Nisokatra ny fisoratana anarana tamin'ny loka ‘Best of the Blogs’ (Bilaogy Tsara Indrindra)

(Marihina fa tamin'ny 8 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Lasa mpanentana lehibe sy loharanom-baovao ihany koa amin'ny fanovàna ara-tsosialy sy ara-politika any amin'ny faritra maro manerana izao tontolo izao ny famahanana bilaogy. Eto amin'ny Global Voices, mamoaka ny sasany amin'ny feon'ireo  bilaogera ireo izahay ary mandika izany amin'ny fiteny maro samihafa. Ny hampiroborobo ny fomba fijery maro samihafa sy ny aingam-panahy no tanjona fototra ao amin'ny vondrom-piarahamonina. Noho izany antony izany no hanohananay ny hetsika toy ny loka Best of the Blogs  .

Logo_subline

Tamin'ny 7 Desambra 2009,  nikarakara ny fifaninanana iraisam-pirenena fanao isan-taona fahaenina amin'ny loka Bilaogy Tsara Indrindra na BOBs ny Deutsche Welle any Alemaina. Nosokajiana amin'ny fiteny miisa folo samihafa ireo bilaogy vofidy.  Mpanohana ofisialy ny Global Voices Online miaraka amin'ny Reporters Without Borders, re:publica 2010, ny TV5 [fr], ny Al Arabiya [ar], sy ny maro hafa .

Tsy maintsy nikaroka izany tao amin'ny BOBs blogopedia aloha ireo rehetra izay liana tamin'ny fanolorana ny bilaoginy ary nanolotra ny bilaogy nosafidiany tao amin'ny angondrakitra fifanintsanana raha mbola tsy tao anaty lisitra ny bilaogy. Ny mpitsara no nifidy ireo mpifaninana farany. Tao anatin'ity vondron'ny mpifaninana farany ity no hisafidianana ireo mpandresy nanomboka ny 15 Martsa ka hatramin'ny 14 Aprily 2009 tamin'ny alalan'ny fanambarana ireo vato an-tserasera sy ny fifantenan'ny mpitsara.

Nambara tao amin'ny fivoriambe Re:Publica Internet  tao Berlin ny 15 Aprily 2009 ireo bilaogy sy ny rakipeo nandresy.  Natao tany amin'ny Zaikaben'ny Fampitam-baovao Manerantany Deutsche Welle ny volana Jona 2010 tany Bonn ny lanonana fanolorana ny loka.

Ho an'ireo bilaogera,  ahafahana misarika mpanjohy marobe sy ho voafidy ho iray amin'ireo bilaogera tsara indrindra ao amin'ny habaka ny BOB. Tamin'ny fotoana nanoratana dia efa nisy bilaogy miisa 15.558 no nisoratra anarana ao amin'ny blogopedia :

The Blogopedia is our international online catalogue of Weblogs, podcast and videoblogs. Each blog is entered into the database according to a variety of criteria from topic to country of origin to language. Looking for music podcasts in Brazil or food blogs in China? No problem! Just type your keywords into the search feature or browse through the categories and Tagcloud. Then join the thousands of other Bloggers who have submitted their blogs, podcast and videoblogs into the Blogopedia.

Ny Blogopedia no lisitra an-tserasera iraisam-pirenena ao amin'ny tranonkalan'ny bilaogy, ny rakipeo ary ny bilaogin-dahatsary. Voasokajy ao anaty angondrakitra arakarak'ireo fepetra isan-karazany sy arakaraka ny lohahevitra toy ny firenena niaviana na ny fiteny ny bilaogy tsirairay. Mitady rakipeo momba ny mozika any Brezila na bilaogin-tsakafo any Shina ve ianao? Tsisy olana! Ampidiro fotsiny ny teny miafinao ao amin'ny sehatry ny fikarohana na tsidiho ireo sokajy sy ny lohahevitra fototra. Midira mpikambana ao amin'ireo Bilaogera an'arivony izay efa nanolotra ny bilaoginy, ny rakipeony ary ny bilaogin-dahatsorany ao amin'ny Blogopedia.

Tamin'ity fifaninanana ity, nasongadina ny lohahevitra momba ny fiovaovan'ny toetr'andro, niaraka tamin'ny sokajin'ny loka manokana ho an'ny bilaogy sy ny rakipeo miresaka momba ity lohahevitra ity. Fanampin'izany, nanampy ny fiteny Bengali (Bangla) tamin'ny lisitr'ireo fiteny ihany koa ny BOBs.

Nendrasana fatratra ny mpandresy tamin'ity loka BOBs 2010 ity. Teto no nanolorana ny bilaogy nankafizina indrindra !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.