Mahatsiaro an'i Marco Leung, maty voalohany tao Hong Kong tamin'ny hetsi-panoherana fandroahana olona ho any Shina

Marco Leung. Saripika avy amin'ny the Stand News, mpiara-miombon'antoka ara-botoaty amin'ny Global Voices.

Voaisan'ny mpanohana ny hetsika fanoherana fandroahana olona ho any Shina tao Hong Kong fa ampolony eo ho eo ny fahafatesana tsy voajanahary mifandraika amin'ny hetsi-panoherana tamin'ny herintaona.

Ny ankamaroan'ny fahafatesana dia tamin'ny famonoan-tena — farafahakeliny olona enina no namela taratasim-pamonoantena naneho ny fanohanan-dry zareo ny hetsi-panoherana sy ny fangidiam-panahin-dry zareo amin'ny governemanta.

Ny tranga tena nanohina indrindra dia ny fahafatesan'i Marco Leung Ling-kit tamin'ny 15 jona sy ny fahafatesan'i Chow Tsz-lok tamin'ny 3 novambra.

Marco Leung, 35 taona, no voalohany maty nandritra ny hetsi-panoherana.

Nianjera avy amin'ny Pacific Place, tsenambarotra iray lehibe, izy raha nihazona sora-baventim-panoherana tamin'ny efatra ora folakandro tamin'ny 15 jona , herinandro taorian'ny hetsika lehibe nirotsahan'olona iray tapitrisa nefa tsy naharesy lahatra ireo mpitarika ao an-tanàna hanafoana ilay volavolan-dalàna.

Marco Leung Ling-kit ( 梁凌杰 )
15 jona 2019 nandao herintaona lasa izay
Akanjo mainty sy fehy fotsy

Akanjo aro-orana miloko mavo no nanaovan'i Leung izay nampiseho soratra “(Sefon'ny Mpanatanteraka) Carrie Lam namono an'i Hong Kong, tsimifaditrovana (mangatsia-drà) ny polisy.” (林鄭殺港 黑警冷血).

Tamin'ny sorabaventy:

全面撤回送中。我們不是暴動。釋放學生 傷者。林鄭下台。Help Hong Kong。
反送中 No EXTRADITION TO CHINA。MAKE LOVE No shoot!

Foano tanteraka ny volavolan-dalàna fampodiana olona ho any Shina. Tsy mpirotaka izahay. Avotsory ny mpianatra sy ny maratra. Miala i Carrie Lam. Vonjeo i Hong Kong. Tsia amin'ny fandroahana mankany Shina. Fitia atao, tsy tifitifitra!

Mbola nikiry tsy nanaiky ny hanadaboka ny Volavolandalàna taona 2019 misahana ny Mpanitsakitsa-dalàna mandositra sy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin'ny raharahan-keloka bevava (fanitsiana), izay fantatra kokoa amin'ny hoe volavolan-dalàna fandroahana olona ho any Shina, ny governemantan'i Hong Kong.

Ho setrin'izany, tamin'ny 12 jona, mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nizotra ho any amin'ny Legislative Council (LegCo na Vaomiera Fanaovandalàna).

Nanao famoretana ilay fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny etona mandatsa-dranomaso sy ny bala fingotra ny polisy misahana ny rotaka. Notondroin'ny manampahefana ho rotaka ny hetsi-panoherana, fanondroana izay mametraka ny mpanao fihetsiketsehana mety hiharan'ny fanagadrana hatramin'ny folo taona.

Ny hetsi-panoherana maningana nataon'i Marco Leung dia setrin'ny fandavan'ny governemanta hihaino ny fitakiam-bahoaka sy ny fametrahana ny olompirenena ho mpirotaka.

Nanazera ny tenany ho faty izy raha mba nisy ekipa mpamonjy iray niezaka ny hampiditra azy ho ao amin'ny tsenambarotra. Nahatohina an'i Hong Kong iray manontolo ny fahafatesan'i Leung.

Ny ampitson'io, olona  roa tapitrisa no nidina an-dalambe, niantso ny hialan'i Carrie Lam amin'ny maha-mpitarika azy ary miaraka amin'ireo fitakiana dimy hafa mitaratra ny fijoroana farany nasehon'i Leung: Fanafoanana tanteraka ny volavolan-dalàna fampodiana ny olona ho any Shina! Fampitsaharana ny fametahana ny fihetsiketseham-panoherana ho rotaka! Ahintsana ny vesatra iampangana ny mpanao fihetsiketsehana! Fametrahana famotorana mahaleotena amin'ny fampiasan'ny polisy hery tafahoatra! Fametrahana fahafahan'ny rehetra mifidy na amin'ny Vaomieran'ny fanaovan-dalàna na amin'ny Sefon'ny Mpanatanteraka!

Hatamin'ny nahafatesany, lasa sariohatra famantarana ny hetsika ny akanjo aro-orana mavo nanaovan'i Leung, raha nanao voady ny mpanao fihetsiketsehana fa hizotra amin'ny lalany ary hanery amin'ny hahatanteraka ny fitakiany.

Leung Ling-kit. 1984/3/7 – 2019/6/15. 35 taona.

Herintaona izay no nandaozanao anay. Tsaroako fa ianao no olona voalohany nilaza ireo Fitakiana Dimy. Tsy hanadino na oviana na oviana ny Hong Kongers. Marco Leung Ling-kit, mpiadin'ny rariny, natosiky ny fitondrana hianjera. Tsy mahay manadino ary tsy hanadino mandrakizay aho.

Ela fiasa ny manampahefana

Mpanao fihetsiketsehana iray hafa, antsoina hoe Chow Tsz-Lok, 22 taona, no nianjera tao amin'ny fitobian'ny fiara nandritra ny bemidina nataon'ny polisy misahana ny rotaka manodidina ny sasakalin'ny 8 Novambra 2019.

Mampiahiahy ny fahafatesany satria nandefa hafatra lahatsoratra ho an'ireo namany mpanao fihetsiketsehana izy, izay miaty ny fampahafantarana ny toerana misy ireo polisy tamin'ny fotoana nahafaty azy.

Ankoatra izany, nianjera avy amin'ny rihana fahatelo mankao amin'ny rihana faharoa amin'ny tobin'ny fiara izy, izay metatra vitsy dia vitsy ny haavony. Maro no mihevitra fa novonoina izy.

Mbola eo ampanaovana ny famotorana amin'izay nahatonga sy ny toejavatra manodidina ny fahafatesan'i Leung sy Chow ny Fitsaran'ny Koraonina [satroboninahitra anglisy izay nanjanaka an'i Hong Kong taloha].

Niteny tamin'ny mpanora-gazety ny rain'i Leung fa nahemotry ny polisin'i Hong Kong ny fanolorana ny tati-pamotorana fandefa any amin'ny fitsarana.

Nialoha ny tsingerintaona nampianjera an'i Marco Leung, ny Civil Human Rights Front [Mandan'ny Zon'Olombelona Sivily], fiarahan'ny fikambanana tsy miankina amin'ny governemanta ao an-toerana, nandrisika ny olompirenena hanao fiaraha-mahatsiaro an'i Leung amin'ny alalan'ny fametrahana voninkazo eo amin'ny tsenambarotry ny Pacific Place.

Olona an'arivony no namaly ny antso, na dia maro dia maro aza ny polisy misahana ny rotaka teo.

Tsy hanadino na oviana na oviana izahay!

Kelikely avy eo, nihanatevina ny filaharana ka voatery niandry hatramin'ny ora roa ny olona hametraka voninkazo eo amin'ny tsenambarotra.

Ny filaharana haneho fanajana ilay mpanao fihetsiketsehana Leung Ling-kit maty miitatra manerana ny lalana avy eo amin'ny Pacific Place ka hatrany amin'ny Hong Kong Park

Nitohy hatramin'ny marainan'ny 16 jona ny fivorivorian'olona ivelan'ny tsenambarotra, raha nametraka toeram-pahatsiarovana vonjimaika any amin'ny faritra hafa ireo mpanolotsaina pro-demaokrasia ahafahan'ny mponina ao an-toerana manatontosa ny hetsi-pahatsiarovana.

Ny antony voalohany miteraka ny famonoan-tena dia ny fahaketrahana lalina tsy voatsabo. Azo karakaraina (tsaboina) ny fahaketrahana lalina sy ny famonoan-tena ary azo sorohana. Mety mahazo fanampiana manokana ara-tsofindavitra manokana hikarakarana ireo te-hamono tena sy ireo ao anatin'ny krizy ara-pihetsehampo ianao. Tsidiho ny Befrienders.org hahitana ny sofindavitra (antso telefônina) fanampiana fisorohana famonoan-tena ao amin'ny firenena misy anao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.