Mandoko ny hohony ireo tovolahy Saodiana – ary mampiseho ny ranjony voloina ao amin'ny sary natao hihomezana manerana ny tontolo Arabo. Anisan'ny tazana amin'ny teny ifankahafantarana ao amin'ny Twitter izany, izay midika hoe Alaivo sary tahaka ny ataon'ny tovovavy ny tenanao.
Manao fihetsika an'eso ny fanaon'ireo tovovavy mizara ny sariny ao amin'ny media sosialy ry tovolahy isany toy ny kiraro eny an-tongony, ny varinesy amin'ny hoho, ny kafé sotroina ary ireo fanomezana hifanakalozan'izy ireo.
Niparitaka ohatra ity sarin-dehilahy, mampideradera ny hohon-tanany mihosotra varinesy, sy mitàna kafé ity:
Ny hafa, tahaka an'i Rakan al-Hamdan, nampiseho ny kirarony – tahaka ny fanaon'ny vehivavy:
#صور_كنك_بنت With girls .. pic.twitter.com/IfAA9fSrq7
— Rakan al-Hamdan (@rakantweets) September 8, 2013
#صور_كنك_بنت Miaraka amin'ireo tovovavy .. pic.twitter.com/IfAA9fSrq7
Ary tovolahy iray mampiseho ny “hohon-tongony voakarakara fatratra” -miaraka amin'ny zava-pisotro ankafiziny:
#صور_كنك_بنت My best drink pic.twitter.com/J5YMV2dtQP
— B. (@BaderQ_) September 8, 2013
#صور_كنك_بنت Ny zava-pisotro tiako indrindra pic.twitter.com/J5YMV2dtQP
Niteraka hagagàna ilay hohon-tongotra misy varinesy. Ahmed nanontany tena hoe:
#صور_كنك_بنت I won't even ask why so many guys have access to manicures.
— Ahmed (@Mickeyzor) September 13, 2013
#صور_كنك_بنت Tsy hanontany akory aho hoe nahoana ireo lehilahy maromaro ireo no mikolokolo ny rantsan-tanany.
Aseel naneho ny tsy fankasitrahany:
Seriously? Guys applying nail polish on their nails just to make fun of girls !! ما عاد بيها رجوله يا جماعه #صور_كنك_بنت
— Aseel27♥ (@A62x_) September 11, 2013
Tena matotra ve? Lehilahy manosotra varinesy amin'ny hohony mba hanesoesoana ireo tovovavy fotsiny!! Tsy misy hita intsony ny fiainan-dehilahy