisian'ny Hetsika “Black Lives Matter” (misy vidiny ny ain'ny mainty), nahasarika ny sain'ny rehetra tany amina firenena afrikàna maro ny olan'ny “pôlisy mpamono”, isan'izany ny tao Nigeria sy Kenya. Ny fanentanan'i Molebogeng, raha tafita, dia tsy hoe fotsiny hanatsara ireo asan'ny pôlisy ao Afrika Atsimo, fa koa hanavotra aina marobe.

Bhavana Srirangam: Rafitra fanohanana ny fahasalamana ara-tsaina ho an'ny vehivavy indiàna

Bhavana Srirangam dia psikôlôgy sy mpiasa sôsialy, 24 taona, mipetraka ao Telangana, afovoany-atsimon'i India. Vao avy nivoaka tamina tokantrano niaretany fanararaotana nandritra ny 27 taona ny reniny. “Naveriko nalaina ny hajan'ny tenako,” hoy ny reniny tamin'ny Global Voices tao anaty antsafa iray. Efa ho telopolo taona, nila vonjy hatrany ny reniny, ary nitaky ny rariny tamin'ny fianakaviana sy ny rafi-pitsaràna, saingy nilazàna mandrakariva ny mba “hifanaraka amin'ny zavamisy, satria ny lehilahy no mitondra ny sakafo ho eo an-databatra.”

Araka ny tatitra iray an'ny Times of India, ny fahaketrahana sy ny fanahiana eny amin'ireo vehivavy dia avo roa heny noho ny hita eny amin'ireo lehilahy, ary mahazo ny 25% amin'ny vehivavy. Ny roa ampahatelon'ireo vehivavy manambady no miaritra herisetra an-tokantrano, izay manamora kokoa ny fahatogavan-dry zareo amina fikorontanana ara-tsaina.

Ny fanentanan'i  Srirangam dia mitaky amin'ny Departemanta misahana ny Fivoaran'ny Vehivavy & Fiahiana ny Ankizy ao Telangana, mba hanangana rafitra fanohanana ny fahasalamana ara-tsaina ho an'ireo vehivavy, toa an-dreniny, izay nanana fahasahiana niala tamin'ny herisetra an-tokantrano. Mino i Srirangam fa mitàna anjara toerana lehibe amin'ny fanorenana indray ny fijoroan'ireo vehivavy ny fanohanan azy ara-tsaina.

Na voazarazara ara-jeografia aza, Aisha Bubah, John Mwangi, Tema Molebogeng, ary i Bhavana Srirangam dia ampifamatorin'ny herin'izy ireo sy ny fanolorantenan-dry zareo amin'ny maha-mpitarika fanovàna azy ao anivon'ny Nguvu Collective. Ny Nguvu Collective (“Hery Iraisana” amin'ny fiteny Swahili) dia miasa miaraka amin'ireo mpitarika vaovao avy amin'ireo vondrom-piarahamonina natao anjorom-bàla mba hahatonga azy ireny hatanjaka ho azy ireo manokana sy eo anivon'ny sehatra sôsialy, mba hahafahahan'izy ireny mitondra fiovàna miabo sy goavana eny anaty fiarahamonina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.