Ireo safidy manadalan'ny vanimpotoana nomerika : mamakivaky eny an'elanelan'ireo ambana mitambesatra zon'olombelona ao anatin'ny fanjakan'ny serasera ao Botswana

« Botswana » avy amin'ny Shaund ao amin'ny Wikimedia Commons. Nampiasàna lisansa CC BY-SA 4.0.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratana tao anatin'ny fiarahamiasan'ny Advox amin'ny  Small Media Foundation  mba hanolorana anareo ny santatr'andraikitra UPROAR , fitambarana andrana manasongadina ireo fanamby momba ny zo nomerika any amin'ireo firenena napetraka hanaovana fitsirihana ara-potoana erantany ataon'ny Firenena Mikambana.

Tamin'ny 2020, ny governemantan'i Botswana dia notondroina ho iray amin'ireo firenena afrikàna mampiasa ny Circles, orinasa iray ao Chypre mpamokatra rindrambaiko fitsikilovana, mba hitsikilovana ireo mpanao gazety sy ireo mpiasan'ny fampahalalam-baovao rehetra manerana ny firenena. Ny fitaleavana miandraikittra ny sampandraharaha mpanangom-baovao sy fiarovana (DSRS) ao Botswana  dia toa hoe efa hatramin'ny 2015 no mampiasa ilay rindrambaiko Circles hijirihana ireo fitaovam-pifandraisan'ny olompirenena. Ny DSRS, izay eo ambany fiadidian'ny biraon'ny Filoha, dia manangona sy manombana ireo angom-baovao anatiny sy ivelany, manome fiarovana ho an'ireo tomponandraikitra ambony ao amin'ny governemanta ary manome torohevitra momba ny resaka fiarovam-pirenena.

Botswana dia heverina ho toy ny iray amin'ireo demaokrasia miorina araka ny lalàm-panorenana sy ahitàna antoko maro, matotra indrindra sy marin-toerana. Kanefa, Mandrangaranga sabatra roa lela ny tontolon'ny nomerika ao Botswana, sady mpitondra fampivoarana no kianja lonaka ho an'ny mety hisian'ny fanitsakitsahana zon'olombelona. Arakaraky ny hihamafisan'ireo fanekena ny teknôlôjia, misy ahiahy manelohelo momba ny maha-tsiambaratelo an'ireo angondrakitra, ny fanarahamaso ary ny fahalalahana an-tserasera.

Toy ny fanaovana lasibatra jiolahy no anaovana ireo mpanao gazety

Tamin'ny tapaky ny 2021, toa hoe nampiasain'ny pôlisy tao Botswana ilay fitaovana Universal Forensic Extraction Device (fitaovana fitrohana araka ny lalàna) novokarin'ny  Cellebrite , mpanome tolotra teknôlôjia  fijirihana telefaona. Izany dia mbola fitrohana indray ireo angondrakitry ny telefaonan’ ireo mpanao gazety mba hahafahana mamoritra an'ireo media ao amin'ny firenena. Araka ny tatitra iray avy amin'ny Comité pour la protection des journalistes (CPJ) Komity mpiaro ny mpanao gazety, io teknôlôjia io dia ampiasaina  « hikarohana ireo olona vonona ny hizara vaovao  amin'ireo media ».

Jonathan Rozen , zokiolona mpikaroka momba an'i Afrika ao anivon'ny CPJ, dia nanipika fironana iray mampiahiahy amin'ny fitomboan'ny fanenjehana ireo mpanano gazety ho toy ny mpanao heloka bevava nanomboka tamin'ny 2020, nifanandrify indrindra tamin'ny krizy erantany nateraky ny valanaretina COVID-19. Io fivoarana mampiahiahy io dia narahan'ny fandraofana tsy misy antony ny fitaovan'ireo mpanao gazety tamin'ny filazàna resaka fanadihadiana nomerika, nefa ny any ambadiky ny saina dia ny hahitàna ireo loharanon-dry zareo, mazàna noho ny fangatahana avy amin'ireo masoivohom-piarovana.

Ny fitomboan'ireo trangana mpanao gazety henjehina amin'ny ady heloka dia ambana iray mampiahiahy ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, andry goavana ho an'ireo fiarahamonina demaokratika. Ny mpanao gazety dia mitànna toerana goavana amin'ny fanerena ireo governemanta sy ireo andrim-panjakana mba hanome tamberin'andraikitra, ary tokony harovana ny fahafahan-dry zareo manao izany fa tsy hoe avadika ho heloka bevava.

Ny fakàna an-kery ny fitaovan’ireo mpanao gazety sy ny fomba fanao manararaotra ny fikarohana  heloka an'habaka dia, tsy hoe fotsiny manitsakitsaka ireo zo fototra ananan-dry zareo, fa koa manohintohina ny tena atin'ny asa fanaovana gazety. Ny fiarovana ny tsiambaratelon'ireo mpanome vaovao no vato fototry ny asa fanaovana gazety tomponandraikitra, ary izay rehetra andrana hanitsakitsahana io fahatokiana masina io dia mety hisy fiantraikany mandresy lahatra amin'ireo fanadihadiana atao momba ny zon'ny vahoaka hahazo vaovao.

Tamin'ny Oktôbra 2021, araka ny tatitra iray avy amin'ny Freedom House , ny komity misahana ny zon'olombelona eo anivon'ny Firenena Mikambana dia nilaza ny ahiahiny manoloana ny fitomboan'ny « habe sy velaran'ireo » fomba fanao fanarahamaso mitsabaka ataon'ireo manampahefana ao Botswana amin'ny fiainana manokan'ireo olontsotra, amin'ny alàlan'ny Direction of Intelligence and Security Services (DISS). Nomen'ilay tatitra 2022 avy amin'ny Freedom House ny laharana faha-72/100 i Botswana ao amin'ny filaharana erantany ho an'ny fahalalahana.

Ny ezaka tsy nahomby nataon'ny governemanta hampiditra ireo andàlana momba ny fanarahamaso tsy misy fahazoandàlana ho ao anatin'ny lalàna 2022 momba ny dingana mifehy ady heloka sy ny porofo (fanadihadiana voafehy) dia nampitombo ireo ahiahy momba ny fiheveran'ny governemanta ny zo haneho hevitra an-kalalahana.

Tsy maintsy hajain'ireo governemanta sy ireo manampahefana ny fotokevitry ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, eny fa na anaty vanimpotoanan'ny krizy aza,  toy ny tamin'ny valanaretina COVID-19. Ilaina ny gazety malalaka sy mahaleotena mba hanaparitaka ireo vaovao marina ho an'ny daholobe, indrindra fa anaty vanimpotoana misy krizy erantany. Tsy maintsy helohin'ny fianakaviambe iraisampirenena ireo ezaka atao hanampenam-bava ny asa fanaovana gazety sy hanozongozonana ny fahafahan'ireo mpanao gazety handrakotra ireo lohahevitra tena manandanja / iankinan'ny aina.

Zo sivily sy lalàna, iza no handresy ?

Tamin'ny 24 Janoary 2022, ny minisitry ny fiarovana, ny fitsaràna ary ny filaminana, Kagiso Mmusi, no nametraka tao amin'ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna momba ireo dingan'ny ady heloka sy ny porofo (fanadihadiana voafehy). Andro roa taorian'izay, ireo fikambanana ao Botswana mpiaro ny fahalalahaan'ny asa fanaovana gazety, indrindra fa ny rantsana ao Botswana ho an'ny Media Institute of Southern Africa  (MISA), dia namoaka fanambaràna iray nanamafisany fa ilay volavolan-dalàna dia tsy inona fa « fiverenana fotsiny ihany amin'ny fanaovana ho heloka bevava ny asa fanaovana gazety, ary miaraka amin'izany, ny fahalalahana maneho hevitra ».

Namoaka fanambaràna ihany koa ireo fikambanana hafa mpiaro zon'olombelona, indrindra fa ny vondrona mpandinik'asan'ireo  ONG ao amin'ny Examen périodique universel (EPU), ivondronana fikambanana enina sy tarihan'ny Foibe mpiaro zon'olombelona ao Botswana (Ditshwanelo), nanasongadinana ny momba ireo mpanao lalàna ao amin'ny firenena. Ireo fikambanan'ny media, indrindra fa ny Southern African Publishers Forum (SAEF), ny African Publishers Forum ary ny Campaign for Free Expression (CFE), dia samy niray feo tamin'ny fanamelohana ilay volavolan-dalàna avokoa.

Rehefa naroso hodinihan'ny antenimieram-pirenena ilay tolodalàna, tezitra ny vahoaka nanoloana ny fikitikitihana ny fiainana manokana sy ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Ny niafaràny dia nosintonina sy nasiana fanovàna ilay tolodalàna. Nisy tolodalàna iray vaovao nolaniana ka nampiditra andalàna vaovao toy ilay andininy faha-7, « Fiarovana ny fiainana manokana any anatin'ireo fanadihadiana voafehy » – izay, ankoatra ny hafa, « mandràra ireo mpanao fanadihadiana tsy hipaingotra ny fifandraisana raha tsy misy didy fanirahana », raha ny tany aloha, nanome fahefana ireo manampahefana ho afaka manao fanadihadiana tsy misy didy fanirahana no sady hipaingotra  fifandraisan'olona mandritra ny 14 andro ilay tolodalàna.

Tondroin'ireo fanamby etsy ambony fa ny tontolon'ny zo nomerika ao Botswana dia mbola maha-be ahiahy eny anivon'ny fiarahamonim-pirenena sivily ao an-toerana. Ao anatin'ny vanimpotoanan'ny fiovàna nomerika, miatrika olana saro-bahàna i Botswana :  ny fampanantenana fampandrosoana miharo ambana goavana ho an'ireo zo fototra maha-olombelona. Arakaraky ny itomboan'ny dingana vitan'ny teknôlôjia, mipoitra ireo ahiahy momba ny tsiambaratelom-piainana nomerika, ny fanarahamaso ary ny faharefoan'ny fifandanjana eo amin'ny famoronana sy ny fahalalahan'ny tsirairay.

Fanitsakitsahana ny zo nomerika

Tamin'ny tapaky ny taona 2020, nosamborin'ireo olon'ny fiarovana ao Botswana ny mpanao gazety roa avy amin'ny gazety Weekend Post , tamin'ny filazàna azy ireo ho naka sary ny tranobe iray tsy misy marika amantarana hoe misy ifandraisany amin'ny Direction des services de renseignement (DIS) -Fitaleavan'ny Sampana Mpanangom-Baovao.

Ireny fisamborana ireny dia niteraka ahiahy momba ireo fandrahonana atao amin'ireo haino-vaky-jery ao anatina firenena iray izay deraina  amin'ny ankapobeny noho ny demaokrasia ananany. Fiampangàna mety hahazo ireo mpanao gazety nosamborina ny hoe « fanakorontanana mahazatra » ary mety handalo alina airay any an'efitranokely famonjàna vonjimaika ry zareo. Ny fisamborana an-dry zareo dia anisany tafiditra ao anatin'ny  filàmbaniny tsy mitsaha-mitombo atao amin'ireo haino-vaky-jery tsy miankina ao Botswana. Na eo aza ny fahaiza-mitarika ananan'ny filoha Masisi, tsy mbola nisy fiovàna ny lalàna mifehy ny fahazoana maka vaovao sy ny momba ireo haino-vaky-jery.

Botswana dia mampihatra ny maha-tsiambaratelo ny angondrakitra, amin'ny alàlan'ilay andininy faha-9 ao amin'ny Lalàm-panorenany sy ny lalàna momba ny fiarovana ireo angondrakitra, lany tamin'ny 2018 (DPA) . Ny hiarovana ny angondrakitra manokan'ny olona sy ny zo hanana fiainana manokan'ny tsirairay no tena tanjon'ny DPA. Izy no mamaritra ireo fotokevitra araka ny lalàna momba ny fikirakiràna ireo angondrakitra, manendry kaomisera iray ho amin'ny fiarovana ireo angondrakitra ho fampiharana, mametraka ny fetra amin'ny fikirakiràna ireo angondrakitra saropady ary manome ny zo ho an'ireo olona voakasik'izany. Io lalàna io dia novolavolaina mba ho an'ny « fitantanana ny fiarovana an-tserasera sy ny fifehezana ny heloka an-tserasera ».

Fanafodiny sy tolokevitra ho an'ny isam-batanolona sy ireo fikambanana

Laboratoara iray itambarana sampandraharaha maro ary miorina ao Kanadà ny Le Citizen Lab, mifantoka amin'ny fikarohana, ny fitrandrahana ary ny pôlitika stratejika avo lenta sy ny firotsahana amin'ny sehatry ny lalàna momba ireo teknôlôjian'ny fampahalalam-baovao sy fifandraisana, ireo zon'ny olona sy ny fiarovana maneran-tany. Tolokeviny ho an'ny tsirairay, toy ny mpanao gazety, ireo mpikatroka na ireo mpiasam-panjakana, ny hoe ny faharefoan'ireo tambajotra dia mitondra ambana ho amin'ny fijirihana sy ny fampanekena lembenana ireo kaonty. Toroheviny  ihany koa ny hifindràna amina fanamarinana in-droa miantoana mifototra amin'ny fampiasàna ny SMS raha sanatria misy ambana mifandraika amin'ny toerana, ary tolokeviny ny hampiasàna ireo fanalahidim-piarovana sy ny famelomana ireo codes PIN/tenimiafina fiarovana  ho an'ireo faampiasa toy ny  Signal, WhatsApp sy Telegram mba  ho mafimafy kokoa ny fiarovana.

Marihan'ny tatitra Londa 2020 momba ireo zo nomerika sy ny fampiatiana ao Botswana, navoakan'ny Paradigm Initiative, ny fanapariahana ireo tambajotra CCTV fanarahamaso napetraky ny governemanta ao Botswana, ary ny tsy fisian'ny mangarahara amin'ireo hetsika fanarahamaso. Ilaina ny manohy manao tsindry hisian'ny fangaraharàna, indrindra fa ao amin'ny fomba fiasan'ireo tambajotra CCTV fanarahamaso sy ny itantanany ireo angondrakitra.

Ireo lalàna momba ny fiarovana ny angondrakitra sy ny fenitra fifehezana ny tamberin'andraikitra sy ny fangaraharàna, toy izay voafaritra etoana, dia mety ho afaka hanamaivana ny sasantsasany amin'ireo fanitsakitsahana ny fiainana manokana fantatra fa ratsy indrindra amin'izao fotoana izao, saingy, arakaraky ny fivoaran'ny teknôlôjiam-pitsikilovana sy iparitahany amin'ireo sehatra hafa, misy asa fanampiny ilaina atao mba hiarovana ny zo maha-olona.

Ny tsy fisian'ny fepetra matanjaka dia mahatonga ny olompirenena ho tratry ny faharefoana, miainga avy amin'ny fitrandrahana ireo angondrakitra ka hatrany amin'ny faneriterena ny fanehoankevitra an-tambajotra. Raha mizotra mankany amin'ny sisintany nomerika i Botswana, ny fanamby atrehany dia ny fanolavolàna pôlitika manararaotra ny fahafaha-manao teknôlôjika nefa sady miaro hatrany ny zo maha-olona, amin'ny fahitàna ny fifandanjàna eo amin'ny fifandraisana sy ny fitandroana ny rafitra demaokratikan'ny fiarahamonina.

Toy ny firenena hafa rehetra, i Botswana dia tokony hanaiky ny anjara toerana goavana tànan'ny gazety tsy miankina amin'ny fampiroboroboana ny mangaraharaha, fampiroboroboana ny fanolorantena sivily sy ny fiantohana ny fiadanan'ny olompireneny. Ny fiantohana ireo zo sy ny fiarovana ireo mpanao gazety dia dingana iray lehibe tsy maintsy atao mankany amin'ny fananganana fiarahamonina misokatra kokoa sy demaokratika kokoa izay iroboroboan'ny fifanakalozam-baovao malalaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.