Setrin'ny fanentanana mandrisika ny mponin'i Wuhan mba haneho fankasitrahana ny lehiben'ny Antoko Komonista amin'ny ady amin'ny COVID-19

Sarim-panesoana avy amin'ny Stand News momba ny fitsidihan'ny praiminisitra lefitra shinoa Sun Chunlan ny fokontany iray ao amin'ny distrikan'i Wuhan ho fanehoana ny fahombiazan'ny governemanta amin'ny fifehezana ny COVID-19 izay nivadika rehefa nihiakiaka ny mponina hoe “faikany, faikany daholo izao” sy “izao no [zavabita] rehetra” avy eny amin'ny varavarankelin'ny apartemantan-dry zareo.

Rehefa avy nilaza tamin'izao tontolo izao mba hankasitraka ny sorona sy ny ezaka ataon'i Shina amin'ny ady amin'ny COVID-19, namoaka fanentanana mandrisika ny vahoaka Shinoa mba hisaotra ny lehiben'ny antoko ny antoko Komonista Shinoa (AKS).

Raha tokony hampiseho fankasitrahana, dia marobe ireo olona naneho fahatezerana tao amin'ny media sosialy ka niteraka fanesorana tanteraka ny vaovao sy ny fanehoan-kevitra rehetra mikasika ny fampielezan-kevitra antsoina hoe “fanabeazan'ny AKS hisaotra”.

Satria mihena hatrany ny tarehimarika ofisialy amin'ny isan'ireo tranga vaovao voan'ny COVID-19 ao Shina tao anatin'ny tapa-bolana, dia toa tsy mahandry ireo manampahefanan'ny fampielezan-kevitra fa nampiseho ny lazaina fa fahombiazan'ny AKS tamin'ny fitarihana ny ady amin'ny valan'aretina. Na dia izany aza, nampanontany ireo olom-pirenena tezitra izay na natoka-monina nandritra ny herinandro maro na nanatri-maso ny fahafatesana tampoka nahazo ny fianakavian'izy ireo, ny havan'izy ireo na ireo olom-pantatra ny ezaka fampielezan-kevitra ara-politika.

Nitranga tamin'ny 5 Martsa 2020 ny ohatra iray tamin'ny resaka fampielezan-kevitra raha nitsidika distrika iray tao Wuhan ny praiminisitra lefitra Shinoa Sun Chunlan. Nomanina ny fitsidihana mba hanehoana ny fahombiazana tamin'ny fitantanana ny faritra natoka-monina. Nasaina ireo solontenan'ny mponina mba hitarika ny fitsidihana. Saingy nandritra ny fitsidihana, nisy ireo mponina maromaro nihiaka avy eny ambavaravarakelin'ny efitranon'izy ireo hoe “hosoka, hosoka avokoa ny zava-drehetra” ary “ [sinema] avokoa izany rehetra izany”.

Nalaza tao amin'ny media sosialy avy eo ny lahatsary ary na ny fampahalalam-baovao miaraka amin'ny fanjakana tahaka ny People’s Daily sy Global Times aza dia namoaka ny lahatsary tao amin'ireo kaontiny media sosialy any am-pitandranomasina, tahaka ny Facebook sy ny Twitter.

Ho setrin'ny zava-nitranga ny ampitso, nanipika ny tokony hanabeazana ny olom-pirenena mikasika ny fahaizana mankasitraka ny antoko ny sekretera vaovaon'ny AKS Wang Zhonglin. Naparitak'ireo fampahalalam-baovao ao an-toerana ny lahateniny teo anoloan'ireo manampahefanan'ny tanàna :

要在全市廣大市民中深入開展感恩教育,感恩總書記﹑感恩共產黨、聽黨話﹑跟黨走、形成強大正能量。…… 武漢人民是英雄人民,也是懂得感恩的人民。

Ilaina ny mampianatra ny vahoaka mba hahay haneho fankasitrahana, tokony hisaotra ny sekretera jeneralin'ny antoko AKS [Xi Jinping] izy ireo, tokony hankatoa ny Antoko ary hanaraka ny antoko izy ireo, tokony ho lasa angovo matanjaka sy tsara izy ireo…..Mahery fo ny vahoaka ao Wuhan, ary vahoaka mahafantatra ny fomba fanehoana fankasitrahana.

Niteraka fahatezerana antserasera avy hatrany ny lahateniny. Nifantina fanehoan-kevitra miavaka avy ao amin'ny Weibo ny Hong Kong Citizen News :

我們不需要被教育感恩!這是你根深蒂固的奴性又出來作祟了,還是幾千年封建社會官員的劣根性在作祟了!

Tsy mila ampianarina haneho fankasitrahana izahay. Mampiseho ny toetranareo andevo izay nahazatra teo amin'ireo manampahefana tamin'ny vanim-potoana feodaly ny filazana tahaka izany.

王忠林,你想對上面感恩就感恩,但千萬別拖着武漢老百姓和你一起感恩,他們還在瘟疫的威脅下苟延殘喘,沒心情和你一起跪下,高呼萬歲。

Wang Zhonglin, te hisaotra ny lehibenao ianao, tsy misy manakana anao. Saingy aza hoentina miaraka aminao ny mponin'i Wuhan. Mbola mijaly noho ny aretina izy ireo ary marobe ireo mbola tsy vonona hisolelaka sy hilaza miaraka aminao hoe ho ela velona ny amperora.

Araka ny tati-baovao avy amin'ny fizotran'ny lahadinika (minute) tsy voamarina tamin'ny fivoriana nokarakarain'ny Biraon'ny Vaomieram-panjakana misahana ny Torohay tamin'ny 4 Martsa, nitaky ny fanesorana ireo vaovao sy fanehoan-kevitra rehetra momba ny “fanabeazana hisaotra ny AKS” ny manampahefana. Tamin'ny fivoriana, nanoritra ny ilàna ireo sampam-baovao rehetra mba hanamaivana ny ahiahiam-bahoaka sy “hiaraka anaty stratejia amin'ny tsikalakalam-pieritreretan'ny vahoaka” i Huang Kunming (黄坤明)  ao amin'ny Foiben'ny Sampan'ny Fampielezan-kevitra Foibe.

Anisan'ireo lahatsoratra voasivana malaza indrindra ny lahatsoratr'ilay mpanao gazety Shinoa menavazana Chu Chaoxin:

2349條生命,2349次死亡,他們屍骨未寒,他們的家人、朋友、同學都還在悲痛之中,他們的家人、朋友、同學甚至自己都還在醫院里躺著等著搶救,根本無力悲傷,此時卻有人要對他們加強感恩教育,這是沒有人性的行為。

Aina 2349 no voalaza fa nafoy. Mbola ao anatin'ny alahelo ny fianakavian'izy ireo, ny namana sy ny mpiara miasa, mety mbola any amin'ny hopitaly tratran'ny aretina ny fianakavian'izy ireo, ny naman'izy ireo na izy ireo manokana. Tsy manana hery hitomaniana akory izy ireo kanefa misy olona miteny azy ireo ankehitriny mba hianatra mahay misaotra. Manohitra ny maha olona izany.

Ny lahatenin'i Wang Zhonglin no ohatra farany tamin'ny fitantarana ny propagandin’ ny manampahefana mba hamadika ny krizy ara-pahasalamana ho “ady mahery fo” ataon'ny vahoaka Shinoa eo ambany fitarihan'ny AKS.

Azo jerena ao amin'ny lahatsoratra ‘Ady amin'ny valan'aretina: Shina eo ampiadiana amin'ny Covid-19 ao anatin'ny taona 2020′ ihany koa ny ezaka mitovy amin'izany, boky izay manasongadina ny “fanoloran-tenan'ny Sekretera Jeneraly Xi Jinping ho an'ny vahoaka, ny fitiavany miasa ary ny fomba fijeriny manana vina sy ny fitarihany lehibe amin'ny maha filohan'ny fanjakana lehibe azy.”

Navoaka tamin'ny 2 Martsa ny boky, fotoana fohy taorian'ny fahavitan'ny manam-pahaizan'ny Fikambanana Manerantany momba ny Fahasalamana ny fitsidihany ary niderany an'i Shina tamin'ny fandraisana fepetra goavana tsy hiparitahan'ny COVID-19.

Tamin'ny 4 Martsa, namoaka lahatsoratra antsoina hoe “Satria marina ny hevitray: Tokony hisaotra an'i Shina izao tontolo izao” (理直气壮,世界应该感谢中国)ny Sampam-baovao Xinhua an'ny fanjakana Shinoa. Ity ambany ity ny hevi-dehibe tamin'izany lahatsoratra izany (nadikan'ny Human Rights in China):

We should now say, with reason on our side, that the United States owes China an apology, and the world owes China a thank you; without the enormous sacrifices and efforts made by China, the world could not have gained a precious window of time to combat the novel coronavirus epidemic; one can say that China has, by its own strength alone, staunchly held off the novel coronavirus epidemic for a very long time. It’s truly earth-shattering, and the gods themselves would be moved!

Tokony hilaza izahay ankehitriny, satria manana ny hevitray izahay, fa tokony hiala tsiny amin'i Shina i Etazonia ary tokony hisaotra an'i Shina izao tontolo izao; raha tsy nisy ny sorona lehibe sy ezaka goavana nataon'i Shina, dia tsy nanam-potoana sarobidy hiadiana amin'ny valan'aretina coronavirus izao tontolo izao, azo lazaina ihany koa fa niady mafy irery tamin'ny valan'aretina coronavirus nandritra ny fotoana ela i Shina. Tena nampihovitrovitra ny tany tokoa izany ary ho nihetsi-po tamin'izany na dia ireo andriamanitra aza.

Saingy noravain'ny fampielezan-kevitra farany nataon'ny AKS izany fanambarana izany izay tsy nahomby akory tamin'ny ezaka handresena lahatra ny mponina ao an-toerana mba haneho fankasitrahana amin'ny antoko sy ny filoha nasionaly tamin'ny fitantanana ny krizy COVID-19.

Jereo ny fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fiantraikan'ny COVID-19 manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.