Mpampihanaka COVID-19 malaky sy ny “andavanandro vaovao” indoneziana

Mponina ao Banda Aceh manatrika lanonana ara-pivavahana. Saripikan'ny mpisera Flickr Johanes Randy Prakoso. (CC BY-NC-ND 2.0)
Heverina fa nanana anjara lehibe tamin'ny fielezan'ny valan'aretina COVID-19 tao Indonezia ireo fivoriana ara-pivavahana maro dia maro. Tsikaritra iray niteraka aretina an-doha tamin'ny fitondran'ny Filoha Joko Widodo, izay niresaka ‘andavanandro vaovao’ (New Normal), hamerenana amin'ny laoniny ny fiainam-pirenena ary tsy mazoto hanao izay hampahatezitra ireo vondrona ara-pivavahana mpandala ny mahazatra azy, vondrona itoeran'ny fanohanana ara-politika manandanja.
Tamin'ny 3 Jona, nitatitra ny sampam-pampahalalam-baovaom-panjakana fa nihaona tamin'ny mpitondra fivavahana ny Filoha Joko Widodo hiresaka amin'ny fahazoana manokatra indray ireo toeram-pivavahana izay nikatona noho ny fisian'ny areti-mandringana. Efa nisokatra indray ireo masikiriny (moskea) sy fiangonana nanomboka teo na dia tsy mbola amin'ny endriny feno aza.
Niteraka ahiahy tamin'ny maro ny fampiheverana fisokafana feno noho ny tahotra fandrao hihanaka fanindroany indray ny viriosy.
Pembukaan tempat ibadah sebagaimana tercantum dlm surat edaran Menteri Agama Fachrul Razi di tengah pandemi dikhawatirkan terlalu tergesa-gesa dan berpotensi menjadi kluster baru penyebaran virus karena orang tanpa gejala yang datang tidak bisa terdeteksihttps://t.co/HTLJnfxmSf
— M Agustinus (@magustinusprb) June 1, 2020
Heverina ho maika loatra ny fanokafana ny trano fivavahana ao anatin'ny areti-mandringana, araka izay voamarika ao amin'ny taratasin'ny Minisitry ny Raharaham-Pivavahana. Mety hiteraka fielezana vaovao indray izany hetsika izany satria sarotra ny hahatsikaritra mpanatrika tsy mampiseho soritr'aretina.
Korea gagal new normal dan dilakukan pembatasan kembali. Indonesia kayanya belum kepikiran nanti kalau kasusnya naik lagi maka akan PSBB kembali. Urgensi pembukaan rumah ibadah duluan diatas semua termasuk ekonomi.
Apakah ada yang melakukan review setelah pembukaan rumah ibadah?— Yonatan Purba 🎹 (@yonpurba) June 5, 2020
Tsy nampihatra (ilay fantatsika ho) fepetran'ny andavanandro vaovao i Korea (atsimo) — naverin-dry zareo amin'ny toerany ny fepetram-pamerana! hita ho tsy mbola mihevitra ny amin'izany i Indonezia. Lasa laharam-pahamehana ambonin'ny toekarena ny fanokafana indray ny toeram-pivavahana. Hisy indray ve ny fiheverana ny fanokafana ireo toeram-pivavahana?
Tsongodiam-pihanàhana
Tamin'ny voalohany ny manampahefana nihenahena tamin'ny fampiharana ny fepetra hanakonana ireo hetsika ara-pivavahana manoloana ny COVID-19.
Tamin'ny Febroary, ny filoha lefitra Indoneziana sady mpitondra fivavahana mpandala ny nentin-drazana manana ny lazany, Ma'aruf Amin nanonona qunut, karazam-bavaka tononina ho fanoherana ny fandrahonana sy ny vintan-dratsy, izay noheverina ho kitro ifaharana hifehezana ny viriosy.
Ny fisian'i Amin tao amin'ny lisitry ny prezidà no nanampy an'i Widodo ho voaantoka ny ifidianana azy indray tamin'ny fifidianana nifaninanana aoka izany tamin'ny herintaona.
Saingy rehefa niakatra ny tranga [mg] COVID-19 tamin'ny marsa sy avrily, dia lasa lohahevitra lehibe ifanatreham-bahoaka ny lazaina ho “mpampiely haingana dia haingana ny viriosy (virus ‘super-spreaders’).
Azo ampiharina ho ‘mpampiely haingana’ ireo karazam-pamoriam-bahoaka rehetra mamindra aretina. Fa amin'ny ankapobeny dia ara-pivavahana ireny lanonana ireny ao Indonezia.
Tamin'ny volana marsa, ohatra, efa saika hotontosaina ao amin'ny faritanin'i Sulawesi indoneziana ny Tabligh Akbar*.
Tsy nanemotra ny lanonana ny governemanta provinsialy ary saika tsy nahemotra raha tsy namoaka fitarihan-dalana ny governemanta foibe ao Jakarta milaza fa nakatona ny famoriam-bahoaka. Fa tamin'izany fotoana Indoneziana mpivavaka hatramin'ny 8000 sy vahiny anjatony maro no miara-mivavaka.
Io lanonana tokana io fotsiny dia efa ahiana ho fielezan'ny viriosy tany amin'ny faritany 22, araka ny nolazain'ny manampahefana ara-pahasalamana Indoneziana.
Talohan'izany tamin'io volana io ihany, mampivondrona olona ny laretirety kristiana tontosasina isaky ny fanombohan'ny marsa ao Bandung, Java Andrefana. Nanoritsoritra taty aoriana ny governora tao an-toerana, Ridwan Kamil, fa iray tamin'ireo toerana efatra nihanahan'ny aretina tao amin'ny faritany ny lanonana izay notanterahana tao amin'ny fandraisam-bahiny iray tao Badung. Nampidirina hopitaly ny valo tamin'ireo niverina avy any rehefa hita fa miabo ny fitiliana COVID-19 natao taminy, efatra tamin'ireo no maty.
Ny fitsongoana taloha indrindra nanaovan'ny manampahefana fitiliana dia tamin'ny lanonana iray manodidina an'i Malayzia tamin'ny 27 Febroary – 1 Marsa.
Nizoran'olona 10.000 avy amin'ny firenen-tsamihafa, ary nahitana Indoneziana miisa 700, ny Tabligh Akbar maharitra efatra andro tao amin'ny Masikiriny Sri Petaling tao Kuala Lumpur.
Hatramin'io lanonana io, izay niteraka ny iray amin'ny fielezan'ny COVID-19 be indrindra tao Malayzia, niezaka mafy i Jakarta hitsongo dia ireo mpandray anjara, noho ny tsy firaharahian'ny niverina avy any hanoka-monina ny tenany sy hanao fitiliana
Efa natombok'i Indonezia amin'izao fotoana izao, amin'ny alalan'ny masoivohony sy amin'ny alalan'ireo lehiben'ny any am-pielezana, ny havitrika amin'ny fanaraha-maso ireo lanonana sy famorian'olona ara-pivavahana atrehin'ny Indoneziana monina ampitan-dranomasina.
Eo amin'ny masikiriny, fiangonana ary ny fanjakana
Rehefa tratran'ny tsindry mihamahery ireo lohandoham-pivavahana dia namoaka tolokevitra tamin'ireo mpiara-mivavaka amin-dry zareo mba handray pepetram-pahasalamana sy fiarovana amin'ny alalan'ny fanatontosana fombafombam-pivavahana ampitain-davitra.
Amin'izao fotoana izao ny governemanta namoaka torolalana rehefa mamoha indray ny toeram-pivavahana ho ao anatin'ny fanentanana andavanandro vaovao izay nokendrena hanaovana ainga vaovao ny toekarena.
Samy nanana ny fandraisany ireo torolalana avy eo ny tsirairay, tahaka izany koa ny mpitondra fivavahana izay naneho ny ahiahiny momba ny fiantraikan'ny fanokafana indray ny toeram-pivavahana eo amin'ny fahasalamana.
Raha iray amin'izay miteraka tebiteby amin'ny vahoaka ny mety hisian'ny fielezan'ny viriosy haingana dia haingana amin'ny fotoam-pivavahana arahin'ny maro, dia mampanahy dia mampanahy tahaka izany ihany koa ny fiantraikan'ny mudik — fomban-drazana fanao isa-taona izay hamangian'ny mponina an-tanandehibe ny havany any ambanivohitra hankalazan-dry zareo ny Eid –.
Namoaka didy haram (fandraràna) ny Filan-Kevi-Pitantanan'ny Ullemas Indoneziana (MUI) hanakanana ny mudik amin'ity taona ity hampitsaharana ny fielezan'ny viriosy.
Vahoaka maro, anefa, no miezaka manararaotra ireo lesoka isan-karazany ao amin'ny rafitra amin'ny fividianana sertifikà ara-pahasalamana hosoka any amin'ireo sehatra e-varotra maro izay manambara fa tsy misy COVID-19 ry zareo ka afaka mandeha dia lavitra. Ahiana ny iakaran'ny tranga coronavirus ho any amin'ny tampony (izay efa mihoatra ny 32.000 amin'izao fotoana izao ary 1.883 no maty).
Nitondra fahadisoam-panantenana ho an'ny Indoneziana mihoatra ny 200.000 ihany koa ity volana ity raha nanantena ny hanao fivahiniana masina Hajj ry zareo amin'ny faran'ny volana jolay.
Efa nandà tamin'ny fomba tsy azo ivalozana ny governemanta na hanatontosa ny fotoana i Arabia Saodita na tsia.
Amin'ny fahafatarana fa matetika no miandry an-taonany maro mihitsy ireo te-hanao fivahiniana masina Hajj mba ho tafiditra ao anaty lisitra ao amin'ity firenena ahitana Miozolomana betsaka indrindra eto ambonin'ny tany ity, dia nilaza ny fanapahan-kevitra ho “sady mangidy no sarotra dia sarotra” ny minisitry ny raharaham-pivavahana ao Indonezia, Fachrul Razi.
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...