Any Sodana, ahitana fandripahana foko mitranga eo ambany n'ny firaisambe iraisam-pirenena tsy manan-kery. Ny mponina sivily dia ivon'ny fifandonana mitam-piadiana hifanoheran'ireo tafika roa miady hifehy tanteraka ny firenena.
Taorian'ny nanjakany 30 taona tamin'ny fahefana tsy nifampizaràna, ny 11 Aprily 2019 ny filohan'ny Repoblika taloha tao Sodàna, Omar el-Bechir (teo amin'ny toerany nanomboka tamin'ny taona 1989) no voaongana, taorian'ny hetsi-bahoaka efa-bolana nitaky ny fametraham-pialàna tsotra izao tamin'ny filoha sy ny fanovàna ny rafitra fitondrana ao amin'ny fitondràna faratampon'ny firenena.
Avy eo, natsangana hiasa mandritra ny 18 volana ny filankevitry ny fiandrianam-pirenena, nampisahanina ny fiantohana ny tetezamita mandra-panao fifidianana demokratika heverina hamerina ny fahefana amin'ny governemanta sivily. Miaramila roa no notendrena ho lohan'ilay filankevitra : ny jeneraly Abdel Fattah al Burhan, sy ny jeneraly Mohamed Hamdan Dagalo, fantatra amin'ny anarana hoe Hemedti.
Fa tamin'ny 21 Septambra 2021, niatrika fikasana fanonganam-panjakana voalohany notarihan'ny mpomba ny filoha taloha Omar el-Bechir ilay filankevitra. Iray volana taty aoriana, ny 25 Oktobra 2021, fanonganam-panjakana iray vaovao indray no nitranga : noravàn'ny jeneraly Abdel Fattah al Burhan ny governemanta tetezamita.
Ho solon'ity governemanta ity, ny 11 Novambra 2021 dia napetraka ny filankevitry ny fiandrianam-pirenena iray vaovao. Nitazona ny toerany ireo jeneraly roa, Abdel Fattah al Burhan sy Mohamed Hamdan Dagalo, saingy vetivety foana, nipoitra ny fifandonana teo amin'izy roa lahy, nampikatso ilay tetezamita demokratika.
Mba hahatakarana bebe kokoa ny fiandohan'ny fifandonana dia manome fanazavana fohy ny gazetiboky, Courrier international, ao anatin'ity lahatsary ity :
Ny 15 Aprily 2023, Abdel Fattah al Burhan sy Mohamed Hamdan Dagalo izay notohanan'ny Forces armées soudanaises (FAS) iry voalohany ary ny Forces de soutien rapide (FSR) ny faharoa, dia nandatsaka ny firenena ho anaty ady mahafaty. Voampanga ho nampiditra ny olony tao an-tanànan'i Darfour, renivohitr'i Sodàna sy tany amin'ireo tanàna hafa ao amin'ny firenena, tamin'ny 19 May 2023, nalàna tamin'ny asany amin'ny maha-filoha lefitry ny tetezamita azy i Mohamed Hamdan Dagalo.
Latsaka an-katerana ho azy ireo mponina sivily, noho ny amin'ny fifandonan'ny hambom-po misy eo amin'ireo jeneraly roa ho an'ny fifehezana ny faritany.
Herisetra sy heloka bevava an'ady atao natao tamin'ireo sivily
Ny mponina sivily izay tombanana ho 48 tapitrisa mahery amin'ny vahoaka no tena voa mafy satria ataon'ireo ankolafy roa ho lasibatra. Voarakitr'ireo fikambanana iraisam-pirenena, anisany ny Amnesty International, ireo herisetra sy fandripahana natao tamin'ny mponina.
Tao anatin'ny tatitra nataony mitondra ny lohateny hoe “Nandom-baravarana anay ny fahafatesana” : Heloka bevava an'ady sy fijalian'ny mponina sivily ao Sodana“, navoaka tamin'ny 3 Aogositra 2023, dia tondroin'ilay fikambanana ny maha-tompon'andraikitra an'ireo vondrona roa tamin'ny “fanafihana niniana natao na notanterahana tsy nasiana fanavakavahana” izay nitarika fahafatesana olona an'arivony, sy naratra. Milaza ny ampahany amin'ny tatitra milaza fa :
Olona an'arivony, lehilahy, vehivavy ary ankizy no voakendan'ny fifampitifirana, ary matetika ireo mpifanandrina avy amin'ny roa tonta no mampiasa fitaovam-piadiana tsy araka ny tokony ho izy sy ireo zava-mipoaka misy fiantraikany midadasika, maka toerana any amin'ireo faritra be mponina, izay andefasan'izy ireo ny fanafihana. Ny fandrobana sy ny fanimbàna ny fananam-bahoaka sy ny an'olontsotra, anisan'izany ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana sy ilaina amin'ny maha-olona, izay ataon'ireo mpifanandrina amin'ilay fifandonana, dia vao mainka manaratsy ny toe-draharaha maha-olombelona efa tena mahatsiravina. Maherin'ny 2,6 tapitrisa ireo olona nafindra toerana any ivelan'ny firenena ary maherin'ny 750 000 no nandositra any amin'ireo firenena mifanila vodirindrina.
Ity ady ity manana endrika ady mitam-piadiana tsy iraisam-pirenena, araka ny fifanarahana tao Genève, dia tokony hitsinjo ny ain'ireo mponina sivily, saingy tsy izay no mitranga. Iharan'ny herisetra isan-karazany izy ireo. Herisetra ara-nofo sy fanolanana faobe atao amin'ireo vehivavy sy tovovavy. Aao anatin'ny tatitry ny Amnesty International, mijoro vavolombelona ny iray niharan'ny herisetra tao amin'ny faritra El Geneina (tanàna miorina ao Atsimo-Atsinanan'ny firenena, sisintany miaraka amin'i Tchad), :
Tsy mis toerana azo antoka mihitsy any El Geneina. Nivoaka ny tranoko aho satria nisy poa-basy tany rehetra tany […] ka naolan'ireo olon-dratsy ireo. Amin'izao fotoana izao aho matahotra ny ho bevohoka […] Tsy ho zakako izany.
Mamafy sakoroka sy fahafatesana any amina toerana marobe ireo vondron'olona mitam-piadiana. Nisy trangana vonomoka fahatany natao tany amin'ireo sekoly izy nialokalofan'ireo mponina.
Mba hahatakarana bebe kokoa ny herisetra natao tamin'ireo mponina dia vakio: Soudan : Destruction d'une ville au Darfour (fr.)
Fikambanana iraisam-pirenena iray hafa, Human Rights Watch, no manome ny antsipirihany bebe kokoa tao anaty tatitra nataony mikasika ny herisetra nataon'ireo vondrona mitam-piadiana. Io tatitra io no mampiseho ireo fijoroana vavolombelona mahavaky fo avy amin'ireo sisa velona tamin'ny tifitra sy niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.
Fifindràna faobe
Ny habibiana naterak'ity fifandonana ity dia efa niteraka sahady ny fialàn'ireo Sodaney an'arivony. Ny firenena manodidina no lasa firenena mpampiantrano an'ireo sivily, izay ny ankamaroany dia mialokaloka ao Tchad. Hatramin'ny datin'ny 10 Septambra 2023, araka ny voalazan'ny antontan'isan'ny Masoivohon'i Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana (UNHCR), Sodaney mpitsoa-ponenana maherin'ny 400 000 no nampiantranon'ity firenena ity tao amin'ny taniny.
Saingy atahoran'ireo tompon'andraikitra Tsadiàna ny mety ho firongatry ny fifandonana izay mety hahakitika ny fireneny. Manahy amin'ny mety hisian'ny fandripahana olona ny Firenena Mikambana. Tao anatin'ny fanambaràna iray, Alice Wairimu Nderitu, Sekretera Jeneralin'ny lefitry ny Firenena Mikambana sady mpanolotsaina manokan'ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana mikasika ny fisorohana ny fandripahana olona, dia manaitra ny amin'ny toe-draharaha mampanahy ao amin'ilay firenena. Manamafy izy ao anatin'ny ampahany iray amin'ny fanambaràny tononin'ny ONU Info fa :
Efa-bolana taorian'ny ady tsy nisy fitsaharana, narahin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fanararaotana miely patrana, dia tsy azo ekena ny isan'ny maty, ny naratra sy ny olona an'arivony nafindra tao anatin'ny ady ahitàna famantarana foko miavaka be. (…) ireo herisetra ifanaovan'ny vondrom-piarahamonina sy foko, raha toa tsy voasakana na atsahatra izy ireo dia mety hihamafy ary hitarika an'i Sodàna manontolo anaty ady an-trano, izay ahiana hisy fandripahana olona sy heloka mahatsiravina mifandraika amin'izany.
Samy mahazo fanohanana avy any ivelany ireo ankolafy roa
Misy firenena Afrikanina sy hery vahiny manohana avokoa ny andaniny sy ankilany. Tamin'ny Septambra 2023, nampitombo ny fivahinianana tany ivelany i Abdel Fattah al Burhan, indrindra tamin'izany ny tany Ejipta, Sodàna Atsimo, Érythrée, Qatar sy Tiorkia. Ho an'i Khalid Omer Yousif, filoha lefitry ny Antokon'ny Kongresy Sodaney, al Burhan dia ao anaty dingan'ny fanamafisana fahefana. Teo amin'ny haino aman-jery TRT Afrika nilaza i Yousif fa :
Mino aho te-hanamafy orina ny toeran'ny miaramila ao anatin'ity ady ity izy amin'ny firesahana amin'ireo firenena mifanila aminy sy ireo mpikatroka isam-paritra sy iraisam-pirenena izay mety hisy fiantraikany amin'ny toe-draharaha any Sodàna.
Mandritra izany fotoana izany, araka ny voalazan'ny Le Monde, ny Forces de Soutien Rapide (FSR) an'i Mohamed Hamdan Dagalo dia voatohana ara-tafika avy amin'ireo mpikarama an'ady avy any Mali, Tchad, Niger, Centrafrique, Rosia sy ireo hery hafa avy any Afovoany Atsinanana, tahaka ireo Saodiàna sy ny Émiratis. Manazava izany ity lahatsary an'ny France 24 ity :
Ao anatin'ny toe-draharaha toa izany dia tena kely dia kely ny fanantenan'ny mponina Sodaney hahita ireo ankolafy roa hihaona an-databatry ny fifampiraharahana mba hanandramana hamerina indray ny fandriampahalemana ao amin'ny firenena.