· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2019

Ejypta: Mpanao gazety iray hafa voaroaka

Mba hanohizana ireo andiana fanorisorenana na fandroahana mpanao gazety any Ejipta, tahaka an'i Travis Randall, Philip Rizk sy Wael Abbas; dia notazonina tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo taorian'ny nahatongavany i Per Bjorklund, mpanao gazety Soedoà sady bilaogera. Nosakanan'ny polisy izy ary naverina tany Prague tsy misy fanazavana; nolazaina taminy fotsiny fa "ao anatin'ny solosaina ny anaranao."

Kroasia, Serbia : Sainan'ny fisakaizàna

Mba ho tandindon'ny fampihavanana ny firenena roa tonta dia namorona saina nampitambarana ny an'i Serbia sy Kroatia ny tanora roa avy amin'ireo firenena roa tonta ireo. Marobe ireo Serba sy Kroaty mpisera amin'ny aterineto no naneho hevitra tamin'io vaovao io, ny sasany manameloka, raha ny hafa kosa nankasitraka.

Nanao fihetsiketsehana isak'alina ny Hongroà hanoherana ny rafi-pitsarana vaovao sy ilay antsoina hoe “Lalànan'ny Fanandevozana”

Nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny lapan'ny Parlemanta sy nanerana an'i Budapest ny Hongroà hatramin'ny nandanian'ny antoko elatra ankavanana an'i Viktor Orbán  ny volavolan-dalàna ahafahan'ireo mpampiasa mitaky asa fanampiny 400 ora isan-taona amin'ny mpiasa sy volavolan-dalàna mety hanamora ny fitoriana iarahana amin'ireo mpitsara tsy mivadika amin'ny antokon'i Orbán.