Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2021
Ny aorian'ny #EndSARS: Ny fandraràna ny Twitter sy ny dikan'izany ho an'ny tanora Nizeriana
Nanaporofo feno ny vaikan'ny media sosialy raha ampiasaina hanandratana ny feo ny hetsika nanerana ny firenena #EndSARS hanoherana ny herisetran'ny polisy, hetsika iray izay toy ny tadio tao amin'ny firenena tamin'ny volana Oktobra 2020.
Nivadika revolisiona sy fiafenana an-tsisintany ny orinasa makiazin’ ilay mpanakanto mpanao makiazy LGBTQ any Myanmar
"Fantatro fa tsy natao ho [amin'ny hetsika miaramila] ny heriko, .... Hitako ho toy ny andry hanampy ny revolisiona ho mpandresy fotsiny ny tenako."
Fiainana nandritra ny valan'aretina: Antsafa nifanaovana tamin'i Eaten Fish, mpanao sariitatra mpitsoa-ponenana teo aloha, natao sesitany
"Te hiteny amin'ny namana mpanakanto hafa aho fa tsy tokony hitsahatra hanandrana izy ireo, tsy tokony hitsahatra hikaroka ary tsy tokony hatahotra mihitsy ny hizara ny heviny."
Ao Torkia, olompirenena iray migadra noho ny fanompana ny filoham-pirenena
Hatramin'ny naha-voafidy azy ho filoha tamin'ny taona 2014, manodidina ny "100.000 ny olona voampanga ho manaratsy ny filoha," sy manitsakitsaka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana
Fifandirana ara-bola momba ny trano fonenana, fifampitifirana nahafatesana olona dimy tao Kazakhstan
Namoahan'ny fitsaràna didy ny handroahana ankohonana kazhak iray tsy nahavita nandoa ny trosany tamin'ny banky. Notifirin'ilay raim-pianakaviana ireo manampahefana notendrena hampihatra ilay fanesorana.
Mihamafy ny fanelezana vaovao diso amin'ny fahatongavan'ireo mpitsoa-ponenana Afghàna any Makedonia Avaratra
Tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena Skopje tamin'ny alin'ny 30 aogositra ny vondrona voalohany ahitana olom-pirenena Afgàna miisa 149. Mampandroso ireo mpitsoa-ponenana ny governemanta sy ny firaisamonim-pirenena, manararaotra ny mahazo azy ireo ny nasionalista elatra havanana ka manely fandisoam-baovao sy fankahalana.