Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantaran'ny Fandosiran'ny Lehilahy Iray Taorian'ny Adin'i Vietnam

Vietnamese refugees wait to be taken aboard an amphibious command ship. Photo by PH2 Phil Eggman, via Wikimedia Commons

Vietnamiana mpitsoaponenana miandry ny horaisina anaty sambo afaka mandeha an-tanety sy eny ambony rano. Sary an'i PH2 Phil Eggman, tao amin'ny Wikimedia Commons

Ity lahatsoratra nosoratan'i Chris Lê ity dia avy amin'ny Loa, tranonkala tsy miankina mpamoaka vaovao sy podcast  ary mandefa tantara momba an'i Vietnam, naverina navoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Maro no mino fa ireo firenena rotiky ny fifandonana dia onenan'ny avelon'ireo namoy ny ainy tao. Raha ny tranga misy an'i Vietnam, niparitaka lavitry ny taniny sy ny ranomasina ny ady, satria, taorian'ny ady, an'aliny ireo olona nandositra ny firenena tamin'ny alàlan'ny sambo.

Ho an'ny tantarantsika androany, renay ny tantaram-pamoizana hafahafa nandritry ny andrana vượt biên – fandosirana ny firenena amin'ny alàlan'ny sambo. Lehilahy iray antsoina hoe Dũng Hoàng no nitantara azy ity tamiko, momba ny zavatra niainany fony izy vao 15 taona. Nitranga nandritry ny diany avy ao Huế handositra an'i Vietnam taorian'ny ady.

Vao 15 taona i Dũng Hoàng fony izy sy Ly, zokiny vavy, nanapaka hevitra ny hikopaka elatra hanao dia iray faran'izay tsy azo antoka indrindra teo amin'ny fiainan'izy ireo.

1983 io taona io. Nanandrana nandositra an'i Vietnam tamin'ny alàlan'ny sambo i Dũng sy ny anabaviny. Indray andro efa alina be, tao afovoan'ny alina, nizotra hitody amin'ny torapasik'i  Thuận An beach ry zareo, tafita hatrany hatrany tamin'ireo toerana fisavàna. Farany, sambokely iray efa rota no nivoaka avy any anaty rano mainty be tany – ary niondrana izy ireo.

Tany ampiandohan'ny dian-dry zareo, niatrika sedra mampididoza ilay sambokely. Orambe mivatravatra sy rivotra mahery no nanositosika azy mafy. Arakaraky ny nirosoan-dry zareo no vao mainka koa niharatsy zany. Isanandro isanandro, nahontsonkontson'ny tafiotra ilay sambo, nahatonga ny isam-batanolona tao anatiny harary ambavafo.

Nanomboka namoy ny ainy ny olona, andro vitsy monja tamin'ilay dia.

Ary avy eo, namely an'i Ly koa io aretina io. Narary mafy izy: nandoa, nitaraina fanaintainana namely ny tany anatiny lalina, narahan'ny hafanana be vokatry ny tazo.

Satria tsy misy fanafody sy sakafo sahaza, nanomboka tsinjon'i Dũng fa tsy ho tafavoaka velona amin'ilay dia ny anabaviny..

Ary dia nomaniny ny ho amin'ny fahafatesany izy. Nampiakanjoan'i Dũng fitafiana madio i Ly : akanjomandry mena mitsipitsipika mavokely. Natolotr'i Ly azy ny rojony sy ny vangovangony, ary nangatahany i Dũng mba hitahiry azy ireo tsara. Iray amin'ireo zavatra vitsivitsy nentiny avy any an-tranony ireo, ary sarobidy taminy. Napetrak'i Dũng tanaty boaty kely fasiana fanafody efa foana. Nipetraka niaraka tamin'ny anabaviny izy mandrapisenton'ny anabaviny ny fofonainy farany.

Na iza na iza maty eny ambony sambo dia nanaovana ny fombafomba fandevenana eny an-dranomasina. Tsy misy safidy hafa azon'izy ireo raisina. Tamin'ireo olona 28 teny an-tsambo, valo no maty. Natsipin'ireo sisa velona ho any anaty ranomasina ny vatana mangatsiakan'ireo namoy ny ainy.

Rehefa tonga ny anjaran'i Ly, napetrak'i Dũng sy ireo mpiray sambo taminy ho eny afovoan'ny ranomasina ny anabaviny. Nivalaketraka izy nijery ny fatin'ny anabaviny nitsingevana eny lavitra eny.

Ny andro taorian'io, nahita sambo iray lehibe teny lavitra izy ireo. Nametraka ny lainy ho eny amin'ilay sambo ry zareo, ary hitany fa sambo mpanjono avy any Quãng Ngãi ilay izy. Ora telo no lanin-dry zareo hahatongavana teo amin'ilay sambo. Rehefa niakatra tao anatiny ry zareo dia nihevitra fa nahita fahafahana nony farany.

Nanapaka hevitra i Dũng hanome ilay vakan'ny anabaviny ho an'ny kapitenin'ilay sambo ho toy ny fihetsika fanehoana fisaorana. Tsy zavatra betsaka izany, kanefa tiany ny hanonitra ilay kapiteny noho ny nanavotany azy ireo.

Saingy rehefa nentin'ilay sambo niverina namonjy ny moron-dranomasina Vietnamiana ilay andiany, ireo mpitandro filaminana mpikaroka izay mandositra no nandray azy ireo. Nohidiana tany aminà toby iray tao Quãng Ngãi nandritry ny sivy andro i Dũng sy ireo mpiray sambo taminy talohan'ny namindràna an-dry zareo ho any Huế, akaikin'ny tranon'ny fianakaviany. Satria latsaky ny 18 taona izy, vetivety dia navotsotra i Dũng.

Torotoro tamin'ny namoizany ny anabaviny sy ilay dia henjana nefa tsy tafitany, niverina nody an-trano i Dũng mba hilaza ny vaovao tamin'ny fianakaviany. Vantany vao tonga tao an-trano izy, ny anabaviny no nanokatra varavarana. Hitany izy, nikiakiaka sy feno hafaliana tamin'ny niverenany. Tsy mbola nahavita niteny na dia indraim-bava monja aza i Dũng, ny an'ilay anabaviny no tonga aloha niteny taminy hoe nanonofy an'i Ly izy omaly alina.

Nankeo ampandriany, hono, i Lý , nitafy akanjo nitsipitsipika.

Tao anatin'io nofy io, nangataka taminy i Lý hiteny amin'i dì Hương, Dũng sy ny renin'i Ly, mba hanatitra any aminy ilay rojony. Avy io i Ly lasa haingana niala teo, fa talohan'izay, niteny tamin'ilay anabavin'i Dũng izy mba hampita ny ‘mampamangy ny fianakaviana’ avy aminy.

Raha teo am-pitantarana momba ilay nofiny vao mafàna ilay anabavin'i Dũng, niato tampoka. “Aiza i Ly?” hoy izy nanontany miadana. Hitany ankehitriny fa i Dũng irery no teo am-baravarana — ary tsy teo i Ly.

Tsy nanana vintana hilaza singany momba ny nahafatesan'i Ly akory i Dũng: tsy nisy antsipirihany momba izay fitafiana nampanaoviny azy, tsy nisy resaka momba ilay akanjo mandry mitsipitsipika.

Tsy nisy momba ilay rojo nomeny olona hafa.

Nandritry ny andro manontolo, nanomboka nanambatambatra izay mety ho zava-nitranga ny fianakaviana, ary nanapaka hevitra hanatanteraka ny fangatahan'i Ly. Ny maraina nanaraka io, nandeha tany amin'ny tsenabe tao an-tanana i Dũng hividy rojo hasolo ilay an'i Ly. Nentiny nody ary natolony ho toy ny fanatitra teo amin'ny alitaran'ny anabaviny, mba hahafahan'ny fanahin'ny anabaviny mandeha am-piadanana.

49 taona i Dũng Hoàng izao, ary monina ao San Jose, California miaraka amin'ny vadiny sy ireo zanany efatra. 30 taona mahery, mbola eo amin'ny alitaran'i Ly hatrany ilay rojo, ao an-tranon'ny fianakaviana ao Huế.

“Tena tsy takatry ny saiko ity tantara iray ity, ary dia ninoako fa marina.” Hoy i Dũng , “Hatramin'ny anio, ato am-poko lalina ato, dia tsapako ho toy ny mbola eo anilako foana i Ly anabaviko.”

Henoy amin'ity podcast ity misimisy kokoa ny momba io tantaram-pamoizana hafahafa io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.