Fandinihana ny olan'ny fiovaovan'ny toetrandro sy tsy fahampian-drano ao Tanzania, ary fikarohana vahaolana mahomby

Vehivavy Tanzaniana manovo rano avy ao am-pantsakana. Sary an'i Calvin Kulaya avy tamin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0)

Avy tamin'i Sylvester Mathias

Miatrika fanamby lehibe amin'ny tsy fahampian-drano i Tanzania, firenena iray ao Afrika Atsinanana. Mifandray akaiky amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ity olana ity, izay manova ny fepetra ara-toetrandro ary mampitombo ny efa fahakelezan'ny loharanon-drano rahateo.

Nitarika voka-dratsy isan-karazany ny fiovaovan'ny toetrandro, ary iray amin'ireo lehibe indrindra ny fiantraikany amin'ny loharano. Any Tanzania, ny fiovana ara-toetrandro sy ny rotsak'orana tsy ampoizina no nitarika ny fitomboan'ny tsy fahampian-drano be. Lasa tsy azo ianteherana ireo loharano nahazatra, tahaka ny renirano, ny farihy ary ireo rano ambanin'ny tany, noho ny fiovaovan'ny rotsak'orana. Ny haintany mitohy sy ny rotsak'orana tsy araka ny tokony ho izy no nitarika ny fihenan'ny haavon'ny rano, niantraika tamin'ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy an-tanàndehibe.

Ato anatin'ity lahatsoratra ity, ho halalinintsika ny olana maika mikasika ny tsy fahampian-drano any Tanzania, ho jerentsika ny vokany eo amin'ny firenena ary ho dinihantsika ireo fanamby isan-karazany aterak'izany.

Fanampin'izay, hohazavaintsika ireo vahaolana sy ny finiavana mahabe  fanantenana ary ireo  fandraisana andraikitra napetraka hamahàna ity olana ity.

Ireo fanamby sy loza ateraky ny tsy fahampian-drano

Mametraka fanamby sy ambana marobe ho an'ireo vondrom-piarahamonina Tanzaniana ny tsy fahampian-drano.

Nyakahura, ao amin'ny Faritra Kagera, tanàna iray misy mponina 52 000 eo ho eo, no miatrika ny voka-dratsin'ny tsy fahampian-drano. Ambony lavitra noho ny fidiram-bolan'ny Tanzaniana antonony iray ny vidin'ny rano any amin'ity faritra ity. Ohatra, ny rano iray siny 20 litatra (5 galona) dia 500 TZS (manodidina ny 0,20 USD).

Sikiliza Bro, mimi siwezi kukesha kisimani halafu nije nikuuzie maji lita 60 kwa sh 1000.Ni bora ningebaki nyumbani nikalala na mke wangu.We fikiria nilipeleka dumu20. lakini nimebahatika kuchota Dumu 5 tu!

Henoy ry rahalahy, tsy vitako ny hiari-tory mandrak'alina eo am-pantsakana ary hivarotra rano 60 litatra aminao amin'ny vidiny 1 000 shillings avy eo. Tokony hatory miaraka amin'ny vadiko aho. Alaivo sary an-tsaina fotsiny ! Tokony hitondra daba 20 aho, nefa tsara vintana aho raha mahavita mitondra 5 fotsiny !

Ilay tanisa etsy ambony dia valintenin'ny mpivaro-drano iray fantatra amin'ny anarana hoe “Mnyokuru,” rehefa niteny taminy aho mba hivarotra rano 60 litatra amiko (16 galona) amin'ny vidiny 1 000 TZS (0,40 USD).

Miankina tanteraka amin'ny fisian'ny rano ny fambolena izay mitana anjara toerana lehibe amin'ny toekarem-pirenena. Arakaraka ny tsy fahampian'ny rano no mampihena ny vokatry ny fambolena ka mitarika amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahasahiranana ara-toekarena ho an'ireo tantsaha. Ankoatra izay, misy voka-dratsy eo amin'ny fahasalamam-bahoaka ny tsy fahampian-drano satria ny fahazoana rano fisotro voafetra dia mampitombo ny ambana hahazoana aretina avy amin'ny rano, tahaka ny kôlerà sy ny tifôida.

Fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena

Misy fiantraikany lalina ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fahasahiranana mahazo ireo loharano izay mihoatra lavitra ny fanamby mibaribary mifandraika amin'ny rano. Amin'ireo trangan-javatra marobe, ny vehivavy sy ny ankizy no mizaka ny zioga mavesatra indrindra amin'ny fanangonan-drano avy any am-pantsakana lavitra, ka manokana ora betsaka isanandro amin'io asa tena ilaina nefa mandany fotoana be io. Vokatr'izay, mihena ny fahafahan'izy ireo hahazo fanabeazana sy fampandrosoana ny tenany manokana, ka mahavoafatotra azy ireo anaty kiboriborim-pahantrana. Ankoatr'izay, matetika lasa ambanin-javatra ny fikatsahana fidiram-bola raha oharina amin'ny fanatontosàna io filàna fototra io.

Any amin'ireo faritra an-tanàndehibe, mirongatra ny tsy fahampian-drano ary mety hitondra hatramin'ny fikorontanana ara-tsosialy. Mifanandrina anaty tolona hahazoana ireo loharanon-drano voafetra azo alaina ny fiarahamonina. Mety hampitombo ny fihenjanana efa misy ity fifaninanana ity ary hanohintohina ny filaminana ara-tsosialy, mampiseho mazava fa tsy fepetra ara-tontolo iainana tsy maintsy atao fotsiny ny famahàna ny tsy fahampian-drano, fa ihany koa lafiny manan-danja lehibe hiantohana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena tsy mitanila.

Hetsika sy politika hiadiana amin'ny tsy fahampian-drano

Noho ny fahafantarany ny maha maika ny olana ateraky ny tsy fahampian-drano, i Tanzania dia nametraka asa sy politika isan-karazany hiatrehana io fanamby io. Manantitrantitra ny fitantanana ny loharanon-drano ifandrimbonana ny Politikam-panjakana mikasika ny rano tamin'ny taona 2002, amin'ny fampiroboroboana ireo fomba fanao ho fampandrosoana maharitra hisian'ny fampiasana tsara ny rano. Nampiasa vola ihany koa ny governemanta tamin'ireo  tetikasa fotodrafitrasa, tahaka ny tohodrano sy ny ozinina fanadiovana rano mba hanatsarana ny fahazoana rano madio. Mikendry ny hanatsarana ny fahazoana rano ireny hetsika ireny, mba hampitombo ny habetsaky ny fahafahanaa manangona rano sy hanatsarana ny kalitaon'ny rano manerana ny firenena.

Namolavola vahaolana sy fanavaozana ho azy ireo manokana ihany koa ireo vondrom-piarahamonina ao Tanzania mba hitantanana ny rano amin'ny fomba maharitra. Ireo fomba fanangonana ranon'orana, ohatra, dia napetraka any ambanivohitra sy any an-tanàndehibe mba hisintonana sy hitehirizana ranon'orana ho an'ny fampiasana samihafa. Fanampin'izany, nofanina ireo komity mpitantana ny rano ao amin'ny fiarahamonina mba hiantohana ny fizarana ara-drariny sy ny fampiasana maharitra ny loharanon-drano. Manome hery ho an'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana hizaka ny fitantanana rano sy hampiroborobo ny fomba fanao maharitra ireo hetsika eny ifotony ireo.

Ny anjara toeran'ny fiarahamiasa iraisam-pirenena

Mitaky fiarahamiasa eo anivon'izao tontolo izao ny ady amin'ny tsy fahampian-drano any Tanzania. Ireo fikambanana iraisam-pirenena, toy ny Firenena Mikambana dia niara-niasa tamin'i Tanzania mba hanome fahaizamanao ara-teknika, fanohanana ara-bola, ary hetsika fananganana fahaizamanao. Tanjon'ireo fiarahamiasa ireo ny hanatsarana ny fomba fitantanana ny loharanon-drano, amin'ny fanohanana ny stratejia fampifanarahana ny fiovan'ny toetrandro sy amin'ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana any amin'ireo faritra lavitra.

Amin'ny ho avy dia tena ilaina ny famolavolan'i Tanzania stratejia fampifanarahana mba  hampahalefaka ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro sy ho fiantohana ny hisian'ny loharanon-drano ho an'ireo taranaka ho avy. Ny fampiasambola amin'ireo fotodrafitr'asa mahatohitra ny fiovaovan'ny toetrandro, ny fampiroboroboana ny teknolojia mitsitsy rano ary ny fampidirana ireo fiheverana mifandraika amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ho anatin'ny fandrindrana loharanon-karena dia dingana lehibe. Fanampin'izay, ny fanentanana sy ny fanabeazana ny mponina amin'ny fitehirizana ny rano sy ireo fomba fanao maharitra dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny famahana io olana io. 

Ny olana maika mikasika ny tsy fahampian-drano, izay vao maika hamafisin'ny fiovaovan'ny toetrandro, dia mipetraka ho sakana lehibe iray amin'ny fampandrosoan'i Tanzania, ny fahamarinan-toeran'ny toekarena ary ny fiadanan'ny vahoaka. Na izany aza, misy tara-panantenana mipoitra amin'ny alalan'ny fomba fiasa maro karazana izay mampiaraka ny hetsika tarihan'ny governemanta, ny vahaolana entin'ny vondrom-piaraharamonina ifotony sy ny fiarahamiasa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Ny fanalahidy dia ao amin'ny fametrahana fomba fitantanana maharitra ny rano, izay zava-dehibe tokoa ny fitsinjarana sy ny fitehirizana am-pitandremana ity harena sarobidy ity. Miara-dàlana amin'izay ihany koa, ny fampiroboroboana ireo vahaolana vaovao miampiasa teknolojia sy ireo fahalalana eo an-toerana dia mety hanamaivana ny enta-mavesatra mifamatotra amin'ny rano. Ny fampiasàna ny stratejia fampifanarahana, toy ny karazana voly mahatohitra ny haintany sy ny teknika mahomby ho fitarihana rano, dia mety hiantoka ny fahatantesan'ny sehatry ny fambolena ao Tanzania, izay tena ilaina ho an'ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fitomboan'ny toekarena.

Na izany aza, eo anatrehan'ireo zava-tsarotra rehetra ireo, Tanzania dia manana fahafahana hiaro ny loharanon-dranony, amin'ny alàlan'ny fanokafana ihany koa ny làlana ho amin'ny hoavy mahazaka (mahavita miaritra) kokoa, miroborobo kokoa sy maharitra kokoa ho an'ny olom-pireneny. Amin'ny alalan'ny fitrandrahana ny herin'ny fiarahamiasa, ny fanavaozana sy ny fanaovana drafitra stratejika, afaka miatrika ny fotoan-tsarotra ateraky ny tsy fahampian-drano ilay firenena ary mivoaka matanjaka kokoa avy amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.