
Vondrona Maleziana Bersih nandritra ny famoriam-bahoaka mitaky ny hanaovana fifidianana madio sy marina. Sary: Facebook
Taorian'ny 60 taona nitondran'ny antoko mpitondra tao Malezia, resy ny Barisan Nasional (BN) tamin'ny Fifidianana faha-14 (GE14) tamin'ny 9 May 2018.
Najib Razak no lohan'ny governemanta tantanan'ny BN izay nanana raharahan-kolikoly maro. Lasa vao mainka nalaza ratsy ihany koa i Razak rehefa niezaka nanafoana ny fitakiana tamberin'andraikitra sy mangarahara tamin'ireo fiampangana ho nanao kolikoly ireo.
Dr. Mahathir Mohamad, 92 taona, ankehitriny no mitantana an'i Malezia izay efa Praiminisitra nandritra ny 22 taona mandra-pahatongan'ny fisotroany ronono tamin'ny taona 2003. Niverina teo amin'ny sehatra politika indray izy hitarika ny antoko mpanohitra Pakatan Harapan (PH) hifampihaika amin'i Razak sy ny governemanta fiaraha-mitantana teo aloha efa notarihiny.
Naneho ny tsy fahafaliam-pon'ny ankamaroan'ny Maleaziana tamin'ny asa vitan'ny governemantan'i Razak ny valim-pifidianana farany tamin'ny GE14. Maro ireo mpisera Maleziana no nankalaza ny vaovaon'ilay valim-pifidianana manan-tantara:
Can you believe it?
We won.
At 3.30 A.M on the 10th of May 2018, Barisan Nasional is no longer our ruler. A few hours from now, the sun will begin to rise over the horizon.
How poignant.. we'll see a new Malaysia greeting us.
The future awaits us, let's go to sleep.#GE14
— K.A C-137 (@terimame) May 9, 2018
Azonao inoana ve izany?
Nandresy isika.
Tamin'ny 3.30 maraina ny faha-10 May 2018, tsy mpitondra antsika intsony ny Barisan Nasional. Ora vitsivitsy dia hanomboka hiposaka eny amin'ny faravodilanitra ny masoandro .
Tena mampihetsi-po… ho hitantsika i Malezia vaovao hiarahaba antsika.
Miandry antsika ny hoavy, andeha hatory aloha isika
Today, history has been made ??
• new government after 61 years
• Malaysia first female deputy minister
• the oldest (93y/o) candidate won
• the youngest (22y/o) candidate wonA proud first time voter here! #GE14
— Ana (@nmalyanah) May 9, 2018
Nahavita tantara androany
• Governemanta vaovao taorian'ny 61 taona
• Minisitra lefitra vehivavy voalohany eto Malezia
• nandresy ny kandidà zokiny indrindra (93 taona)
• nandresy ny kandidà tanora indrindra (22 taona)Izany no fotoana voalohany indrindra nahitana ny mpifidy nirehareha teto!
Tamin'ny andro voalohany nandraisany ny asany, nisioka ny filoha vaovao:
First day on the job… once again. pic.twitter.com/Oxe3E8OEuU
— Dr Mahathir Mohamad (@chedetofficial) May 11, 2018
Andro voalohany niasana …indray
Nivoady izy hanadihady ireo sampan-draharaha voarohirohy tamin'ny kolikoly. Nohamafisiny ihany koa ny fampanantenana nataony tamin'ny mpanohitra hanafoanana ny lalàna, ny hetra ary ny fandaharanasa namoretana.
“We also want to abolish laws that are oppressive and unfair. We will abolish the fake news act…” – Dr Mahathir. #GE14
— Sumisha Naidu (@SumishaCNA) May 10, 2018
“Ho foanantsika ihany koa ny lalàna namoritra sy tsy rariny. Hofoanantsika ny lalànan'ny vaovao faikany…” – Dr. Mahathir.
Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fandresen'ny mpanohitra ny Malaysiakini, vohikalam-baovao tsy miankina iray :
This is the day Malaysians experienced the power of the ballot.
Anger towards the current administration had brought them out in large numbers to cast their votes in the historic 14th general election.
This is the first time the country has witnessed a change of government since independence from the British in 1957.
Ity no andro nahitan'ny Maleziana ny herin'ny vatom-pifidianana.
Nahatonga azy ireo hivoaka maro mba handatsa-bato tamin'ny fifidianana manan-tantara faha-14 ny hatezerana manoloana ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao.Ity no fotoana voalohany nanatrehan'ny firenena fanovàna tamin'ny governemanta hatramin'ny nahazoana fahaleovantena avy amin'ny Anglisy tamin'ny taona 1957.
Nohamafisin'ny gazety ny fampahatsiahivana amin'ny governemanta vaovao ny fanavaozana maika ilaina ‘hanasitranana’ ny firenena :
Now the hard work begins. No one should be under the illusion that a new government would be able to reverse the rot that had taken root for decades.
For a country that is so divided, it would take time to heal the wounds, and for Malaysians to rebuild the trust for one another and for the many institutions that have failed them.
Manomboka ny asa mafy ankehitriny. Tsy misy olona tokony ho tratran'ny alonalona fa afaka mamerina ilalana ny lò efa niorim-paka am-polony taona maro ny governemanta vaovao.
Ho an'ny firenena iray misara-bazana, mila fotoana ny fanasitranana ireo ratra ireo, ary ny hanorenana indray ny fifampitokisana ho an'ny Maleziana sy ho an'ireo andrim-panjakana maro izay tsy nahomby .
Nankalaza ny valim-pifidianana GE14 ihany koa ny Aliran, vondrona fiarahamonim-pirenena, raha sady nitanisa ny sasany tamin'ireo fanamby natrehan'ny governemanta vaovao:
Aliran salutes the people of Malaysia who rose up, braved the odds stacked against them and used their vote to make this happen. We salute too the many women and men who worked (many of them for decades) in bringing about the awareness necessary for this change to take place.
The outcome of the general election is a testament to the power of the people to bring about change. Around the world, Malaysia has set a good example – that of People Power and that of a peaceful transition of government.
PH must work towards dismantling the many structures which have kept the corrupt in power for so long. This also entails, among other things, curbing the power of the executive and the restoration of other institutions badly tainted by political interference.
Miarahaba ny vahoakan'i Malezia izay nitsangana, nisedra ny sakana nianjady tamin'izy ireo ny Aliran ary nampiasa ny vatom-pifidianany mba hanatanterahana izany. Miarahaba ihany koa ireo vehivavy sy lehilahy maro izay niasa (maro tamin'izy ireo no nandritra ny am-polotaonany maro) tamin'ny niezahany nanao ny fanentanana ilaina ho an'ity fanovana ity izahay.
Manambara ny herin'ny vahoaka ny vokatry ny fifidianana nitondra fanovana. Manerana izao tontolo izao, nametraka ohatra tsara i Malezia – dia ny amin'ny Herin'ny Vahoaka sy ny amin'ny fiovana governemanta milamina.
Tokony hiasa amin'ny fandravana ireo rafitra maro nitana ny kolikoly teo amin'ny fahefana nandritra ny fotoana ela ny PH. Midika ihany koa izany, ankoatra ny zavatra hafa, ny fampihenana ny fahefana mpanatanteraka ary ny famerenana amin'ny laoniny ny andrim-panjakana hafa izay voaloton'ny fitsabahana ara-politika.
Mamintina ny fihetseham-pon'ny maro andro iray taorian'ny GE14 manan-tantara ity sioka ity :
Even with PH winning, changes will not happen immediately. There's still so many things to be fixed so we gotta be patient enough for when that happens. Let's focus on maintaining peace and keep things in view for a better tomorrow, for a better Malaysia. #GE14
— Lum Bao Yi (@CHANIEL96) May 9, 2018
Na dia nahazo ny fandresena aza ny PH, tsy hisy ny fanovana avy hatrany. Mbola maro ny zavatra tokony hapetraka mba hahafahantsika manam-paharetana mandrapahavitan'izany. Ndao hifantoka amin'ny fihazonana ny fandriampahalemana sy ny fibanjinana ny hoavin'i Malezia tsara kokoa .