Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2009

09 Mey 2009

Irana: ho fiarovana ireo Baha’i vitsy an'isa

Voatsindry hazo lena hatramin’izay ireo  Baha’i vitsy an'isa, ary hita ho toa miharatsy izany toe-javatra izany. Tsy ela akory izay  dia niampanga mpitarika fito tao amin’ny sampam-pitsikilovana Baha'i ny manampahefana Iraniana. Ireo Baha’i ihany no miteny fa anaovana antsojay izy ireo noho ny finoana arahany. Tamin'ny volana lasa iny dia...

Iran: Tsy hisy mofomamy omena ny vehivavy Iraniana amin'ny andro natao ho azy ireo

Na tsy mankato  ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy aza ny governemanta Iraniana ary nanàkana ireo vehivavy mafana fo niketrika sy nanoman-javatra ho fankalazana io andro io efa ho  30 taona lasa izay,  dia nahatsiaro ny 8 Marsa hatrany ny mpitoraka blaogy Iraniana sy ireo vehivavy mafana fo hanomezam-boninahitra ny...

06 Mey 2009

Iran: Novonoina ho faty i “Voafonjan'ny loko”

Novonoin'ny fitondram-panjakana Iraniana tamin'ny Zoma maraina tamin'ny faha-23 taonany ny tovoavy 23 taona antsoina hoe Delara Darabi Delara Darabi , izay voaheloka ho namono olona tamin'ny faha-17 taonany ary notazonina nandritra ny taona maro tao amin'ny Fonjaben'i Rasht Central. Nahazo ny lazan'ny anarana ho “voafonjan'ny loko” i Delara noho ny...