· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2012

Ejipta: 2011 Teny Anivon'ireo Lahatsoratra Am-bilaogy

  02 Janoary 2012

Tonga tamin'ny fiafaràny ny taona 2011, ary miaraka amin'ireo zavatra rehetra nitranga tao Ejipta, dia zava-dehibe loatra ny hitanisàna ireo lahatsoratra tanaty bilaogy izay tena nanan-danja sy niteraka resabe nandritra ny taona.. Mampisafidy an'ireo mpampiasa Twitter i Tarek Amr mba hisafidy izay lahatsoratra am-bilaogy misongadin'ny taona.

Syria: Famonoana Feno Habibiana Iray Tamin'ny Krismasy

  01 Janoary 2012

Mihoatra ny 250 ireo Syriana nisy namono nandritra ireo roa andro lasa, izay niafara tamin'ireo onjam-pahatairana erak'izao tontolo izao. Avy any amin'ny Filan-kevitra Nasionalin'ny Syriana mpanohitra (SNC) ny tatitra momba ireo "famonoana mampihorohoro" ireo, izay nanitrikitrika ny hanamelohan'ny Vondrona Arabo ireo famonoana ireo sy ny handraisan'ny Firenena Mikambana fepetra mba hiarovana ny olon-tsotra. Mihetsika manoloana ny famonoana nitranga tamin'ireo olom-pirenena Syriana ireo mpampiasa aterineto eo ambanin'ny tenifototra Twitter #ChristmasMassacre