· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2010

Nosy Borneo : fampiraisana ireo mpitoraka bilaogy amin'ny alalan'ny Borneo Colours

  21 Jolay 2010

Tranonkala mampiray ireo mpitoraka bilaogy avy any Brunei, Sabah, Sarawak, Labuan (Malezia) ary Kalimantan (Indonezia) izay ao amin'ny nosy Borneo ny Borneo Colours.  Sehatra ho an'ireo mpitoraka bilaogy any amin'iny faritra iny izy io hifandraisany ny hampisy ffifankahazoana bebe kokoa eo amin'ny mpiray vodirindrina. Hatramin'ny androany, mihoatra ny 1000 ireo...

Sina : Hividy ny petra-bolan'ny BP ? Azony atao

  20 Jolay 2010

Any Beijing androany ny sekretera vahiny Britanika William Hague, ary mitatitra ireo haino aman-jery Sinoa amin'ny aterineto fa hivarotra ireo fananan'i BP amin'ni Sina no tanjon'ny diany avy amin'ireo fitantanana Amerikana latina. Ratsy ireo fanakianana amin'ireo tolo-kevitr'ireo mponina amin'ny aterineto mba hanampiana ny fifanarahana amin'ireo resaka amin'ny fifanakalozana.

Sina: Fijerim-bahiny ny Rantin'i Shanghai

  20 Jolay 2010

Nandia ny roa volana sahady amin'ny enim-bolana holalovany ny Ranty Manerantanin'i Shanghai . Tsy nipetrapetra-poana ny mpitoraka bilaogy mba hamantatra ny tanjon'ity fandaniam-bola goavana ity, sy hitantara ny fivoarana haingana dia haingana hita amin'ny moron-dalana izay vitsy dia vitsy no tsy tratran'ny fanomanana ity fotoan-dehibe ity. Ny fampirantiana , izay...

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala

  19 Jolay 2010

Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo

Sina: Famelezana ireo blaogy bitika

  18 Jolay 2010

Araka ny vaovaon'ny Apple Daily androany, nandray fepetra hentitra amin'ny fanaraha-maso ny fiasan'ireo fitorahana blaogy fohy kely rehetra ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny serasera sy ny fampahalalam-baovao. Hatramin'ny nahavoasakana ny Twitter sy ny Facebook tany Sina no niroboroboan'ny valan-tserasera isan-karazany. Maro amin'ireo vavahadin'ireo vohikala, tahaka ny Sina, Sohu, 163.com ary Tencent,...

Sina: Nanaisotra ny blaogin'ireo be mpanaraka tamin'ny aterineto ny Sohu.com

GV Mpisolovava  17 Jolay 2010

Nanala mpitoraka blaogy mihoatra ny zato tao amin'ny fanaovany tolotra hitorahan'ny olona blaoginy ny 14 Jolay 2010 lasa teo ny Sohu.com, iray amin'ireo vavahadin'ny tranonkala malaza any Sina . Maro tamin'izy ireo no manana ny lanjany amin'ny fahaizany mandresy lahatra ny olona, ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra ary ireo mafana...

Indonezia: Rehefa ny vehivavy no mifehy ny fampiasam-bolany

  14 Jolay 2010

Resaka nandeha avy hatrany mikasika ny fitantanana orinasa sahanin'ny vehivavy, ny fahazotoana sy ny fampiasam-bola miaraka amin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny serasera anaty aterineto Resadresaka Hanatsarana ny Tany, mizara ohatra avy any Indonezia i Carolina.

Kambodza: Mitotongana ve ny toe-tsain'ireo moanina

  13 Jolay 2010

Tena niteraka resaka nanahirana mihitsy ny fandrenesana tao ho ao ny fitontongan'ny toe-tsain'ny moanina, hatramin'ny niantohan'ny Lalampanorenana ny Bodisma ho fivavaham-panjakana ary ny fahitana fa saika Bodista daholo ny ankamaroan'ny Kambojiana.. Matetika ireo moanina ireo no tratra nanao fihetsika mahery setra na fitondra-tena tsy maotina ka tafiditra amin'izany ny fanaovana...