Nanao fihetsiketsehana isak'alina ny Hongroà hanoherana ny rafi-pitsarana vaovao sy ilay antsoina hoe “Lalànan'ny Fanandevozana”

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny Parlemanta Hongroà tao Budapest ny 13 Desambra 2018. Sary avy amin'i Atlatszo.hu / Márk Tremmel, CC BY-NC-SA 2.5.
Ity lahatsoratra ity dia mifototra amin'ilay tantara hoe “Hetsika Hongroà manohitra ny governemanta eo anoloan'ny Parlemanta isaky ny hariva” nosoratan'i Anita Kőműves, ahitana sary avy amin'i Márk Tremmel sy i Áron Halász ao amin'ny Atlatszo.hu, fanaovan-gazety fanadihadiana voalohany tsy mitady tombontsoa ara-bola any Hongria. Navoaka teto izany noho ny fiarahamiasa amin'ny Global Voices.
Nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny lapan'ny Parlemanta sy nanerana an'i Budapest ny Hongroà hatramin'ny nandanian'ny antoko elatra ankavanana an'i Viktor Orbán ny volavolan-dalàna ahafahan'ireo mpampiasa mitaky asa fanampiny 400 ora isan-taona amin'ny mpiasa sy volavolan-dalàna mety hanamora ny fitoriana iarahana amin'ireo mpitsara tsy mivadika amin'ny antokon'i Orbán. Na dia teo aza ny andro mangatsiaka, dia nivoaka teny an-dalambe hatramin'ny mihoatra sasakalina ireo mpanao fihetsiketsehana isak'alina – hetsika izay itsenana ny baomba mandatsa-dranomaso avy amin'ny polisy.
Nandany volavolan-dalàna roa lehibe ny Parlemanta Hongroà tamin'ny alarobia (16 des). Na dia nanohitra ireo volavolan-dalàna roa ireo aza ny antoko mpanohitra, afaka nandany ilay antsoina hoe ‘Lalànan'ny fanandevozana’ sy lalàna iray manangana rafi-pitsarana vaovao ny vondrona anjakan'ny antokon'ny fitondrana elatra ankavanana mpandala ny nentin-drazana Fidesz (Fiarahana Sivika Hongroà) .
December 12, 2018 — The day Hungary's opposition surprised A LOT of people. (wait for it) pic.twitter.com/pM6a1GsLPq
— Benjamin Novak (@b_novak) December 12, 2018
12 Desambra 2018 – Nanaitra ny maro an'isa ny mpanohitra ao Hongria. (eo am-piandrasana)
Hisaraka tanteraka amin'ny rafi-pitsarana ankehitriny ny fitsarana ara-panjakana vao noforonina. Ny minisitry ny fitsarana no hanaramaso azy ary manamora ny fampidirana ireo mpitsara tsy mivadika amin'i Fidesz ao amin'ny fitsarana ny fitsipika. Afaka manapaka amin'ny raharaha ara-politika saro-pady, toy ny kolikoly sy ny lalàm-pifidianana ary ny fahalalahana hivory ny fitsarana ara-panjakana.

Polisy milahatra eo anoloan'ny parlemanta ao Budapest, Hongria. Sary avy amin'ilay raki-tsarin'ny alin'ny hetsi-panoherana voalohany, avy amin'i Atlatszo.hu / Márk Tremmel, CC BY-NC-SA 2.5. Kitiho ny sary hijerena rakitsary.
Ilay antsoina hoe ‘Lalàna fanandevozana’ dia hampiakatra ny asa fanampiny isan-taona 250 ora ho 400 ora. Ankoatra izany, ny mpampiasa dia omena hatramin'ny telo taona handoavana ny asa fanampiny.
Araka ny lalàna, mila manaiky ny ora fanampiny an-tsoratra ireo mpiasa, saingy milaza ireo mpanao fihetsiketsehana fa hahatonga ny mpiasa ho tsy hanan-tsafidy afa-tsy ny manaiky ny fitsipika vaovao ny fanerena ataon'ny mpampiasa.
Ny alina telo voalohany tamin'ny fihetsiketsehana

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny parlemanta tao Budapest, Hongria. Sary avy amin'ny raki-tsarin'ny alin'ny sabotsy tamin'ny fihetsiketsehana faharoa, avy amin'i Atlatszo.hu / Áron Halász, CC BY-NC-SA 2.5. Kitiho ny sary ijerena rakitsary.
Hatramin'ny nandaniana ny volavolan-dalàna, nisy ny hetsi-panoherana natao teo anoloan'ny Antenimiera, ary an'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana nandeha teny an-dalamben'i Budapest ka nihiaka mafy ny teny filamatra manohitra ny governemanta, ary nanakana vetivety ny lalana sy ny tetezana. Niverina tao amin'ny Lapan'ny Parlemanta ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay nihiaka teny filamatra teo anatrehan'ny polisy misahana ny rotaka.
Na dia teo aza ny andro mangatsiaka sy ny oram-panala tamin'ny alin'ny zoma, dia mbola nivoaka teny an-dalambe hatramin'ny 1 na 2 ora maraina isa-maraina ireo mpanao fihetsiketsehana .
Many protesters were detained during 2nd night of unrests after Orbán Administration passing #SlaveryLaw. Vice President of Momentum currently at a police station, the access to her lawyer has been denied so far, @hvg_hu reports. #Budapest #Hungary Pics: @444hu pic.twitter.com/Ax1czDgfvi
— Balazs Csekö (@balazscseko) December 14, 2018
Maro ireo mpanao fihetsiketsehana notànana nandritra ny alin'ny fihetsiketsehana faharoa taorian'ny fandanian'ny governemanta Orbán ny #SlaveryLaw. Ao amin'ny tobin'ny polisy ny filoha lefitry ny Momentum amin'izao fotoana izao, tsy nekena ny fahazoany mpisolovava hatreto, araka ny tatitra avy amin'i @hvg_hu. Sary #Budapest #Hungary
Tsy tahaka ireo hetsi-panoherana tamin'ny taona lasa, nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny polisy nandritra ireo fihetsiketsehana ka nahatezitra ireo mpanao fihetsiketsehana.
They just sprayed the crowd pic.twitter.com/KfQRD9lMGO
— Benjamin Novak (@b_novak) December 12, 2018
Nandefa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ny vahoaka izy ireo
Nampiasa baomba setroka ireo mpanao fihetsiketsehana, nandoro mosoara sy gazety ary vaky ny varavarankely iray tao amin'ny Parlemanta noho ny vato natoraky ny mpanao fihetsiketsehana iray

Hetsi-panoherana tao Budapest, Hongria. Sary avy amin'ny rakitsary tamin'ny alina fahatelo amin'ny hetsi-panoherana, avy amin'i Atlatszo.hu / Márk Tremmel, CC BY-NC-SA 2.5. Kitiho ny sary ijerena rakitsary feno.
Nitohy ny hetsi-panoherana ny Alahady tolakandro tao amin'ny Kianjan'ny Maherifo. Nilaza fa hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana ireo fikambanan'ny mpianatra, ny antoko mpanohitra, ary ny sendikà.
Thousands of Hungarians are protesting at the public broadcaster because of its continuous propaganda. pic.twitter.com/TfIAUIKX4G
— Mérték Média Monitor (@MertekMonitor) December 16, 2018
Olom-pirenena an'arivony no manao hetsi-panoherana ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana noho ity fampielezan-kevitra mitohy ity
Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny foiben'ny televizionam-panjakana ny polisy. Nanadihady ny fivoaran-draharaha i Atlatszo.hu tamin'ny famoahana lahatsary mivantana avy amin'ny sehatra tao amin'ny Facebook.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...