Tonizia: Sivana lava izao!

Mafy lavitra noho ny tany aloha, toa lasa fitsipi-dalao mihitsy ao Tonizia ny sivana. Vavolombelon'ny ady napoakan'i Ammar (solonanarana nomena ny sivana Toniziana), izay nanivanivam-poana blaogy maro tapa-bolana lasa izao ny tontolon'ny fitorahana bolongana Toniziana.

Taorian'ny sivana nahazo ny blaogin-dry  Fatma Arabicca sy Sofiene Chourabi, dia blaogy roa hafa indray no voasivana. Iray amin'izy ireny ny  Free Jailed Tunisian students [Avoahy ireo mpianatra Toniziana voafonja], asehon'ny sary fàfana manaraka eto ambany:

freejailed tunisian studenst

Ny blaogy faharoa voasakana dia ny  Nocturnal Thoughts . Ny sivana nihatra tamin'ity farany dia nahatonga onjam-panoherana teo amin'ny tontolon'ny fitorahana bolongana Toniziana.

Ghodwa Nahrek(Rahampitso, hifindra monina an-tsokosoko aho) dia nanoratra:

عمار قالك ماعادش يحب أفكار ليلية.. يحب على افكار في القايلة
مدونة “أفكار ليلية” متاع خونا و صديقنا طارق الكحلاوي تعرضت اليوم للحجب بعد اكثر من الـ3 سنوات من التدوين المتواصل في المواضيع الهامة و الحساسة . مقصّ الرقابة في تونس ولات عندو دلالات اخرى و تجاوز كونه شكل من اشكال القمع و الحد من حرية التعبير بقدر ماهو وسام للمدوّن و شهادة من الرقيب نفسه في قيمة المدونة و اهمية المواضيع المطروحة فيها.
مبروك للصديق طارق و مرحبا به مجددا في نادي المدونات المحجوبة
Nolazain'i Ammar fa tsy lanin'ny vavoniny mihitsy ny Nocturnal Thoughts [Fisaintsainan'ny Alina]. Aleony lavitra ny afternoon thoughts [Fisaintsainan'ny tolakandro].  Ny Nocturnal Thoughts, blaogin'ny namana sady rahalahinay  Tarek Kahlaoui, dia voasivana rehefa nitoraka blaogy tsy nitsahatra nandritry ny telo taona momba ireo lohahevitra mahaliana sy mafampàna. Ao Tonizia, niakatra lenta ambonimbony kokoa ny hetiben'ny sivana. Tsy hoe endrika iray amin'ny famoretana sy ny famèrana ny fahafahana miteny fotsiny intsony fa lasa medaly sy sertifika ho an'ny mpitoraka blaogy, noho ny sivana mampivoitra ny lanjan'ilay blaogy ary ny maha-zava-dehibe ireo lohahevitra velabelarina ao aminy. Fiarahabana manokana atolotra ny namanay  Tarek  ary Tongasoa indray eo anivon'ireo blaogy voarara.

Matrka( Kanonta- [Hammer]) nitoraka blaogy nanao hoe:

المدونات تصل الجميع والامكانيات تتطور كل يوم
افكار ليلية، مدونة طارق الكحلاوي، مدونة ممتازة تستحق المطالعة والقراءة ويمكن ان يكون الفرد مختلف مع طارق في هذا الموضوع او ذاك، كما يمكن ان يختلف طارق في الرأي مع هذا او ذاك، ولكن حجبها خسارة، بالطبيعة خسارة للناس الي تقرا وتهتم بالقراءة، وحجبها هو عمل متخلف مكانو الطبيعي في بداية القرن العشرين على اكثر تقدير…
Mampifandray olona maro ireo Blaogy ary mitombo isan'andro ny tanjany. Nocturnal Thoughts, blaogin'i Tarek Kahlaoui, dia blaogy iray isan'ny tsara mendrika ho vakiana. Tsy ny tsirairay no hitovy hevitra tanteraka amin'i  Tarek momba ny lohahevitra toy itsy na toa izatsy. Tarek dia afaka manana ny fomba fijeriny manokana miohatra amin'ny an'ny tsirairay. Saingy ny sivana nahatra tamin'ny blaoginy dia fahavoazana iray. Mazava loatra, fahavoazana ho an'ireo izay mpamaky sy liana amin'ny vakiteny, ary ny fanivànana azy dia fihetsika nilaozan'ny toetr'andro ka ny toerana sahaza hisy azy dia ny fiandohan'ny taonjato faha-20…

Hoy i Samsoum mitoraka blaogy amin'ny lohateny hoe Tsy zakan'i Ammar  ireo fisainana sy ireo mpisaina, indrindra indrindra fa ireo izay mitoraka bolongana momba izay fisaintsainana nentin'ny alina ho azy ireo:

واللَه مانيش مصدَق اللي مدونة طارق الكحلاوي تصنصرت خاطر نسيت اللي عمار مقص ما عندوش لوجيك يمشي بيها في ميدان التصنصير و ممكن كي فطن اللي الموضوع فيه تفكير و كلام صعيب شوية قال مانخوش الريسك و اللي خاف نجي يعني صنصر طوَا و لوَج عي سبب من بعد
الحاصل مرحبا بطارق في نادي المصنصرين و انشالله العمليَة الارهابية متاع عمار تزيد تشجعك بش تزيد تنورنا بافكارك اكثر من قبل و مدونتي مفتوحة طالما عمار موش رادد بالو
والله الواحد يحشم علي روحو كيعرف انو استاذ يكتب في صحف اجنبية و يقري في الاجانب في تاريخ الفن يتم صنصرته في بلاده لأنو تجرَء و فكَر…
Tsy mety mino aho hoe voarara ny blaogin'i  Tarek Kahlaoui satria adinoko fa  ”Ammar ilay hetibe“ dia tsy hanaraka ny lojika tokony ho izy any an-kianjan'ny sivana. Angamba hitany fa ny lohahevitra dia nisy fampisaintsainana sy resaka mananosarotra ary dia nanapa-kevitra ny hisoroka avy hatrany izay mety ho vokany izy ka nandrara ilay blaogy avy hatrany  sy nikarotra izay tohan-kevitra ho entina manamarina ilay sivana taty aorian'izay.
Arahaba tongasoa ato anatin'ny klioban'ireo mpitoraka blaogy voarara ry  Tarek  ary manantena aho fa ireo asa fampihorohoroana ataon'i Ammar, dia hanome tosika anao hanazava aminay bebe kokoa ny fisaintsainanao mihoatra lavitra noho ny teo aloha. Ary misokatra foana ho anao ny blaogiko dieny mbola tsy mifantoka aminy ny sain'i Ammar.
Menatra sy sorena ny tsirairay rehefa nahalala fa hoe nisy profesora iray nanoratra tamina gazety vahiny ary mampianatra tantaran'ny zavakanto any ivelany voasivana ao amin'ny fireneny ihany satria sahy  namoaka  ny eritreriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.