“Ianao ve ilay BOMB?”
Ilay mpifaninana indroa voatendry The View from Fez dia manoratra momba ny BOMBies:
Efa nanomboka ny fifidianana ho an'ny Fifaninanana ho an'ny Blaogy Maraokana Mendrika indrindra. Misy sokajy dimy izy ireo: ny Tsara amin'izy rehetra, ny Fitsidihana [travel], ny Vaovao, ny Kolontsaina, ary ny an'ny Tena Manokana.
Iza no mety hahazo ny loka voalohan'ny BOMBies? Ianao ve ilay BOMB?
Eatbees, Amerikanina mipetraka any Maraoka, manamarika ny firotsahany, ary miteny mikasika ny fitorahana blaogy ao amin'ny tany sy ny fanjakana:
Fony aho nanomboka tamin'ny 2006, dia zara raha nisy ireo mpitoraka blaogy nanoratra momba an'i Maroka amin'ny teny Anglisy. Amin'izao dia lasa misy blaogy momba ny kolontsaina, ny blaogy miresaka Fitsidihana [travel] , ary ny an'ny Tena Manokana, ireo blaogy mitatitra vaovao sy politika — iarahan'ireo Marokanina sy ireo hafa tia an'ny Maroka.
The Good Life in Morocco sy The Elephant Cloud koa dia nitoraka blaogy momba ny fahatafidiran'izy ireo ao amin'ny BOMBie.
Ny Fifaninanana Blaogin'i Maraoka
Robin des Blogs no nibata ny fandresena tamin'ny taona lasa tamin'ny sokajy “Blaogin'ny taona ” tamin'ny Fifaninanana Blaogin'i Maraoka. Amin'ity taona ity, dia mbola voafantina indray izy; miresaka momba ity voninahitra lehibe ity , dia hoy izy[fr]:
Je suis reconnaissant à tous ceux et celles qui ont voté pour moi l’année dernière, et ceux qui ont l’intention de le faire cette année aussi. Ce témoignage d’amour est une fierté pour moi, car il s’agit d’abord d’amour et non de compétition, puisque ceux qui nous choisissent nous rendent une partie de ce qu’on a partagé avec eux, dans un geste de reconnaissance.
Eljadida.com sy Blogipedia, etsy andanin'izany, dia mitoraka blaogy momba ny nahatafiditra azy ireo ao amin'ny Fifaninanana Blaogin'i Maraoka.
Ny mendrika no aoka handresy!