Syria: Famonoana Feno Habibiana Iray Tamin'ny Krismasy

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ireo Fihetsiketsehana Syriana 2011 ity lahatsoratra ity.

Mihoatra ny 250 ireo Syriana nisy namono nandritra ireo roa andro lasa, izay niafara tamin'ireo onjam-pahatairana erak'izao tontolo izao. Avy any amin'ny Filan-kevitra Nasionalin'ny Syriana mpanohitra (SNC) ny tatitra momba ireo “famonoana mampihorohoro” ireo, izay nanitrikitrika ny hanamelohan'ny Vondrona Arabo ireo famonoana ireo sy ny handraisan'ny Firenena Mikambana fepetra mba hiarovana ny olon-tsotra.

Mitoraka bitsika i Rima Maktabi:

@rimamaktabi: Miteny ny SNC fa 250 ireo olona maty tao anatin'ny 48 ora tany #syria, ary niantso ny fiarovana iraisam-pirenena ho an'ireo vahoaka ireo

Ilay Saodiana mpitoraka bilaogy Ahmed Al Omran, izay miasa ao amin'ny NPR, dia nandany ny androny (sy ny aliny) mijery ny lahatsarin'ireo famonoana nihatra tamin'ireo vahoaka Syriana ary nizara izany tao amin'ny aterineto, ao amin'ny “Twitter feed“-ny.

Nitoraka bitsika mikasika ireo lahatsary manakorontan-tsaina ireo izy omaly alina ary avy eo dia nihoraka:

@ahmed: Marary, marary ny vavoniko.

Nanazava ny antony tamin'ilay Saodiana Iman Al Qhatani izy:

@ahmed: nahatsiaro ho nikorontana ny sain'i @ImaQh taorian'ny nahitany ireo lahatsary tany Syria ireo. Aza mijery azy ireo.

Al Omran, izay manamarika mazava tsara ireo lahatsary ampifandraisiny amin'ireo fampitandremana MAHERY VAIKA sy ireo FARAN'IZAY TENA MAHERY VAIKA, dia mandalina bebe kokoa:

@ahmed: Tena mampihorohoro ireo lahatsarin'ilay fanapoahana nitranga tany Bab Amr. Tsy matoky aho fa hoe hahazaka hijery ireo lahatsary hivoaka avy any Kafarwaid, Idlib.

Ity horohoro ity, sy ny fahanginan'izao tontolo izao raha toa ka eo an-dalam-pikarakarana ny vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra, dia nanosika ireo mpampiasa aterineto hitoraka bitsika momba ireo fivoaran-draharaha any Syria eo ambanin'ny tenifototra Christmas Massacre. Ny tanjona amin'izany dia ny hampifantohana ny saina amin'ny fijalian'ireo vahoaka Syriana sy ny tsy fahampian'ny firotsahana an-tsehatra any amin'ireo lalantsaran'ireo matanjaka eran-tany.

Maminavina ny horohoro atrehan'ireo Syriana i Jana FreeSyria. Manoratra izy:

@SYRIAslyJana: Mba hahatakarana ny fangatsiahan'ny ràn'ity fitondrana ity, mamono fianakaviana iray manontolo izy ireo nefa mamela olona iray hiaina ka hijery izany habibiana izany sy hijaly #Assad #christmasmassacre

SeekerSk mihanihany hoe:

@SeekerSK: Ny sasany mijery ny “Fomba nangalaran'ny Grinch ny Krismasy” ny hafa kosa miaina ny “Fomba Nangalaran'i Assad Aina” #ChristmasMassacre #Syria

Ary manampy hoe:

@SeekerSk: #ChristmasMassacre Ny olona sasany manaingo ny tranony amin'ny mena sy maitso, Assad kosa namadika an'i #Syria maitsontsika ho mena avy amin'ny rà

Mahatsapa ny ngidiny ianao amin'ity bitsika manaraka ity izay mijery YouTube, ka tao no namoahana ny ankamaroan'ireo lahatsary maneho ny habibiana natao manoloana ireo olom-pirenena Syriana.

@SeekerSk: Mahatsikaiky ny mahita ny fanombanan'ny Youtube ny lahatsarin'ireo maty teto amintsika ho 18+ nefa ireo maty teo amintsika aza ka ambanin'ny faha-18 taonany daholo #Syria

Mpampiasa Twitter iray hafa, Ilay Syriana Pearl dia manamarika:

@March15Syria: Raha mangataka kilalao miraradraraka avy amin'Ingahibe Noely ny ankizin'izao tontolo izao, mangataka amin'izao tontolo izao fanampiana miraradraraka kosa ireo ankizy Syriana #ChristmasMassacre

Mampahatsiahy antsika i Kareem Lailah:

@KareemLailah: ny #ChristmasMassacre dia famonoana feno habibiana izay mitranga any #Syria amin'izao fotoana izao raha ianao kosa manomana ireo fanomezana ho amin'ny Krismasy.

Ary manampy i Malath Aumran:

@MalathAumran: Indray andro, hono,  nisy famonoana feno habibiana… nijery sy nanameloka an'i # Syria efa ho 10 volana izao tontolo izao

Mitoraka bitsika aho:

@JustAmira: Ilay lahatsary eo ambony indrindra ao amin'ny Twitter rehefa mijery ny #ChristmasMassacre dia ny vatan'ilay zazakely tsy misy loha. Tsara ry Bashar. Manantena aho fa mirehareha ianao

Raha hijery fihetseham-po ankoatra ireo, jereo ny tenifototra  #ChristmasMassacre ao amin'nyTwitter.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ireo Fihetsiketsehana 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.