Haiti: Fihetsiketsehana hanoherana ny Firenena Mikambana vokatry ny kôlera
Telo andro taorian'ny fanambarana ny trangan'aretina kôlera voalohany tany Haiti, The Life and Times of the Mangine Many namoaka tao amin'ny bilaogy:
Tena marina? kôlera?
Nataoko fa efa tsy nisy intsony ny fivoaran'ny kôlera taty andrefana.
Ankehitriny, ny tena ratsy dia eto izy, eto Haiti.
Hatramin'izao dia 138 no maty.
Nivadika ho aretimifindra nyfitokana-monina, ary mitombo isa isan'andro ny maty. Haiti, izay efa tsy zarizary ara-pitaovana hiatrehana ny aretina tahaka itony, no miezaka mandroso hatrany hanarina ny potika taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 janoary lasa teo – efa ho herintaona aty aoriana, mbola mipetraka anaty trano lay foana ny ankamaroan'ny mponina.

Fanoherana ny Firenena Mikambana tao Port-au-Prince, Haiti. Sary nalefan'i melindayiti, nahazoana alalana tamin'i Bri Kouri Nouvèl Gaye (http://brikourinouvelgaye.com/)
Ho fanampin'ny fahatezerana vokatry ny fahantrana- dia mandeha ny resaka fa vokatry ny “dikin'ireo miaramila misatro-manga avy any Nepal” no nahatonga ny aretina.” Efa tsy tsiambaratelo fa ny andiany mpitandro ny filaminana fantatra amin'ny hoe MINUSTAH, no malaza amin'ny korontana any Haiti ; tena mahitsy be ny mpitoraka bilaogy amin'izay resaka izay, ary fanadihadihana vao haingana tany an-toerana no manontany raha ny “fanakorontanana” no dikan'ny tsy fankatoavana.
Amin'izay lafiny izay, ny antony nilazana fa ny MINUSTAH no nitondra ny valan'aretina kôlera tany Haiti (izay nolavin'ny Firenena Mikambana) dia rano kely nahatondraka ny ony. Raha mitombo hatrany ny marary ao Port-au-Prince renivohitra, dia mitombo tahaka izay koa ny fanoherana ny Firenena Mikambana.
Tamin'ny voalohan'ny herinandro, raha efa saika nihoatra ny arivo ny marary dia namoaka lahatsoratra tao amin'ny Inter-Presse i Mediahacker :
Farafahakeliny dia olona mpanao fihetsiketsehana roa no maty, ny anakiray voan'ny bala avy any an-damosiny, hoy ny fampahalalam-baovao any an-toerana. Nanda izany kosa ny miaramila misatro-manga ka niteny fa fiarovan-tena no nataon'izy ireo.
Manao sakan-dalana ireo mpanao fihetsiketsehana sady mitoraka amin'ny vato sy amin'ny tavoahangy. Tobin'ny polisy roa no may.
Mitatra hatrany Hinche sy Gonaives any Haiti koa ny fihetsiketsehana, ireo tanàna ireo koa ravan'ny kôlera.
Miampanga ireto miaramila vahiny ho nitondra ny valan'aretina kôlera tany Haiti ireto mpanao fihetsiketsehana ireto. Ny Foibe Amerikana momba ny Fisorohana sy Fanaraha-maso ny Areti-mifindra no miteny fa ity viriosy miparitaka any Haiti ity dia mitovy amin'ilay nitondra ny areti-mifindra tany Azia Atsimo.
Araka ny sary navoaka, olona 200 000 no ahiana harary izay vao mety ho voafehy ny aretina, izay mety haharitra hatramin'ny enim-bolana izany.
Hatramin'izao aloha dia olona 900 no maty, tapa-bolana mialoha ny fifidianana (izay notontosaina ny 28 novambra).

Manao maloto any amin'ny renirano ny MINUSTAH" – Sary nalefan'i melindayiti, nahazoana alalana tamin'i Bri Nouvèl Gaye (http://brikourinouvelgaye.com/)
Manasaro-javatra koa ny fifidianana hokasaina hotanterahana ato ho ato. Milaza noho izany ny Firenena Mikambana sy ny fanjakana fa fihetsiketsehana miharo politika ireny fihetsiketsehana ireny. Ho fanoherana izany fomba fijery izany, HaitiAnalysis.com namoaka ny resadresaka nifanaovany tamin'ny filoha teo aloha mialokaloka any ivelany (sady mpitarika ny antoko Fanmi Lavalas ) Jean Bertrand Aristide:
Nanontany aloha ny filoha Aristide momba ny nahatongavan'ny aretina kôlera ary avy eo izy nanameloka ireo mpanongam-panjakana nanongana azy tamin'ny 29 febroary 2004. “Mikasika iny fanonganam-panjakana / fangalana an-keriny tamin'ny 2004 iny dia efa nanamboatra sahady ny toerana ho an'ny mpanjanaka, izay soketaina indray ankehitriny fa tompon'andraikitra amin'ny valan'aretina ary tokony ho tompon'andraikitra koa”, hoy ny fanambaran'ny filoha Aristide.
Mediahacker no loharanom-baovao mikasika ny zava-misy any Haiti:
Andro fahatelo amin'ilay hetsika “Fihetsiketsehan'ny kôlera” ho fanoherana ny miaramila vahiny izao, izay lazaina fa nitondra ny aretina tany an-toerana.
Misy milaza fa ireto mpanao fihetsiketsehana ireto dia “chimères” izany hoe jiolahy karamain'ny mpanao politika any an-toerana.
Rehefa tonga tao Cap Haitien izahay, dia tsy nisy olona ny arabe rehetra, ankoatry ny andian'olona eny amin'ny sakan-dalana. Mbola mirehitra ny anankiray amin'ireny sakana ireny. Eo amin'ny anankiray hafa kosa, olona am-polony no hita manodidina fiara iray may tanteraka.
Faly be aho fa nisy lahiantitra iray niresaka tamiko antsoina hoe Amos Ordena, Kazek ao an-tanàna – ny Kazek dia olona nofidiana ho mpitsara amin'ny lafiny fandriam-pahalemana.
Nanontaniako izy momba ny fihetsiketsehana raha olona voatokana ihany no manao izany na ny vahoaka rehetra, dia novaliany fa ny olona rehetra tsy an-kanavaka no mandray anjara amin'ny “hetsika”. Nolazainy fa tsy manao tifi-danitra izany ny MINUSTAH hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana fa tena mitifitra olona mihitsy izy ireo. Henony fa farafahakeliny dia olona roa no maty tamin'io andro io.
Apetrako ny fanontaniana amin'izay mifanena amiko rehetra – ny mpanao gazety,ny mpivarotra eny amoron-dalana, ny olona miambina sakana, ny mpahay lalàna any an-toerana – hahalalako raha homanin'ny jiolahy ireny hetsika miharo korontana ireny, na ataon'ny mpanao politika.
Ny valiny iraisana dia hoe : tsia. Efa leo tanteraka ireo miaramila misatro-manga ny mponina, ka ny valan'aretina kôlera no baomba nampipoaka ny rehetra.
Nokendrena tsy hahamari-toerana ny fitondrana ve ny fihetsiketsehana ho fanoherana ny Firenena Mikambana? Saribakolin'ny mpanao politika izay tsy mitady afa-tsy ny tombotsoany ve ireo olona mpanao fihetsiketsehana ireo? Mahery setra ve ny hetsika?
Milaza ireo vahiny niresaka tamiko fa eny ny valiny. Fa ny ankamaroan'ny Haisiana kosa milaza fa tsia. Nolazainy fa zavatra tsy azo ihodivirana izao, satria ny miaramila napetraka tany Haiti izay noheverina fa ny miaraka aminy tsy ho voasazy no eritreretina fa nampiditra valan'aretina mahafaty tany an-toerana, ka nampitombo ny fahantrana indray. Fihetsiketsehana vokatry ny fahatezerana izao – toherina amin'izay heveriny fa mety izany, matanjaka be ny fihetseham-po – hanoherana ny fanjanahan'ny vahiny efa ho dimy taona izao .
Ny Twitter no ahitana ny vaovao farany rehetra mikasika ny zava-misy rehefa mitady ny teny fototra #Haiti, #UN sy #Cholera.
Eto ny famintinana ny korontan'ny kôlera hanoherana ny Firenena Mikambana.
Sokajy

Hiresaka koa
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Fantaro i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, hitantana ny kaonty Twitter...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
1 hevitra