Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2010

13 Jolay 2010

Philippines: Ny hevitry ny mpitoraka blaogy momba ny fanabeazana mikasika ny firaisana ara-nofo

Eo am-pampiharana ny fandaharam-pianaran'i Etazonia taloha izay naverina indray momba ny fanabeazana ara-pananahana ho an'ny ankizy sy ny tanora, eny amin'ny sekolim-panjakàna, ny Governemanta Filipiana amin'ity taom-pianarana ity na dia naneho fanoherana goavana an'io fandaharam-pianarana io aza ny Fiangonana Katôlika. Nanadihady mikasika izany ny mpitoraka blaogy.

12 Jolay 2010

Myanmar: Resaka manodidina ny amboara eran-tany

Nahazo ny aretin'ny amboara eran-tany 2010 i Myanmar. Lasa ara-dalàna ny herinaratra any amin'ny renivohitra, afaka mijery ireo lalao maimaim-poana eny amin'ireo fahitalavitry ny fanjakana ireo mpankafy, misokatra mandritry ny sasak'alina ireo bara sy ireo fisotroana dite, ireo gazety ny fanatanjahan-tena dia nahazo fahazahoana hamoaka vaovao isanandro, ary maro ireo...

11 Jolay 2010

Japana: Fihaonana eo ambany lanitra rakotra kintana

Jereo ny lanitra amin'ny alin'ny 7 Jolay satria mandritra io alina iray ihany ao anatin'ny taona, no voatendry fa hihaonan'ireo kintana roa Vega sy Altair, araka ny lovan-tsofina.

Japana: Ilay Mahery fo, Sakamoto Ryoma

Matoky tena, hentitra sy to teny, ary kinga fatratra, Sakamoto Ryoma (坂本龍馬) dia iray amin'ireo olon'ny tantara tian'ny Japoney indrindra foana. Vao nanomboka nandefa ny tantara mitohy Ryomaden (龍馬伝: 'Ny tantaran'i Ryoma') ny NHK tamin'ny volana Janoary, dia teraka ny fankafizana an'i Ryoma manerana ny firenena.

Filipina: Fandihizan'ireo gadra ho fahatsiarovana an'i Michael Jackson

nandihy tamin'ny hiran'i Michael Jackson ireo mpanao ratsy voaheloka tao Cebu tamin'ny fampisehoana fahatiarovana ny tsingerin-taonam-pahafatesana voalohan'ity mpihira malaza ity.

Sina: Firenena matanjaka, mponina mahantra

Nanambara ny fampielezam-peom-panjakana CCTV tamin'ny faha 28 Jona fa manantena ny hahazo hatramin'ny 8 arivo lavitrisa yuan ($1.18 arivo lavitrisa) i Sina hatramin'ny faran'ny taona 2010. Izany tarehimarika izany dia hampiakatra azy ho laharana faharoa amin'ny firenena lehibe indrindra aorian'i Etazonia raha ny vola miditra no jerena.  Toa hita fa...

07 Jolay 2010

Brunei: Miteraka resabe ao amin'ny aterineto ny fisarahan'ny Mpanjaka

Tamin'ny volana lasa teo iny, nanambara ny fisarahany tamin'ny vadiny fahatelo avy any Malezia ny Sultanan'i Broney. Taorian'ny fanambarana dia samy nimonomonona mikasika ilay vaovao avokoa ireo twitters sy blaogy, na izany avy any Malezia, na avy any Broney. Maro no naneho ny alahelony raha ny hafa kosa maminavina izay...

05 Jolay 2010

Sina: Maninona no dia osa ny baolina kitra Sinoa?

Teo aloha kely teo ny New York Times dia  nametra-panontaniana mikasika ny hoe ” maninona i Sina no any amin'ny laharana farany raha ny baolina kitra no jerena, raha  tena misetrasetra kosa izy amin'ny fanatanjahan-tena Olympika maro hafa? ”  ary manasa manampahaizana maro izy ireo hamaly izany. Fanontaniana maro sy...

Korea Atsimo: Miombona alahelo amin'ny Hirifiry nozakaina noho ny fiparitahan'ny solika

Raha mbola eo ampanarahana ny  tatitra momba ny zava-doza ateraky ny solika miparitaka avy amin'ny BP ao Etazonia ny any Korea Atsimo, maro ireo Koreana mpitoraka blaogy, izay ho azy ireo dia tsy mbola maty ao am-pony ny fahatsiarovana fipariahan-tsolika nahatsirariva tamin'ny 2007  niteraka fahafatesana maro teo amin'ny tantara Koreana,...

04 Jolay 2010

Malezia: Mihevitra ny hanafoana fanadinana roa ny Ministeran'ny Fanabeazana

Ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Maleziana, Muhyiddin Yassin, dia nilaza tsy ela akory izay ny mety hanafoanana andiam-panadianana roa voarakitra ao anatin'ny rafi-pampianarana amin'izao fotoana. Miady hevitra momba izay mety ho tombontsoan'ny mpianatra amin'ity fanavaozana ity ireo mpitoraka blaogy