Ity lahatsoratra avy amin'i Pyay Kyaw ity dia avy amin'ny The Irrawaddy, tranonkala fampitam-baovao tsy miankina iray ao Myanmar, ary naverina nozaraina tamin'ny Global Voices tao anatina fifanarahana fifampizarana votoaty.
Na eo aza ny hatsaran-tarehiny voajanahary madio mangalahala, sakana lehibe ho an'ny fivoaran'ny firenen'i Chin ny haratsin'ny fitaterana. Na iza na iza efa tany, indrindra mandritra ny fotoanan'ny orana, dia mahafantatra tsara fa marina izany.
Mamely ilay fanjakana mahantra ny fihotsahan'ny tany rehefa tonga ny orana. Matetika misosa amin'ny rano ireo fiara toy ny bibilava manodidina ny lalana maloto ao amin'ilay faritra be tendrombohitra ao avaratra-andrefan'i Myanmar. Voageja miaraka amin'ireo tandavana fiara mandritra ny ora maro mandra-pisavan'ny lalana ireo làlana efa zara raha ampy ho an'ny fiara iray.
Any amin'ny 8.000 feet (2438,5 metatra) ambonin'ny haavon'ny ranomasina, afaka mahita ireo tendrombohitra mahazendana rakotry ny rahona ireo mpandalo nefa koa ilay toerana mampatahotr'ireo kodiarana efatra mitsirara ambony ambany eny ambony arabe mamotaka na havoana taorian'ny loza. Ho an'izay rehetra mandeha amin'ny fiara kely, tsy azo ialàna ny fanosehana na fitarihana ny fiara ao anaty fotaka lalina hatreny an-dohalika.
60 miles (96,5 km) eo ny elanelan'i Kalay sy Tedim, fa mety maharitra ora 12 ny dia noho ny orana, fihotsahan'ny tany ary ireo loza eny an-dàlana. Ny Farihy Reed, malaza, voahodidina volotara, miendrika fo, dia eo amin'ny manodidina ny 20 miles (32 km) avy any Tedim ary manakaiky ny sisintany manasaraka an'i Birmania sy India. Afaka hita amin'ny fitsanganana eo amina tetezana iray mampifandray ny firenena roa noho ny resaka ara-barotra ny fahasamihafana eo amin'ireo firenena roa. Amin'ny takariva, mirehitra ny Fanjakana Indiana ao Mizoram, raha toa kosa ka ao Rihkhawdar any Myanmar, tsirim-pahazavana kely toy angamenavava ihany no manazava ny alin'izy ireo amin'ny maizina.