Voasakantsakana ny fihetsiketsehana manohitra ny filatsahan-kofidian'ny Filoha Andry Rajoelina eto Madagasikara

Mpitandro ny filaminana eo anoloan'ny tonelina Ambohidahy ao Analakely ao Antananarivo, manakana ny lalana miditra ao amin'ny Kianjan'ny13 May. Saripika: Actu-orange. Nahazoana alalana.

Manomboka miseho ny krizy mialoha fifidianana eto Madagasikara raha voaràra ny fihetsiketsehan'ny fanoherana.

Maneho ny tsy fahafaham-pony ireo kandidà maro mpifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena atao amin'ny fiandohan'ny volana novambra. Mangataka ny tsy fanekena ny filatsahan'ny kandidà Andry Rajoelina izy ireo.

Nanamarika ny fiandohan'ny herinandron'ny 2 Oktobra 2023 tao afovoan-tanànan’ Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara ny gidragidra. Nosakanan'ny mpitandro ny filaminana ireo fihetsiketsehana manohitra ny firotsahan'ny kandidà Andry Rajoelina hofidiana.

Amantaranao bebe kokoa ny anton'ireo fihetsiketsehana ireo vakio: Mafanavay ny adihevitra ny zom-pirenena Frantsay an'i Andry Rajoelina eto Madagasikara

Amin'ireo kandidà 13, nanangana ny firaisan'ny kandidà ny 11 izay mandà ny firotsahan'i Rajoelina hofidiana. Mitaky ny hanaovana famoriam-bahoaka ireo kandidà ireo saingy tsy navela mihitsy noho ny antony fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, araka ny nolazain'ny governemanta tetezamita. 

Ny zoma 29 septambra, nolavina tamin'ny firaisan'ny kandidà 11 ny hanao fihetsiketsehana ao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena ao Mahamasina (toerana 7092), toerana famoriam-bahoaka mahazatra ao an-drenivohitra.  Tao anatin'izany fotoana izany, namoaka fe-potoana farany amin'ny fanasoniavana fifanarahana ara-politika ireo kandidà. Nampahanfantatra ny fitakiany sy ny fepetra hiantohana ny fifidianana mangarahara sy eken'ny rehetra ry zareo 11. Teo amin'ny mikrôan'ny Radio France Internationale, nanambara ny kandidà Andry Raobelina hoe:

Nous n’acceptons pas la candidature à l’élection présidentielle malgache d’une personne qui n’a pas la citoyenneté malgache ! Nous demandons la dissolution de la Commission électorale nationale indépendante (CENI) dans sa composition actuelle. Nous réclamons une Cour électorale spéciale, car nous n’acceptons pas le gouvernement actuel pour diriger le pays en cette période électorale(…).

Tsy ekenay ny firotsahan-kofidiana fifidianana filoham-pirenena malagasy ho an'ny olona tsy mizaka zom-pirenena malagasy! Mangataka ny fanafoanana ny Vaomiera tsy miankina misahana ny fifidianana izahay (CENI). Mangataka ny hisian'ny fitsarana manokana momba ny fifidianana izahay, satria tsy ekenay ny governemanta ankehitriny hitarika ny firenena mandritra ity fotoam-pifidianana ity (…).

Tsy afa-po tamin'ny fitakian'izy ireo, nanapa-kevitra ny hidina ao amin'ny kianjan'ny 13 May, toerana manan-tantara amin'ny fihetsiketsehana ara-politika eto Madagasikara izy ireo nanomboka tamin'ny 2 Oktobra 2023. Ny androtr'iny, napetraka ireo mpitandro ny filaminana mba hanakanana azy ireo amin'ny alalan'ny tifitra etona mandatsa-dranomaso.

Araka ny asehon'ny horonantsary TV5MONDE:

Manana lanjany lehibe eo amin'ny tantaran'ny firenena ny kianjan'ny 13 mey, antsoina koa hoe kianjan'ny demokrasia koa. Toerana stratejika ho an-dRajoelina izany mba hanamaroana ny fivoriana nandritra ny revolisionany tamin’ny taona 2009.

Momba ity toerana ity, manazava amin'ny Jeune Afrique i Denis Alexandre Lahiniriko, mpampianatra tantara politika ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo, :

S’ils arrivent à occuper cette place située au cœur de Tana, même de moitié, tout pourrait basculer.

Raha mahavita mibodo an'io toerana ao afovoan'Iarivo io ry zareo, na dia amin'ny antsasany aza, dia mety hiodina ny kodiaran-tsarety.

Mifampihantsy ny fitondrana sy ny fanoherana

Ampangain‘ireo mpisera aterineto ao amin'ny ankolafy mpanohitra ny fihetsiky ny polisy izay mandrahona ireo mpanao fihetsiketsehana ary manakana amin'ny fomba feno habibiana ny fivorian'ny mpanohitra. Etsy andanin’izay dia mivory an-kalalahana ny mpomba an-dRajoelina. Araka ny asehon'ity tatitra avy any Frantsa 24 ity.

Samy manana ny alehany ny fanehoan-kevitra amin'ilay ranty. Misy ny manohana ny fihetsiketsehana, ny hafa tonga hatramin’ny fanontaniana ny amin’ny tsy fiandanian’i Gaelle Borgia, mpanao gazetin’ny France 24 eto Madagasikara.

Ny harivan’ny 1 oktobra, tamin’ny kabary notononin’ny fampahalalam-baovao Africanews, dia namaly fanafihana nataon-dRajoelina. Manome toky izy hoe:

Il n'y a pas de crise à Madagascar, il s’agit seulement d’une crise créée de toutes pièces par quelques candidats qui ne sont pas prêts. Si les candidats ont de l’amour pour la patrie, ils n'agissent pas ainsi à l'approche de l'élection. Ce n'est pas 10 ou 11 personnes qui vont empêcher la population d'exercer son droit de vote, a-t-il ajouté.

Tsy misy ny krizy eto Madagasikara fa krizy noforonin’ny kandidà vitsivitsy tsy mbola vonona. Raha tia tanindrazana ireo kandidà dia tsy manao toy izany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Tsy olona 10 na 11 no hanakana ny vahoaka tsy hampiasa ny zony hifidy, hoy ihany izy.

Diaben’ireo kandidà 11 miaraka amin’ireo mpomba azy

Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 2 oktobra dia tazana  lohalaharan‘ny fihetsiketsehana ireo kandidà mivondrona, ​sy ny mpomba azy ireo tao aoriany nizotra nankany amin'ny kianjan'ny 13 mey.

Ny kandidà 11 amin'ny fifidianana filoham-pirenena lohalaharan'ny diabe. Saripika: actuorange. Nahazoana alalana

Hamantaranao ireo kandidà filoham-pirenena, vakio: Une multitude de candidats face à Andry Rajoelina à la conquête du fauteuil présidentiel malgache

Nankasitrahan’ireo mpomba izany fitsofohan'ny kandidà izany. Raha ny filazan’izy ireo dia tsy nisy ny toa izany tamin’ny fihetsiketsehana politika tamin’ny taona 2009, izay nitarika tamin'ny fanonganana an’i Marc Ravalomanana izay nahafatesana olona maherin’ny 30, ary tsy niaraka tamin’ny vahoaka i Rajoelina.

Nidera ny herim-pon’ireo kandidà iraika ambin’ny folo i Dally Andriantefy, mpilalao tenisy matihanina malaza. Ao amin'ny kaontiny Facebook, manoratra izy:

Fitifirana etona mandatsa-dranomaso, 9 naratra sy 3 nosamborina

Na dia nilamina aza ny fihetsiketsehana, nanipy etona mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana hanaparitahana vahoaka. Maro ireo mpanao fihetsiketsehana fa naratra kely. Kandidà telo no naratra : Andry Raobelina avy amin'ny antoko Anjomara et Rivo-Baovao (ARB),  Rivo Rakotovao avy amin'ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) voatifitry ny bala fingotra tamin'ny tongony ary Tahina Razafinjoelina, naratra kely tamin'ny tanana.

Ity vidéo ity no mampiseho ny fanaparitahana ny vahoaka tamin'ny alalan'ny etona mandatsa-dranomaso natoraky ny mpitandro ny filaminana:

Anisan’ny voasambotry ny zandary tamin’ny fomba feno habibiana i Rina Randriamasinoro, mpomba an’i Marc Ravalomanana, sady sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Nampidirina am-ponja vonjimaika izy ary tokony havotsotra taorian’ny 48 ora nitazonana azy saingy nohalavaina 24 ora ny fiambenana azy, izay mbola tsy fantatra mazava ny anton’izany.

Voasambotra koa ny mpiambina an-dRavalomanana. Tsy mbola fantatra ny anton’ny fisamborana azy ireo. Voasambotra koa ny olona iray voalaza fa nitora-bato mpitandro filaminana.

Ity ny horonan-tsary avy amin'ny fantsona IBC izay nisamborana an-keriny an'i Rina Andriamasinoro raha nipetraka mangina teo amin'ny dabilio ho an'ny daholobe.

Nitondra fanazavana ny mpitandro filaminana. Araka ny fanazavan’ny lietnà-kolonely Tojo Raoilijon, komandin’ny zandarimariam-pirenena eto Analamanga, faritanin’Antananarivo, dia misy mpitolona mitam-piadiana nifangaro tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Lazainy amin'izany ny mpiambina ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, anisan'ny voasambotra. Nambarany ihany koa fa enina no naratra teo anivon’ny mpitandro filaminana, ka ny telo no voafaokan’ireo kandida sy ny hafa tamin’ny tora-bato.

Nalaza tampoka tamin'ny aterineto malagasy ny laisoa

Voamarika hatsikana ihany koa ny fihetsiketsehana. Lehilahy iray nitondra kitapo am-babena no nandona tsy nahy mpitandro filaminana ka nitarika ny fisamborana azy.

Manamafy ireo kandidà iraika ambin’ny folo fa hanohy ny tolona mandra-pihainoana ny fitakiany. Nilaza ny kandidà Jean Jacques Ratsietison, tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Radio France Internationale hoe:

« On n’a pas réussi aujourd'hui, mais on reviendra demain, après-demain, jusqu’à ce que l’on trouve un accord entre toutes les parties ».

“Tsy nahomby izahay androany, fa hiverina rahampitso, rahafakampitso, mandra-pahitanay fifanarahana eo amin'ny andaniny rehetra.”

Araka ny fandehan’ny raharaha, ny krizy dia mety hanakorontana ny fifidianana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.