(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktôbra 2010, ary raha tsy misy fanamarihana manokana, dia rohy mankany amin'ny teny anglisy ny ato anaty lahatsoratra)
Ireo tany tsy fahita firy dia ilaina amin'ny: fanamboarana ireo fitaovana ilain'ny teknolojia avo lenta, toy ny finday, ny vatoaratra, ny fàfana amin'ny fahitalavitra sy ny solosaina ary maro hafa tsy àry ho tanisaina. Raha ny tarehimarika tamin'ny 2009, i Shina no manana ny 36% amin'ny tarihy erantany amin'ny tany tsy fahita firy (36 tapitrisa taonina), nefa miantoka ny 97% amin'ny fitrandrahana manontolo ataony.
Hatramin'ny Septambra, rehefa injay i Shina nampiato vonjimaika ny fanondranany ireo tany tsy fahita firy nankany Japàna, vokatry ny ady tany ao amin'ireo nosy Diaoyu, niakatra ny fihenjanana momba ny tolotra tany tsy fahita firy, ary dia niditra tamin'ilay resaka ny firenena hafa. Nanamafy ny Federasiônan'ny Indostria Alemàna fa “lasa resaka jeopolitika” ireo tany tsy fahita firy, na teo aza ny fanambaràna nataon'ny governemanta shinoa fa “tsy ho atao fitaovana fanambàzana izy ireny“. Fivoarana faramparany tamin'io raharaha io, omaly ny sekreteram-panjakana amerikàna dia nilaza tao anaty antsafa iray ho an'ny mpanao gazety fa manantena an'i Shina hanohy tsy misy sakantsakana ny tsenambarotry ny tany tsy fahita firy.
Izay ny eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Fa ao anatin'ny firenena kosa, miaraka amin'ny fitomboan'ny fihetsehampo miaro tanindrazana, betsaka amin'ireo shinoa ao amin'ny tanibe no mankasitraka ny fameperana nataon'ny governemanta amin'ny fanondranana ireo tany tsy fahita firy.
Ny tantaran'ny fanondranana ireo tany tsy fahita firy
Raha ny marina dia tamin'ny taona 2009 no nanombohan'ny adihevitra momba ireo tany tsy fahita firy. Tamin'izany fotoana izany sahady, efa resaka fiarovampirenena no hitan'ilay bilaogera SMPB tao anatiny. Ampahatsiahivin'io bilaogera io ny tantaran'ireo fanondranana tany tsy fahita firy nataon'i Shina :
在2002年的一份有关中国“入世后稀土产业的六大趋势”的官方报告里,中国对稀土资源的认知还普遍停留在对一般矿产资源的认知里,在那种全面拥抱WTO的开放心态作祟下,如何让国有的稀土资源赚更多的钱、如何掌握定价权,以及如何拓宽销售渠道及使其开放模式现代化是那时中国稀土贸易的主导话语权。
但2009年4月,中国国土资源部发布新的《稀土矿开采总量控制指标》,并进一步降低了国内的产能,并继续冻结新的开采许可证,与此同时,中国更针对包括稀土在内的工业原材料… 实行限制出口和加收出口赋税及费用,这 一决定在欧盟、美国和日韩都引起强烈反弹,6月22日欧盟与美国将在正式要求与中国针对此事进行协商,若协商破裂,下一步将是要求世界贸易组织(WTO) 小组受理申诉。欧盟消息人士还称:“中国已经对这些原材料施加了不公平的出口配额和关税,这样做扭曲了全球市场并损害了欧洲和美国企业。”
Resy lahatra ilay bilaogera hoe resaka fiarovampirenena no anton'ireo fameperana:
这次被欧美拖去WTO仲裁的20余种工业原材料与澳大利亚的铁矿石相比还有另一重更深刻的意义:国家安全―― 尤其是世界储量最巨的稀土资源,更是人类现代高科技武器最重要的原材料之一,而之前中国在此方面的大量出口失控从某种意义上说,已经造成了帮助国外的高科 技武品进步而危害自身战略安全甚至全球战略稳定的坏局,所以,中国限制其出口和欧美反对中国限制出口都有WTO所无法备述的重要战略原因。
Fandementsaina iraisampirenena ve?
Amin'izao dingana vaovao misy ny adihevitra izao, ity bilaogera ity, miaramila tranainy, dia mahita koa ao anatin'ilay raharaha ny fisiana tsindry iraisampirenena atao amin'i Shina. Ity no lohatenin'ny bilaoginy “Manao tsindry amin'i Shina ireo hery vahiny mba hanondranany ireo tany tsy fahita firy”. Tatitra iray no tanisain'ilay bilaogera, Singa tany tsy fahita firy : ny rojom-pamatsiana erantany (pdf [amin'ny teny anglisy]) nosoratan'i Marc Humphries, mpandalina ny politika momba ny angovo, ary tsipihany ny hoe :
按人均储量算,美国和俄罗斯都要高于中国。而因为处于产业下端,中国以全世界三分之一的储量生产出占世界97%的稀土,储量和产量之间的关系出现了严重不 对等。而美国坐拥全球稀土资源的13%,却分文不动,百分之百地“依赖”进口。所谓中国限制稀土出口引起了一些国家稀土供应短缺的说法并不真实,应该说, 它们短缺的不是稀土,而只是中国生产的廉价稀土。
Misy akony any amin'ireo sehatra fifampiresahana anaty aterineto ireo kabary nasiônalista mandresy lahatra. Ao amin'ny Baidu Tieba, ampangain'ny betsaka ho mpamadika tanindrazana ireo mpanao risoriso ny tany tsy fahita firy. Raha naneho hevitra tamin'ireo vaovao vao haingana momba ny fanondranana an-tsokosoko ireo tany tsy fahita firy, nanoratra i Dandelion (成长的蒲公英a) hoe:
为了自己利益,你们就可以出卖国家利益?中国现在是个发展中国家,距离发达国家还有很遥远的距离,这最关键的问题,自然是经济!那些发达国家说中 国人爱占小便宜,不尊重中国人可他们呢,净占大便宜!不想让自己的资源流失,不想破坏自己国家环境,就来买中国的稀土!别看那一点稀土卖1亿多,在国际市 场上,稀土远远超出这个价,黄金当作白菜卖!就算你现在富可敌国,那又怎样呢,在外国谁会晒你?只有让我们的综合国力增强,经济迅速发展,我们在可以真正 地在外国人面前抬起头,可以骄傲地说:我是中国人!那就让我们从现在做起吧,不要再为了一点私利而破坏了国家整个政策,我们13亿人一起努力,团结的力量 才有凝聚力和战斗力,相信中国的明天会更加辉煌!(另外,鄙视美国人.日本人….鄙视为私利贩卖稀土的,你买的不仅是稀土,还有中国人的尊严,中国的 发展!青岛那人你真有病,忘记南京大屠杀了,还买给日本人,你不怕它发展原子弹第一个炸的就是你?)
Fa iza loatra no nandray tany am-boalohany tany ny fanapahankevitra hivarotra ireo tany tsy fahita firy? Tao amin'ny Baidu Teiba, YierYier Wei manome tsiny mafy an'ireo mpandray fanapahankevitra, ary tsy taraiky tamin'ny fikendrena ireo tomponandraikitra mpanao kolikoly ireo fihetsehampo nasiônalista :
唉呀咿呀喂: 中国的当权者,你们不会知道稀土有多重要
124.231.90.*: 他们只知道花天酒地,大贪特贪!
思念szy: 毕竟官员不是直选的,所以民意没太大作用
欧古利斯: 他们卖完之后都移民都国外去了,哪管我们的死活,所以不止要封锁稀土,官员也必须封锁,不准他们移民
YierYierWei: Fitantanana shinoa, tsy ho takatrao velively ny lanjan'ireo tany tsy fahita firy.
124.231.90.*: Ny hany fantatr'ireo, aiza no azo hihinanana sy hanararaotana ny fiainana, ary mameno ny paosiny isaky ny afaka manao izany.
Missing szy: Tsy olona nofidiana ireo manampahefana ao anatin'ny governemanta. Tsy misy dikany izay fanehoankevitry ny vahoaka.
Aukulisi: Rehefa lafon-dry zareo daholo ireo tany tsy fahita firy ananantsika, hifindra any amina firenena hafa ry zareo. Tsy misy iraharahian-dry zareo antsika, na ho faty na ho velona. Ankoatry ny kenda roroka atao amin'ireo tany tsy fahita firy, tsy maintsy sakanana tsy hifindra monina ireo manampahefana ao anatin'ny governemanta.