Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Novambra, 2016
Hong Kong: Mametraka Fepetra Amin'ny Fanadiovana Varavarankely Avo Be Mba Hiarovana Ireo Mpanampy An-trano,Tezitra ireo Mpampiasa
"Toerana manokana ny trano fonenana, saingy koa toerana fiasàn'ireo mpifindra monina manao asa an-trano. Andraikitry ny mpampiasa ny manome tontolom-piasàna sahaza sy azo antoka."
Netizen Report: Hisitraka Ny ‘Zo Hohadinoina’ Ve Ny Indoneziana?
Zo Hohadinoina ao Indonezia, Torkia manakatona aterineto ao Kurdistan, Vodafone tonga ao Iran, sy Soeda tsy mahazo mampiasa kamerà drôna tsy nahazoana alalana no vaovao an'aterineto misongadina.
Mpiari-Tory An'arivony Mitafy Halloween No Mifety Eny Amin'ny Lalamben'i Tokyo
Nitombo ny lazan'ny Halloween tany Japana tao anatin'ny taona maromaro. Tamin'ity taona 2016 ity, betsaka kokoa ny vola nolaniana tao Japana tamin'ny Halloween noho ny tamin'ny andron'ny mpifankatia.
Fiaran'ny Polisy Filipiana Manitsaka Amin-kerisetra Ireo Indizena sy Vitsy An'isa Mpanao Fihetsiketsehana Mitaky ny Zony
"Tany anatin'ny vondrom-piarahamonina nentindrazanay, zavatra faran'izay ratsy ny famelezana...Any amin'izay rehetra alehanay, anaovana herisetra izahay Lumads sy ireo vitsy an'isa hafa eto amin'ny firenena."
Mahita Fanitsakitsahana Zon'Olombelona Ao Anatin'ilay Volavolan-dalàna Hiarovana ny Ankizy Ireo Shinoa Mpisera Amin'ny Aterineto
Manandrana ny hiaro ireo ankizy ireo volavolan-dalàna vaovao, amin'ny fangatahana ireo orinasa mpanamboatra solosaina mba hametraka rindrambaiko fanarahamaso ao amin'ireo fitaovana, ary amin'ny fanindrahindrana ireo fitsaboana ny "fiankinandoha amin'ny Aterineto."
Tantaran'ny Fandosiran'ny Lehilahy Iray Taorian'ny Adin'i Vietnam
Maro no mino fa ireo firenena rotiky ny fifandonana dia onenan'ny avelon'ireo namoy ny ainy tao. Anisan'ireo maty marobe ireo mpitsoaponenana izay nandositra ny firenena tamin'ny alàlan'ny sambo.
Ao Anatin'i Chin, Ilay Faritany Tsara Tarehy Nefa Mahantra Indrindra Ao Myanmar
Miorina ao amin'ny faritra feno tendrombohitra indrindra ao Myanmar i Chin. Manakaiky an'i Bangladesh sy Inde. Na eo aza ny hatsaran-tarehiny, Chin no manana ny trangam-pahantrana avo indrindra ao amin'ny firenena.