· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2018

Fahasalamana: Finday Ampiasaina Ho Amin'ny Fahasalamana

  16 Mey 2018

Fikambanana telo mpanao asa soa no nanambatra ny heriny mba hanolotra ireo fikarakaràna mendrika indrindra amin'ny resaka fahasalamana, amin'ny alalan'ny fampiasana ireo finday sy ny informatika. Zavatra manokana katsahan'ireo hetsika teknolojia finday ireo ny hanatsaràna ireo tolotra amin'ny fahasalamana any anatin'ireo firenena andalam-pandrosoana.

Shina: Hira Avatar vaovao, aingam-panahy avy amin'ny fandroahana an-terisetra

  15 Mey 2018

Miorina amin'ny fomba fahitan'ny Shinoa marobe ny sarimihetsika Amerikanina Avatar, ny "sarin'ny fandravana mahery setra amin'ny fiainanay andavanandro", namoaka antserasera hala tahaka tamin'ny hiran'ny sarimihetsika ny vondrona mpanakanto lahatsary sy hira, Zhou Hongtao, Gong Kaijie ary ilay mpihira Lizi, ka nisary endrika Shinoa ny lohateny hoe 'Fandroahana an-kalamanjana'.

Japana: Ny Ady Atrehan'Ireo Mitondra Ny Otrikaretina VHC

  14 Mey 2018

Tsy zava-baovao ao Japàna intsony ny tantaran'ireo fanomezana rà maloto. Ny taona 1980, marary maro nanaraka fitsaboana mikasika ny tsy fahampian-drà no nahazo ny otrikaretina VIH vokatry ny rà maloto nampidirina taminy, nohon'ny tsy fahampian'ny fanarahamaso avy amin'ny governemanta sy ireo Orinasa fivarotampanafody mahakasika ny fanapahankevitra tany aloha noraisin'ny FDA hanaisotra ny fankatoavany ireo vokatra.

Shina : Olona Mpiahy Ireo Blaogera Mafana Fo?

  10 Mey 2018

Ahoana no hamaritana ilay blaogera MSN Spaces roa amby roampolo taona Zeng Jinyan? Loza mitatao ho an'ny filaminan'ny firenena ve ? Mpikatroka mafana fo miady amin'ny SIDA izay mitondra fanohanana, fifaliana ary fanantenana ho an'ireo kamboty tsy tambo isaina nateraky ny otrik'aretina SIDA ve ? Vehivavy tanora iray lasa mpanao hiringiriny taorian'ny nakan'ny fanjakana an-keriny ny vadiny nandritry ny iray volana mahery ? Mpiahy mitondra tenin'ireo niharan'ny tsy rariny ao anatin'ny faribolana sosialy ao Shina kanefa tsy mahateny ve ?