Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Zeorzia: Hiaraka hatory amin'i Shorena ve ianao?

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

kiss-208-2b

Ny lohahevitra nampiady hevitra indrindra momba ny fiarahamonina tao amin'ny fampitam-baovao tany Zeorzia dia tsy ny politika, na ny fifidianana, na ny fanatanjahantena, na ny krizy, na ny horohoron-tany na ny loza, fa ny fandaharan'ny fahitalavitra Zeorziana vaovao antsoina hoe Ghame Shorenastan. Nifantoka tamin'ny lohahevitry ny firaisana ara-nofo ity fandaharana nandeha tao amin'ny Imedi TV ity izay mitondra ny lohateny hoe Alina iray miaraka amin'i Shorena.

Ity fandaharana ity, izay voalohany amin'ny karazany sy natolotr'i Shorena Begashvili, mpilatro Zeorziana teo taloha, dia nahazo fanehoan-kevitra maro tao amin'ny Aterineto, tao ny tsara ary tao ny ratsy. Mazava ho azy fa faly ilay bilaogera NightGravity .

გაქაჩავს. დარწმუნებული ვარ ბევრმა ცნობილმა თუ არა ცობილმა უყურა,ბევრმა კონსერვატმა და ა.შ.

Ho tian'ny olona ity fandaharana ity. Azoko antoka fa maro ireo olo-malaza, olona tsy fantatra anarana sy ireo mpandala ny nentin-drazana ihany koa no nijery izany.

Nanaiky ny rehetra fa mila ny fandaharan'ny fahitalavitra momba ny fananahana i Zeorzia, ary nikendry ny endriky ny fandaharana ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra miiba, toy ity tsikera avy amin'i lukrenc ity .

გადაცემას უდაოდ საინტერესო და სექსუალური წამყვანი ყავს–შორენა ბეგაშვილი,გადაცემის საინტერესოობაზე კი რა მოგახსენოთ მეგონა ტოპ 10 სიმღერას ვუსმენდი

Tsy azo lavina fa ilay mpanolotra fandaharana mahafinaritra sy mahasarika, Shorena Begashvili no manolotra ity fandaharana ity saingy tsy tsara tsy toy izany loatra ny votoatiny, toy ireny mihaino ny “Top 10 amin'ny lahatsarin-kira” ireny no fahatsapako azy.

https://youtube.com/watch?v=YXeB6C3gfHA

Namoaka lahatsoratra maro momba ity fandaharana ity ary naneho hevitra momba ny fizarana tsirairay ilay bilaogera malaza Zeorziana Tomushka. Nitsikera ihany koa ny famokarana izany izy.

Il n'y avait pas de thème principal, cela ressemblait à une émission de la chaîne musicale MTV. Sur les 45 minutes, il y a eu 20 minutes de spots publicitaires et 20 autres minutes de vidéos musicales de MTV 😀 et durant les 5 dernières minutes, on a entendu “salut, au revoir, le sexe n'est pas quelque chose de négatif, le sexe c'est bien” 😀

Tsy misy ny foto-kevitra lehibe, mitovy amin'ny fandaharana tao amin'ny fantsona mpandefa mozika MTV izany. 20 minitra ny dokambarotra tao anatin'ny 45 minitra ary ny lahatsarin'ny mozika MTV no nameno ny 20 minitra manaraka : D ary nandritra ny 5 minitra farany no nahenoana hoe  “miarahaba, veloma, tsy zavatra ratsy ny fananahana, tsara ny fananahana” 😀

Nitarika fanadihadiana an-tserasera mihitsy aza i Lishtota  tamin'ny fanontaniana hoe: “Rahoviana ny fandaharana ” Alina iray miaraka amin'ny Shorena ” no ho foanana?”

poll

[Dikantsoratra: 1. ao anatin'ny iray volana na mihoatra (40%); 2. Ao anatin'ny volana maromaro (28%); Tsy ho foanana izy (31%)]

Gaga ny bilaogera iray hafa, Giorgi Benashvili fa tsy nisy ny fanehoan-kevitra nanohitra mafy ity fandaharana ity, indrindra fa efa niandry ny fanafintohinana ny mpamolavola sy ny mpamokatra izany.

“Aujourd'hui, en 2009, l'éducation sexuelle à la télévision n'a plus lieu d'être. Voici la conclusion à laquelle on arrive, vu le silence qui a accueilli cette émission et auquel ni les concepteurs de l'émission ni moi ne nous attendions. Si cette émission avait été réalisée en 2001, je pense que l'effet aurait été immédiat, contrairement à ce qui se passe aujourd'hui.”

“Androany, taona 2009, tsy ilaina intsony ny fampianarana ara-pananahana amin'ny fahitalavitra. Izany no fehin-kevitra azo notsoahana, raha hita ny fahanginana izay nandray ity fandaharana ity ary na ny mpamolavola ny fandaharana na ny tenako aza dia tsy nanampo izany. Raha notontosaina tamin'ny taona 2001 ity fandaharana ity dia azoko an-tsaina fa mety eo no ho eo ny vokany, fa tsy toy ny zava-mitranga ankehitriny. “

Raha ny marina, nahatonga ny maro hieritreritra ny tsy fisian'ny fanehoan-kevitra nanohitra izany fa vonona ho amin'ny fandaharana toy izany ny fiarahamonina, na farafaharatsiny ireo izay naneho hevitra an-tserasera. Nitaraina ny lahatsoratra marobe nivoaka tamin'ny bilaogy sy ny sehatra fanakalozan-kevitra fa tsy ampy fampianarana ity fandaharana ity, araka ny fanamarihan'ity fanehoan-kevitra miiba ity .

გოგო კარგია უდაოდ. ყველაფერი ისე იყო როგორც ჩვენს ცხოვრებაში, გამომწვევი ფასადით შეფუთული ფრიგიდულობა. სექსი დარჩა ოცნებად 😀 😀

Tsara ilay tovovavy, azo antoka izany, kanefa ny zava-drehetra [ ao amin'ilay fandaharana-D. ] dia toy ny eo amin'ny fiainantsika, izany hoe ny tsy fahatairana nifono tao anatin'ny akanjo manaitaitra. Lasa nofinofy fotsiny ny fananahana 😀 😀

Nanantena ny hanao revolisiona ara-pananahana ny fandaharana kanefa tsy nahomby satria efa nandositra ny toe-tsaina hoe “tsy mila firaisana ara-nofo eto URSS” i Zeorzia. Efa lohahevitra tsy fady intsony izany ary angamba efa nisy ny revolisiona ara-pananahana, saingy tamin'ny fomba malefadefaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.