Fahafatesana mahatsiravin'i Mohbad : Ny rariny sy fanamelohana no takian'ireo Nizeriàna

Pikantsary ahitana an'i Mohbad , iilay Nizeriàna ‘rappeur’ sady mpihira, avy ao amin'ny lahatsary YouTube, « Ny fahafatesana MAHATSIRAVIN4'i Mohbad  & Lisitr'ireo mpanakanto hafa NIDIRAN-DOZA noho ny olana amina marika fandraketana », an'ny  African Glitz TV. Fampiasàna nahazoana alàlana

Nosoratan'i Oluwapelumi Adewole

Taorian'ny fahafatesana niteraka resabe nahazo an'ilay Nizeriàna mozisiàna 27 taona, Ilerioluwa Oladimeji Aloba, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Mohbad, nisy onjana adihevitra sy fiampangàna niraraka tao amin'ireo tambajotra sôsialy, niteraka fanoherana goavana avy amin'ny vahoaka nizeriàna. Ireny fifanakalozan-kevitra ireny dia nandrehitra fangatahana tsy mitsahatra ny handraràna sy hisamborana ny tompon'ny Marlians Music, trano mpamokatra ny kapilan'i Mohbad.

Namorona tenifototra maro ireo Nizeriàna no sady nikarakara hetsipanoherana an-dalambe hitakiana amin'ny pôlisy mba hanao fanadihadiana momba ny antony nahafaty an'i Mohbad.

Tamin'ny 2019, ilay Nizeriàna ‘rappeur’ sady mpihira dia nanao sonia marika fandraketana mozika iray, an'ilay ‘rappeur’ miteraka resabe, Azeez Adeshina Fashola, antsoina hoe Naira Marley. Ny 25 Oktôbra 2022 ilay mpanakanton'ny gadona Afrobeats no nanambara ny fialàny amin'ilay marika. Ny ekipa misahana ny lalàna miaraka aminy dia namoaka fanambaràna iray nanamafy fa ny fialàn'i Mohbad dia vokatr'ireo herisetra tsy tapaka voalaza fa nokarakarain'i Naira Marley, sy ireo tambiny tsy voaloa hatrany amin'ny 2019.

Efa im-betsaka no voasambotra noho ny heloka maro i Naira Marley, isan'izany ny hosoka sy ny heloka bevava an-tserasera, ny halatra ary ny herisetra ara-nofo sy maro hafa koa, tao Nizerià sy tany amin'ny Fanjakana Mitambatra.

Ny 14 Septambra no nohamafisina ny fahafatesan'i Mohbad, zara raha nisy herintaona taorian'ny fisintahany nateraky ny disadisa tamin'ilay trano mpamokatra ny mozikany. Talohan'ny nahafatesany, nandrakitra lahatsary iray niparitaka be i Mohbad, ka tao anatin'izany izy dia nitazona an'i Naira Marley ho tomponandraikitra amin'ny fahafatesana izay ninoany fa mananontanona azy.

Raha maty aho, dia noho ny Marlians Music -
Mohbad pic.twitter.com/Zu1fxn1F3J
— Gowies (@Badgowies) 14 Septambra 2023

Ny 27 Jona, nametrahan'i Mohbad fitarainana teny amin'ny pôlisy nizeriàna i Sam Larry (naman'i Naira Marley) noho ny herisetra nataony nandritra ny rakitsary iray ho an'ilay hirany vaovao mitondra lohateny hoe « Account balance ».

Fotoana fohy taorian'ny nahafatesany, nanomboka niparitaka tety anaty aterineto ireo lahatsary sy saripika, milaza hoe mety misy ifandraisany amin'i Naira Marley, ilay ramatoa mpampiasa azy fahiny sy Alubarika Eletu Balogun, fantatra amin'ny anarana hoe Sam Larry, naman-dramatoa io ny fahalasànany.

Nanoloana ny tsindry avy amin'ny vahoaka nizeriàna, ny governemantan'ny governorà ao amin'ny fanjakan'i Lagos, Babajide Sanwoolu, dia nanambara tao amin'ny X (Twitter fahiny) fa nanokatra fanadihadiana momba ilay raharaha ny governemanta.

Tiako ny manome toky ny rehetra fa tsy manao ho tsinontsinona ny fahafatesana mampalahelo nahazo an'i  Ilerioluwa Oladimeji Imole Aloba (Mohbad) aho.

Miaraka miasa akaiky amin'ireo manampahefana tomponandraikitra izahay ary manaraka akaiky ny fanadihadiana atao amin'izao fotoana izao.

Kanefa, mba handehanana haingana kokoa… pic.twitter.com/fZn8GIDr85

— Babajide Sanwo-Olu (@jidesanwoolu) 19 Septambra 2023

Tamin'ny alàlan'ny lahatsary nivantana tao amin'ny kaontiny Instagram, nantsoin'ilay vehivavy nizeriàna mpilalao sarimihetsika, Iyabo Ojo, ireo ray aman-dreny sy ny tanora, ary hatramin'ireo mpanakanto, nanainga azy ireo hanohana azy amin'ny famoriambahoaka iray ho fanoherana sy hisian'ny rariny sahaza ho an'ny maty ary fitsaràna iray ho an'ireo namono azy. « Ireo ray aman-dreny rehetra, lahy sy vavy, ireo tanora rehetra izay tena malahelo tokoa noho ny nahafatesan'i Mohbad, hisafidy andro iray isika. Handeha ho any amin'ny biraon-dry zareo isika satria isika mila ny rariny. Hetsika am-pilaminana io ary omen'ny lalàm-panorenantsika zo hanao hetsipanoherana isika», hoy ny nambarany.

Na izany aza, nisy tanora nizeriàna sasany nidina tampoka an'arabe mba hanao hetsipanoherana hitakiana ny rariny ho an'i Mohbad. Naneho firaisankina ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nisy an-jatony, nampiseho ireo sary sy afisin'i Mohbad no sady nihira mafy mba hisian'ny rariny. Ny hiakan-dry zareo nanaka-danitra dia nanakoako teny an-dàlana : « Mitaky ny rariny ho an'i Mohbad izahay ».

Mihoatra ny 260 000 ireo olona efa nanao sonia sahady ny fanangonantsonia iray ikendrena ny handraràna ny Marlians Music.

Nanomboka nanao fanadihadiana ny pôlisim-panjakana ao Lagos tamin'ny alàlan'ny fananganana tarika iray manokana ahitàna olona 13 nomena andraikitra hamantatra ny toejavatra nanodidina ny fahafatesana tampoka sy ny fandevenana an-kamehana an'i Mohbad.

Tamin'ny 21 Septambra, Benjamin Hundeyin, mpitondratenin'ny pôlisim-panjakana ao Lagos dia nanambara fa nofongarina hanaovana fitsirihana ny fatin'i Mohbad. Efa vita ankehitiny ilay ‘autopsie’, saingy tsy mbola navoaka ny valiny, izay mahatonga ireo Nizeriàna ho anaty fiahiahiana momba izay antony nahafaty an'i Mohbad.

Mandritra izany fotoana izany, taorian'ireo fiampangana, voaràra tsy azo nalefa tamin'ireo onjampeo marobe ny hiran'i Naira Marley, mandra-pisian'ny filazàna mifanohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.