Kandidà maro no mifaninana amin'i Andry Rajoelina ho lasa filohan'ny Malagasy

Ireo kandidà miisa 11 avy amin'ny fiaraha-mientana, pikantsary avy amin'ny fantsona Tv5monde Info

Filoha teo aloha sy mpanao politika vaovao no mirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 9 16 novambra 2023 eto Madagasikara. 13 no fitambaran'ny kandidà neken'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hirotsaka hofidiana eo amin'ny fahefana fara-tampony.

Amin’ireo mponina tombanana ho 30 tapitrisa, mpifidy maherin’ny 11 tapitrisa no handeha hifidy izay filoha vaovao hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona. Tanterahana amin'ny alalan'ny latsabato andraisan'ny rehetra anjara ny zotram-pifidianana.

Ao anatin'ny hazakazaka fanindroany ho filohan’ny firenena i Andry Rajoelina, filoha am-perinasa sady lehiben’ny antoko Tanora malaGasy Vonona (TGV) . Na izany aza, mampiadi-hevitra ny firotsahany hofidiana noho izy mizaka zom-pirenena Frantsay.

Raha te hahalala bebe kokoa: Mafanavay ny adihevitra momba ny zom-pirenena Frantsay an'i Andry Rajoelina mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. [mg]

Miatrika fanoherana avy amin'ireo mpanohitra ahitana filoha teo aloha, sy kandidà vaovao i Andry Rajoelina, niasa tao amin'ny lapan'i Iavoloha, toeram-piasana miorina ao atsimon’Antananarivo renivohitry ny firenena. Tsy ahitana vehivavy ny lisistry ny kandidà amin'ity fifidianana filoham-pirenena ity.

Kandidà filoham-pirenena roa teo aloha: nofinofy hiverina eo amin’ny fitondrana

Ahitana filoha teo aloha roa, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina amin’ireo kandidà 13 mirotsaka hofidiana.

Marc Ravalomanana, filohan'ny antoko politika Tiako I Madagasikara no filoha teo anelanelan'ny taona 2002 sy 2009. Taorian'ny fe-potoam-piasana voalohany, voafidy indray izy tamin'ny 3 Desambra 2006 saingy tsy nahavita ny fe-potoam-piasana faharoa, taorian'ny revolisionam-bahoaka notarihin'i Andry Rajoelina. Voatery nametra-pialana izy tamin'ny taona 2009. Nirotsaka hofidiana indray izy tamin’ny taona 2018 tamin'ny fifidianana filoham-pirenena saingy resin'ny olona nanongana azy teo amin’ny fitondrana.

Teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2018, nitana ny toeran’ny filoha malagasy i Hery Rajaonarimampianina, filohan’ny antoko politika Hery Vaovao Hoan'i Madagasikara. Nandritra ny fotoana nitondrany, matetika voatsikera sy notsarain’ny vahoaka ho tsy mahafehy ny fitantanam-panjakana i Hery. Niharan'ny fanoherana maro sy fikasana  maro hanongana azy izy. Na dia teo aza izany, nijanona ho lehiben’ny firenena hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018, izay nifaninanany izy saingy nihintsana tamin’ny fihodinana voalohany.

Talohan’ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fametrahana antontan-taratasy amin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2023, efa nanomboka fifampidinihana tamin’ny volana desambra 2022 ireo filoha teo aloha roa ireo mba hivondrona hanohitra an’i Andry Rajoelina. Nilaza izany tao amin'ny kaontiny X (ex-twitter) ny media Africa Intelligence:

📣#Madagascar | Nanomboka fifampidinihana hatramin'ny volana jolay ireo filoham-panjakana teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina mba hisian’ny firaisankina amin’ny fifidianana taona 2023 ho fanoherana ny filoha ankehitriny @SE_Rajoelina.

Ny tena fanontaniana dia ny hoe afaka manamafy ny fifandraisan’ireo filoha roa ireo amin’ireo kandidà sivy hafa ho amin'ny vondrona mpanohitra an-dRajoelina ve ny resabe manodidina ny zom-pirenen’ny filoha am-perinasa?

Fitambaran’ireo kandidà rehetra mihetsika hanohitra an’i Andry Rajoelina ny vondrona firaisankinan'ny kandidà 11, afa-tsy kandidà iray, izay manana tanjona mitovy: ny hanakanana an-dRajoelina tsy hirotsaka hofidiana.

Kandidà maro, tsy dia fantatra ny sasany

Ankoatra ireo filoham-pirenena teo aloha, mipoitra ihany koa ireo anarana lehibe eo amin’ny politika malagasy.

Ao anatin'izany i Hajo Andrianainarivelo avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga. Kandidà ratsy vintana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2013, tena akaiky an-dRajoelina i Hajo: imbetsaka izy no ministra teo ambany fitantanan'i Rajoelina, nandritra ny tetezamita (2009-2013) sy nandritra ny fe-potoam-piasana 2018-2023. Nisaraka tamin’ny ankolafy Rajoelina anefa izy ary nanambara ny firotsahany hofidiana amin’ny fifidianana 2023.

Akaiky an’i Andry Rajoelina ihany koa i Roland Ratsiraka, filohan’ny antoko politika Malagasy Tonga Saina. Ben'ny tanàna teo aloha, solombavambahoaka ary minisitra tamin'ny fitantanan'i Rajoelina. Tsy nahomby tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2006, 2013 ary 2018 i Roland teo aloha. Zana-drahalahin'i Didier Ratsiraka (efa maty), filoham-pirenena teo aloha (1975-1993 et 1997-2002) izy.

Kandidà ihany koa ilay mpanao fanatanjahantena teo aloha, tompondakan’i Madagasikara imbetsaka ary filohan’ny Vondrona Afrikanina amin'ny taranja judo, Siteny Thierry Randrianasoloniaiko izay akaikin'i Hery Rajaonarimampianina tamin'izy solombavambahoaka ny taona 2013 niaraka tamin’ny antoko HVM. Nanova ny loko politikany izy tamin’ny taona 2018 ary niditra tamin'ny vondrona Isika Rehetra miaraka tamin’i Andry Rajoelina izay naha lasa solombavambahoaka azy. Kandidà amin’ity fifidianana ity eo ambany fanevan’ny Antoko Parti-social démocrate malgache izy. Akaiky an'i Vladimir Potinina ihany koa i Siteny.

Nirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena eo ambany lokon’ny antoko Antoko Politika Madio koa i Jean Brunelle Razafintsiandroafa, solombavambahoakan’ Ikongo, kaominina any andrefan’ny firenena, sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena.

Auguste Paraina,  lehiben’ny antoko politika Tsara Tahafina izay natsangany vao haingana, no zokiolona amin’ny politika malagasy. Solombavambahoaka efa hatry ny ela izy ary koa minisitra teo ambany fitarihan’ny filoha teo aloha toa an’i Albert Zafy (1993-1996) sy Didier Ratsiraka (1997-2002), ary masoivohon’i Madagasikara tany Sénégaly vao haingana.

Mpiara-dia taloha, talen'ny fampielezan-kevitr'i Marc Ravalomanana teo, nisaraka taminy i Tahina Razafinjoelina ary nirotsaka hofidiana amin’ny anaran'ny antoko politikany Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT).

Miezaka ihany koa ireo vao tonga eo amin’ny sehatra politika malagasy. Tsy dia malaza loatra izy ireo kanefa afaka mitana anjara toerana lehibe amin’ny fihodinana faharoa. Jean-Jacques Jedidia Ratsietison no kandidà miaraka amin’ny antoko politika Fahefa Mividy no Ilain’ny Malagasy (FMI-Ma); Lalaina Harilanto Ratsirahonana, zanak’i Norbert Lala Ratsirahonana, filoha vonjimaika teo aloha (1996-1997) no kandidà eo ambany fanevan’ny antoko politika An’i Kristy Fiahavanantsika.

Anisan’ny vaovao eo amin’ny sehatra politika malagasy amin’izao fifidianana filoham-pirenena izao koa i Andry Tsiverizo Raobelina Andriamalala, mpitarika ny antoko Anjomara Sy Rivo-Baovao (ARB).

Niditra tamin’ny politika ihany koa ilay mpandraharaha sady mpitarika ny antoko politika Fandrosoa faritsy iaby ho an’i Madagasikara (Fy-M), Sendrison Daniela Raderanirina. Izy irery no kandidà amin’ny fifidianana izay tsy tafiditra ao anatin’ny vondrona firaisankinan'ny kandidà 11 manohitra an’i Andry Rajoelina.

Na dia toa mitovy aza ny fomba fijerin'ny ankamaroan’ny kandidà: ny fanakanana an’i Andry Rajoelina tsy hilatsaka hofidiana fanindroany, dia mety ho mafy ny ady eo amin’ireo mpanao politika samihafa ireo. Manampy trotraka izany ny fihetsiketsehana voaràra izay toa hampiseho herinandro henjana  mialoha ny fe-potoana 16 9 Novambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.