Mahazo tosika atsasa-miliara dôlara avy amin'ny banky lehibe ny indostirian'ny famoronana eto Afrika

Pikantsarin'efijerin'ny artista D'banj nikabary tao amin'ny Faran'ny herinandro CAX tao Cairo, Egypta, 2018. Niteny tamin'ny mpampiasa vola i Dbanj fa “ny votoaty no solika tsy voadio manaraka” ary tokony hajaina fatratra.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nitombo ny anjara toeran'ny orinasa ara-kolontsaina sy ara-pamoronana tany amin'ireo toekarena andalam-pandrosoana, eo amin'ny sehatry ny fandraisana anjara ara-toekarena sy ny fiantraikan'ny heriny eo amin'ny fanovana ara-tsosialy sy fanolorantena ara-kolontsaina.

Tamin'ny taona 2013, niandohan'ny vola 2.250 miliara dôlara amerikana izay mahazaka [asa] fidiram-bolan'olona 29,5 tapitrisa manerantany ny indostirian'ny kolontsaina sy ny famoronana (CCI) [saingy] 3 isanjato monja amin'izany asa izany monja no avy eto Afrika sy Afovoany Atsinanana, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNESCO antsoina hoe “Cultural time” tamin'ny taona 2013.

Noho izany antony izany no nahatonga ny African Export-Import Bank (Afreximbank) sy ny fiaraha-miasan'ny UNESCO mbamin'ny Vondron'ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana, nandrafitra ny Creative Africa Exchange (CAX na Fifanakalozana Ara-Pamoronana Afrika) ho “fanoitra mampiaraka ny bainga (actifs) sy ny fitaovana fantatra ho ao amin'ny indostirian'ny famoronana” ho fanamafisana, hamadihana ho vola ary hampisy fiantraikany ny toekarena ara-pamoronana sy ara-kolontsaina afrikana, araka ny tranonkalan'ny CAX. NIvoaka voalohany ny CAX nandritra ny Foaran'ny Fifanakalozam-Barotra Anatin'i Afrika tao Cairo, Egypta, tamin'ny Desambra 2018.

Tonga niaraka tao amin'ny Faran'ny Herinandron'ny Fifanakalozana ara-Pamoronana Afrika tao Kigali, Rwanda, ireo Afrikana manantalenta eo amin'ny sehatry ny hira, zavakanto, fanaingoana, lamaody, literatiora, famoahana, filma ary televiziona tamin'ny 16-18 Janoary 2020. Ny dokambarotra ataony ilazany azy dia hoe “lanonana kaontinantaly voalohany natokana hampiroboroboana ny fifanakalozana ao amin'ny indostirian'ny famoronana sy kolontsaina eto Afrika,” izay nahazo mpandray anjara mihoatra ny 2000 avy amin'ny firenena 68.

Mpandray anjara 2000 mahery avy amin'ny firenena 68 no antenaina ho tonga amin'ny faran'ny herinandron'ny CAX ao Kigali

Tamin'ny andro faharoa tao amin'ny lanonana tao Kigali ny profesora Benedict Oramah, filohan'ny African Export-Import Bank (Afreximbank) nanambara ny famatsiambola 500 tapitrisa dôlara US “ho fanohanana ny famokarana sy ny fifanakalozam-barotra ara-kolontsaina sy vokatra ara-pamoronana afrikana” ao anatin'ny roa taona manaraka, hoy ny tatitry ny New Times Rwanda.

Nolazain'i Omarah tamin'ireo vahiny tao amin'ny lanonana fa ny vatsy, izay miorina eo amin'ny efa ataon'ny banky rahateo, dia efa vonona amin'ny talantalan'ny vola azo indramina amin'ny banky, famatsiambola mivantana amin'ireo mpandraharaha sy ho atao antoka. Nolazainy fa “raha lalina ny dobon'ny talenta ao Afrika, dia tsy ampy fotodrafitrasa sy habe izany ahafahana mivarotra ilay talentam-pamoronana ao aminy” sy mijinja ilay harena midadasika efa miandry, araka ny Afreximbank. Notohizany ny teny:

Because of underinvestment in the creative and cultural industries, Africa is largely absent in the global market of ideas, values and aesthetics as conveyed through music, theater, literature, film and television. African countries import overwhelmingly more creative goods than they export or trade amongst themselves.

Noho ny tsy fahampian'ny fampiasam-bola eo amin'ny indostirian'ny famoronana sy ara-kolontsaina, tsy hita eo amin'ny tsenan'ny hevitra, sanda ary ny hatsarana entina amin'ny alalan'ny mozika, teathra, literatiora, filma ary televiziona i Afrika. Manafatra vokatra ara-pamoronana be dia be mihoatra lavitra noho izay aondrany na ifanakalozany ny firenena Afrikana.

Noderainy ny “fitomboana izaitratra eo amin'ny fanondranana ara-pamoronana tao anatin'ny folo taona” nataon'i Egypta. Tamin'ny Desambra 2019 ny Afreximbank nomem-boninahitra tao amin'ny International Fashion Awards (IFA na Lokan'ny Lamaody Iraisampirenena) tao Cairo noho ny anjara andraikiny tamin'ny fanohanana ny indostirian'ny famoronana tao Afrika. Noderain'i Omarah ihany koa ny indostiria Nollywood ao Nizeria.

Tao amin'ny Twitter, nampiseho ny fankasitrahany tamin'ny fivoriana notontosaina tao amin'ny foiben-kaoferansa Intare tao Kigali ireo mpanatrika:

Siki Jo-An, mpihira iray avy ao Afrika Atsimo, niantso ny lanonana ho “mampitolagaga:”

Mahatalanjona ny faran'ny herinandro CAX teto Kigali, Rwanda ??
Androany aho nihira tao amin'ny Lanonan'ny Africa Forum Corporate. Tiako ny asako!
?Midrand, Afrika Atsimo. ??

Safononoka tanteraka tamin'ny fampisehoan'i Marina Debol, mpihira iray avy ao Rwanda, ny mpikarakara ny weekend CAX:

Mbola miaina hatrany ny sasany amin'ireo fotoana tena nankafizinay avy amin'ny faran'ny herinandro CAX ary ao anaty ny lisitray tanteraka ny fampisehoana mampihetsipo avy amin'i Marina Debol

Niteny tao amin'ny Weekend CAX taona 2018 tao Cairo, niteny tamin'ireo tompom-banky sy mpampiasa vola ilay artista Nizeriana D'Banj:

What we need is for you guys to really understand is that content is the new crude oil and however well you respect the oil industry you have to respect the creative industry.

Ny ilainay aminareo ry zalahy dia ny hahatakatra marina hoe ny votoaty izao no solika tsy voadio vaovao ary na tsara aza ny fanajanareo ny indostirian'ny solika dia mila manaja ny indostirian'ny famoronana ianareo.

Ny Weekend CAX 2020 izay vao vita dia ho arahan'ny Herinandro CAX izay ho ankilan'ny Foaran'ny Fifanakalozam-Barotra Anatin'i Afrika faharoa (IATF2020) izay hotontosaina ao Kigali amin'ny 1-7 Septambra 2020 ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.