· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Aogositra, 2018

Kambodza : Ny Politikan'ny Vary

[...] vokatry ny fampanofàna tany kambodziana amin'i Vietnam mpifanila vodirindrina aminy mba hahafahany mampitombo ny velarantany fambolena ho an'ny sehatry ny indostriam-pambolena[...] Mampanahy an'i Yeap ny zavamisy sao hivadika ho titra filazana ny maha-tompon'ny tany ireo fifanarahana [...] endrika mampiavaka ny kolontsaina kambodziana ny vary

21 Aogositra 2018

Kazakhstan: Fahatapahan'ny herinaratra tany Almaty

Ny Alarobia 15 Aprily 2009, noho ny fahavoazana teo amin'ny taribin-jiro mitondra herinaratra Toktogul-Frunze (tariby lehibe indrindra ao amin'ny Repoblika Kyrgyz) dia tapaka ny herinaratra tany amin'ny ankamaroan'ny orinasa sy ny tranobe lehibe ao an-tanàndehibe avaratr'i Kirghizistan sy atsimon'i Kazakhstan.

17 Aogositra 2018

Shina: Miloa-bava ireo mpisera MSN voakatona

Niharatsy hatrany ho an'ireo mpisera any Shina ny tolotra MSN satria nanova ny kaonty Passport ho Live.com ny Microsoft vao haingana. Taorian'ny nanoratan'i Frank Dai, bilaogera ao amin'ny Global Voices Online lahatsoratra momba io olana io, tapa-bolana lasa izay, nanomboka nampiaka-peo ireo mpampiasa MSN Messenger, Hotmail sy MSN Spaces.

15 Aogositra 2018

India: Nampihitsoka ireo mpandeha tao Kerala ny fiara-dalamby nosakanana

Mampiseho ireo fiara fitaterana irate tao amin'ny gara Angamali ao amin'ny faritany atsimon'i India ao Kerala ny lahatsary manaraka nampidirin'ilay mpisera Youtube peshaku, sempotra izy ireo noho ny karazana fihetsiketsehana manokana izay nampiato ny asany ireo mpiasa. Atsoina hoe Harthal (Hartal) ny zava-nitranga ary nanjary olana hatrany tao Kerala.

11 Aogositra 2018

Libanona: Arabnet niady hevitra momba ny hoavin'ny Aterineto Arabo… amin'ny teny Anglisy

Fihaonambe teknolojika natao tany Beirota ny 25-26 Martsa 2010 ny Arabnet 2010. Ity no fihaonambe iraisampirenena voalohany tamin'ny indostirian'ny Aterineto Arabo, izay nihaonan'ireo mpanapa-kevitra avy any Afovoany Atsinanana, Eoropa ary avy any Silicon Valley mba hiresahana ireo fironana farany sy ireo varavarana manomboka misokatra.

11 Aogositra 2018