Polisy Nizeriana voaheloka ho faty noho ny fitifirana mpisolovava bevohoka tamin'ny andro Krismasy ​

Pikantsarin'i Omobolanle Raheem avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘ | #iller Cop, Milaza tena ho tsy meloka amin'ny fiampangana tokana namono an'i Bolanle Raheem ny ASP Drambi Vandi‘ navoaka tamin'ny 16 janoary 2023 avy amin'ny TVC News Nigeria.

Nomelohin'ny fitsarana ambony ao Lagos, Nizeria, ho faty ny polisy Drambi Vandi noho ny fitifirana nahafaty ny mpisolovava bevohoka iray, Omobolanle Raheem, tamin'ny andron'ny Krismasy.

Tamin'ny 25 Desambra 2022, nanome baiko ny polisy avy ao amin'ny tobim-polisy Ajiwe ao Ajah, Lagos mba hijanona ny fiara mitondra an'i Raheem sy ny fianakaviany rehefa niverina avy namonjy Krismasy. Ny iray tamin'ireo manamboninahitra voatondro ho Drambi Vandi, lefitry ny lehiben'ny polisy, no nitifitra ny fiara ary nahafaty ilay mpisolovava. Nitsoaka avy hatrany ireo mpitandro filaminana taorian’ny tifitra variraraka.

Niteraka hatezerana amin'ny herisetran'ny polisy tao Nizeria ny famonoana an'i Raheem. Iray amin'ireo trangan-kerisetran'ny polisy vao haingana izay voarakitra ao Lagos sy any amin'ny faritra hafa any Nizeria ny tifitra nahafaty azy. Telo herinandro monja talohan'ny namonoana an'i Raheem, maty notifirin‘ny polisy avy ao amin'ny toby iray ao Lagos i Gafaru Buraimoh, 31 taona. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny The Cable fa Nizeriana 91 teo ho eo no novonoin’ny polisy tamin’ny herintaona.

Nomelohan'ny Amnesty International ny famonoana an'i Raheem tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny X (Twitter taloha):

Manameloka mafy ny famonoan'ny polisy manamboninahitra iray an-dRamatoa Omobolanle Raheem tamin'ny andro Krismasy tao Ajiwe Ajah #Lagos ny Amnesty International. Mampihoron-koditra ny mahita ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny ain’ny olona lasa ho tsimatimanota.

Tamin'ny 29 Desambra 2022, nitaky ny rariny ho an'i Raheem ny fiaraha-mientan'ny fikambanam-behivavy miisa 223 eo ambany fiahian'ny Womanifesto. Nametraka ny olana tamin'ny fanambaràna iray mitondra ny lohateny hoe, ‘Ny rariny ho an'i Omobolanle Raheem novonoin'ny ASP Drambi Vandi!’ ny mpampivory ao amin'ny Womanifesto sy ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Foibem-pikarohana sy Fandraketana momba ny Vehivavy Mpisolovava, Dr. Abiola Akiyode-Afolabi

“Mitaky ny hitsarana haingana an'i Drambi Vandi izahay amin'ny alàlan'ny Lalàna momba ny heloka bevava ao amin'ny fanjakana Lagos 2015 sy ireo lalàna hafa azo ampiharina. Mendrika hahazo rariny sy fanonerana noho ny fahavoazana sy ny ratra nahazo azy ireo ny fianakaviana sy ny naman'ny Omobolanle Raheem nodimandry,” hoy ry zareo.

Nisaona ny fahafatesan'ilay mpisolovava sy naneho ny tsy fahafaliany tao amin'ny X (Twitter taloha) ihany koa ireo Nizeriana tao amin'ny media sosialy sy ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, ary maro no niantso ny polisy handray fepetra amin'ireo manamboninahitra ao amin'ny tobin'ny polisy Ajiwe. Festus Ogun, mpisolovavan'ny zon'olombelona, nanoritsoritra ny zava-nitranga ho mpitranga rehefa mitaky ny rariny ho an'ny niharam-boina. Tao amin'ny lahatsoratra X, nilaza izy hoe:

Tsy vao sambany ity tranga mampalahelo ity. Nampiseho fanamavoana sy fankahalana tsy tapaka tamin'ireo mpisolovava ny polisy, nandritra ny taona maro. Tsy maintsy mijoro mivondrona ny asa ara-pitsarana mba hialana amin’ity trangan-javatra mampidi-doza ity. Tsy maintsy misy vokany ny tsimatimanota.

Nanatevin-daharana ny fanenjehana ilay polisy manamboninahitra ireo mpisolovava Nizeriana avy ao amin'ny sahan'ny Fanjakan'i Lagos ao amin'ny Fikambanan'ny Mpisolovava Nizeriana (NBA), notarihin'ny filohan'ny NBA Yakubu Chonoko Maikyau, ho ampahany amin'ny ezaka ataon'izy ireo mba hahazoana rariny haingana sy mahomby ho an'ny fianakavian'ny maty.

Nitady fandoavana onitra tsy latsaky ny 5 lavitrisa naira (12.000 dolara eo ho eo) fanampiny ny NBA.

Tamin'ny 30 Desambra 2022, nametraka fitoriana an'i Vandi momba ny famonoana an'i Raheem ny Lehiben'ny Fampanoavana ao amin'ny fanjakan'i Lagos, Moyosore Onigbanjo. Neken’ny mpitsara ny fangatahana hanagadrana ilay voampanga eny amin’ny Fonja Ikoyi hatramin’ny 30 janoary 2023.

Nomelohin’ny fitsarana ho namono olona i Vandi ary nodidiana ho faty tamin’ny fanantonana azy tamin’ny 9 Oktobra 2023, taorian’ny nijoroan’ny vadin’ilay maty, ny anabaviny, ny mpitandro filaminana, ny mpitsabo aretin-tsaina, ary ny fito hafa niampanga azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.