Mpiari-Tory An'arivony Mitafy Halloween No Mifety Eny Amin'ny Lalamben'i Tokyo

Halloween crowds take over downtown Tokyo

DIKASARY: Tapaka ny làlana ho an'ny mpandeha an-tongotra nandritra ny Halloween 2016 rehefa nivoaka ny araben'ny tanàna ireo mpandray anjara tamin'ny herintaona. Teo ambanin'ny fiarovana hentitra, lasa “paradisan'ny mpandeha an-tongotra” i  Shibuya hanaovana Halloween. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube ANN News .

Nakatona tamin'ny Asabotsy 29 Oktobra teo noho ny fandraisana ny Fety goavamben'ny Halloween ny distrika iray malaza indrindra fialamboly ao Tokyo. Shibuya, “tanandehibe anaty tanandehibe” ao Tokyo, no foiben'ny  kolontsain'ny tanora ao Japana.

Toeram-pitsidihana malaza ho an'ny tanora ireo fivarotana lehibe maoderina antsoina hoe 109  sy ny làlana Bunka Mura Dori , ary feno toeram-pandihizana mihitsy aza i Shibuya, bar Karaoke sy toerana maro hafa fialana voly. Ary Shibuya no sehatry ny fetin'ny Halloween lehibe indrindra ao Japana isan-taona.

[Mampiseho ireo mpandray anjara ao Shibuya mitafy tahaka ny praiminisitra Japoney Shinzo Abe sy Mickey Mouse ny sary]
Mety ho enjehina noho ny fandikan-dalànan'ny zon'ny mpamorona ry zalahy ireo.

Nidina teny Shibuya ihany ny olona an'arivony ny alin'ny Sabotsy teo na dia teo aza ireo ahiahy fa mety hanakana ny vahoaka tsy ho avy ny orana sy ny hatsiaka.

Halloween tao Shibuya

Ity no taona voalohany nisian'ny fanakatonana  ireo làlam-pifamoivoizana fiara misy maotera ao Shibuya sy ny manodidina noho ny Halloween. Araka ireo seha-baovao tsy miankina Japana Today , hipoka olona ireo sisin-dalana hany ka tena sarotra ny fifamoivoizana teo anelanelan'ny tamin'ny 10 ora alina ka hatramin'ny misasak'alina ” nandritra ireo taona teo aloha.

Arahabaina nahatratra ny Halloween …

#halloween #shibuya #shibuya Halloween #shibuya scramble #sary #tokyo #japana

Nanazava ny Sankei News;

閉鎖されたのは、ファッションビル「SHIBUYA109」前を経由して東急百貨店本店に向かう文化村通りの約270メートルと、109ビルから道玄坂を上る約250メートルのY字形区間。普段は多くの車が行き交う道路が鉄柵で遮断される珍しい光景をカメラに収めようとする人の姿が目立った。

Ny faritra nakatona [ faritra Shibuya] dia ahitana ny lalana mivalampatra 270 metatra  manoloana ny Tranobe SHIBUYA 109, ny fivarotana lehibe Tokyu ary [ny lalana] Bunka Mura Dori, ny lalana iray hafa kosa dia ilay mivalampatra ao Dogenzaka avy any amin'ny Tranobe 109, ka lasa nanome endrika Y goavam-be  [ny lalana notapahina].  Voasakan'ny barazy ireo arabe tao an-drenivohitra raha tokony ho feno fiara , ary vitsy ny fahitana tselatra fakan-tsary nandeha teny  afovoan'ny olona nirohotra teny amin'ny lalambe.

Ankoatra ny fanakatonana ny lalana mba hifamoivoizan'ny mpandeha an-tongotra, dia voamarika tamin'ny ezaka mba hifehezana ny korontana araka izay kely indrindra sy hitandroana ny filaminana tamin'ny alalan'ny fisian'ny polisy maro be ny Halloween 2016 tao Shibuya:

Halloween 2016 ao Shibuya: tahaka ny ahoana izany amin'izao ora izao (TPT)

Tena famonoana izao ho an'ny olona nirava avy niasa … tsy afa-mihetsika mihitsy.

Manao fampihetseham-batana i Pikmin [mpandray anjara amin'ny lalao Video malaza ]  … Mahafinaritra be! #Shibuya Halloween

Halloween izao ary feno olona ao Shibuya. Ary misy  polisy maro be tsy tahaka ny mahazatra!

Tao amin'ny sioka iray, nanapan-kevitra ny hifantoka tamin'ny fandraisana anjaran'ireo olona fantatra fa tsy Japoney (izany hoe, “vahiny”) tao amin'ny fankalazàna ny Halloween ihany koa ny Sankei News.

Nirohotra tampoka tao amin'ny làlana vao nakatona ny mainty hoditra iray izay nihiaka hoe “Whoo!”.Nakatona ho an'ny fiara noho ny fiarovana mafy hifaliana Halloween i Shibuya .

Koa satria ny fako no olana nandritra ireo taona teo aloha dia namboatra fitoera-pako manana lohahevitra Halloween ireo mpikarakara:

Fitoera-pako tao amin'ny garan'i Shibuya .

Nitatitra ny habetsahan'ny vahoaka ny vaovao an-tsary, ary nandefa lahatsarin'ireo fitafy mianjaika.

Nitombo ny lazan'ny Halloween tany Japana tao anatin'ny taona maromaro. Tamin'ity taona 2016 ity, betsaka kokoa ny vola nolaniana tao Japana tamin'ny Halloween noho ny tamin'ny andron'ny mpifankatia.

Halloween in Japan is big business.

KISARY: milaza ny vola lany tamin'ny Andron'ny Mpifankatia ny tsipika mena , ny tsipika volomparasy ny an'ny Halloween; nitovitovy ny vola niditra tamin'ny 2015 ; tamin'ny 2016, ny vola niditra tamin'ny Halloween (1.345 lavitrisa dolara) nihoatra ny vola niditra tamin'ny Andron'ny Mpifankatia (1.340 lavitrisa dolara Amerikana). Pikantsary avy amin'ny   Fantsona Youtube ANN News .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.