· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2012

Syria: Mpiondana Aterineto Tezitra Noho Ny Kabarin'i Assad

Nanao kabary lavabe nivaralila ny Filoha Siriana Bashar Al Assad omaly (10/01/2012), izay nahatezitra mafy an'ireo Siriana mihetsika manohitra ny fitondrana jadony. Rehefa miteny ireo mpitondra Arabo, dia mandray ny fitendry ireo Arabo mpiondana aterineto ka mandray anjara anaty resaka mikasika ireo filoham-panjakana izay voan'ny nataony ihany ka tonga amin'izao toerana misy azy izao. Ity misy fanaovana bango tokana ireo fanehoan-kevitra avy tao amin'ny Twitter tamin'i Al Assad niresaka tamin'ny vahoakany - dia tsy iza fa ireo vahoaka ireo ihany izay novonoina noho ny fihetsehany ho an'ny zony ara-demaokratika.

11 Janoary 2012

Syria: Damaskaosy “Fanaovana Vy Very Ny Aina” Sy Fanamboamboarana Ataon'ny Fahitalavi-Panjakàna

Raha hetsi-bahoaka goavana no mitranga manerana ny faritra maro eo amin'ny firenena mitaky ny hifaranan'ny fitondran'i filoha Siriana Bashar Al Assad, ny fahitalavi-panjakana Siriana kosa nitatitra fanapoahana baomba nataonà mpanao vy very ny ainy tany amin'ny manodidina an'i Midan any Damaskaosy tamin'ny Zoma 6 Janoary. Ireo lahatsary sasany mivezivezy any anaty aterineto dia mampiseho mazava tsara ny fisian'ny fanamboamboarana, hoy i Leila Nachawati Rego manoratra.

07 Janoary 2012

Zeorzia: Fodian'ireo Tiorka Meskhetian

Silamo maherin'ny 100.000 no nailik'i Joseph Stalin tamin'ny 1944 avy ao amin'ny faritra Meskheti ao Zeorzia. Ankehitriny, 60 taona mahery aty aoriana, manomboka miverina tsikelikely ny sasany ao anatin'ny andraikitry ny firenena manolona ny Folankevitr'i Eraopa.

05 Janoary 2012

Ejipta: Vehivavy Manao Diabe Mitaky Ny Maha-Olona Azy

An'arivony ireo vehivavy Ejiptiana nidina an-dalambe tao Kairo androany (20/142/2011) mba hanao hetsi-panoherana hitakian'izy ireo ny maha-olona azy, taorian'ny nidarohan'ny miaramila ireo vehivavy nandritra ny fifandonan'ny miaramila sy ireo mpanao fihetsiketsehana, tao anatiny sy teny ivelan'ny Kianja Tahrir hatramin'ny 16 Desambra.

02 Janoary 2012