Iran: Tsy hisy mofomamy omena ny vehivavy Iraniana amin'ny andro natao ho azy ireo

Na tsy mankato  ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy aza ny governemanta Iraniana ary nanàkana ireo vehivavy mafana fo niketrika sy nanoman-javatra ho fankalazana io andro io efa ho  30 taona lasa izay,  dia nahatsiaro ny 8 Marsa hatrany ny mpitoraka blaogy Iraniana sy ireo vehivavy mafana fo hanomezam-boninahitra ny vehivavy ao Irana sy manerana ny tany.

Nanao latsakemboka ho an’I Aliyeh Eghdam Doust, vehivavy mafana fo voafonja, ireo blaogy sy tranonkala samihafa toy we-change sy ny  feminist school.

Anisan’ireo voasambotra tamin’ny 12 Jona 2006 i Aliyeh Eghdam Doust, nandritry ny hetsika am-pilaminana tao Teheran ary nahazo famonjana telo taona ho setriny. Miasa mafy tokoa ireo  vehivavy mafana fo mba hanafàhana azy.

Ny fikambanana Rahavard, ivon-toerana ara-kolotsaina Iranianina ao Alemana, dia nandefa ny karatra firarian-tsoa etsy ambony ho an’i Aliyeh,  izay mivaky toy izao: Miarahaba anao sy ireo vehivavy iraniana rehetra voafonja nahatratra  ny andron’ny vehivavy.

Araka an’ i Siprisk[fa], mpitoraka blaogy iranianina,  dia tokony hisaina lalina isika momba ny “zava-misy” samihafa mianjady amin'ny vehivavy ao amin’ny fireneny. Ambarany fa ireo vehivavy iraniana dia iharan'ny tsindry hazo lena avy amin'ny fanjakana, ny fianakaviany, ny sekoly sy ny anjerimanontolo, ny fivavahana sy ny fomban-drazana”.

Mampahafantatra antsika I We-change fa tsy nanome alàlana ny vehivavy iraniana hanao fihaonana tao Teheran ny mpitandro ny filaminana tamin’ny 8 Marsa,  ary dia nahavita nàka mihitsy ny mofomamy hitantsika eto ambany izay nokarakarain’ireto vehivavy mba hankalazàna ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.cake

Namoaka hafatra izay nolazainy fa avy amin'ireo mpitoraka blaogy maro i Deemohsen. Ity hafatra ity dia milaza fa ataon'ny fanjakana anjorom-bala ireo vehivavy ao Irana, ary anentanany koa fa tokony hajaina ny zon’ny vehivavy araka ny fifanarahana iraisam-pirenena  nosoniavin’i Iran.

Namoaka sary lehibe momba ny 8 Marsa i Eshterak izay anasàna ny vehivavy hamboraka ny olana mahazo azy ireo satria ny fahanginana = fahafatesana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.