Iza avy ireo ‘mpirotaka’ mety higadra taorian'ny hetsi-panoherana fandroahana olona ho any Shina tao Hong Kong?
Feno herintaona ankehitriny ny hetsi-panoherana fandroahana ny olona hody ho any Shina tao Hong Kong. Nanangona andian-dahatsoratra hisaintsainana ny amin'ilay hetsika fanoherana ny sehatra fampitam-baovao antserasera Stand News miorina ao Hong Kong. Mamoaka ny endrika nasiam-panovana ireny lahatsoratra ireny araka ny fifanarahana fifampizaram-botoaty ny Global Voices. Ny tatitra orizinaly amin'ny teny shinoa eto ambany dia nivoaka tamin'ny 12 jona 2020 tao amin'ny Stand News.
Kihondalana lehibe tamin'ny hetsika fanoherana fandroahana olona nitranga tao Hong Kong ny hetsika izay nitranga teo akaikin'ny Vaomieran'ny Fanaovandalàna (LegCo) tamin'ny 12 jona 2019.
Tao anatin'ny tanjona hanajanonan'ny Vaomieran'ny Fanaovandalàna (LegCo) tsy hampandany ny Volavolandalàna fanitsiana taona 2019 misahana ny Mpanitsakitsa-dalàna mandositra sy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin'ny raharahan-keloka bevava, izay fantatra kokoa amin'ny hoe volavolan-dalàna fandroahana olona ho any Shina, ny mpanao fihetsiketsehana milamina an'aliny nivory teo ivelan'ny foiben'ny governemanta. Taoriana kely rehefa folakandro dia nisy mpanao fihetsiketsehana vitsy an'isa nikasa ny hanafika ny Lapan'ny Legco.
Ho setrin'izany dia tsy nanavaka ny polisy misahana ny rotaka fa nasiany ny etona mandatsa-dranomaso sy notifiriny bala fingotra avokoa ny mpanao fihetsiketsehana hiparitahany, ary ao anatin'izany ireo tao amin'ny faritry ny nipetraka milamina.
Tamin'io andro io ihany, ny kaomiseran'ny polisy misahana ny tanàna tamin'izany fotoana izany, Stephen Lo, namaritra ny fihetsiketsehan'ny 12 jona ho “rotaka”, izay manondro fa izay rehetra nandray anjara dia mety hovesaran'ny sazy migadra hatramin'ny folo taona.
Nijoro teo ankilan'ny kaomisera nanondro ny hetsika ho rotaka i Carrie Lam lehiben'ny mpanatanteraka tamin'izany fotoana izany. Na izany aza anefa dia tsy nankasitraka io famaritana io ny ankamaroan'ny olompirenena tao Hong Kong.
Efatra andro taty aoriana, tamin'ny 16 jona, HongKongers roa tapitrisa tno nidina an-dalambe nihiaka teny maro tahaka ny hoe “tsy mpirotaka ny mpianatra”, “tsy mirotaka izahay”. Tafiditra ao anatin'ny fitakiana dimy lehibe an'ny hetsika manohitra ny fandroahana olona ihany koa “ny fanajanonana ny marika rotaka”.
Tsy namaly ny fitakiana anefa ny governemanta ary mbola nanohy ny fitokonana ny mpanao fihetsiketsehana. Nitombo isa ireo mpanao fihetsiketsehana nosamborina.
Nanolotra taratasy fangatahana hamantarana ny isan'ny fisamborana tany amin'ny manampahefana polisy ny Stand News.
Tanelanelan'ny 9 jona 2019 ka hatramin'ny 31 mey 2020, nisambotra olona miisa 8986 ny polisin'i Hong Kong nandritra ny fihetsiketseham-panoherana. Hatramin'ny fotoana nanoratana (orizinaly) ny departemantan'ny fitsarana nanisy vesatra mpanao fihetsiketsehana miisa 1808 ary ny vesatra niverimberina indrindra dia hoe “nirotaka”.
Nandritra ny fotoam-pitsarana iray tamin'ny 4 mey, mpiambina iray 21 taona nandray anjara tamin'ny hetsika 12 jona no nanaiky fa meloka tamin'ny vesatra nirotaka.
Nanoritra ny mpitsara fa ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fandroahana dia “nanimba mivantana ny fampanjakana ny lalàna” sy “tsy nanaja ny lalàna sy ny fiarovana ny ain'ny polisy.” Vokatr'izany dia tsy maintsy ijerena ny tombontsoam-bahoaka ny didim-pitsarana ary ampiharina hampihemorana ny heloka bevava hoavy, hoy ilay mpitsara.
Ny teboka voalohany namesarana azy dia fanagadrana enin-taona. Fa satria nilaza fa meloka ny mpiaro dia nahena ho fanagadrana efa-taona ny sazy.
Handalo fizotram-pitsarana sahala amin'izany ireo olona 612 izay miatrika vesatra ho nirotaka.
Fa rehefa hita ho meloka ry zaero dia mila mandany taom-panatanorana vitsivitsy any am-ponja, ka miato aloha izany ny kinasa any amin'ny hoavy.
Eto ambany ny sary fanazavana ny taonan'ireo “mpirotaka miisa 598 izay efa voasoratra ao amin'ny fitsarana ny raharahan'izy ireo (mbola tsy niatrika fitsarana ny 14 amin'ireo raharaha miisa 612).

Taona 11-15 (tranga 14); taona 16-20 (tranga 207); taona 21-30 (tranga 324); taona 31-40 (tranga 37); taona 41-50 (tranga 11); ary ny 51 taona no mihoatra (tranga 2). Saripika avy amin'ny the Stand News.
Ny taona ankapobeny voampanga dia 23. Ny zokony indrindra dia 61 taona azy ny zandriny indrindra dia vao 13 taona monja. Latsaky ny 16 taona ny 14 amin'ireo “mpirotaka”. Ampahatelony amin'izy ireo no latsaky ny 20 taona.
Ny fanazavana an-tsary eto ambany dia mampiheo fa mpianatra ny 38% mihoatra amin'ireo “mpirotaka”:

Mpianatra: 38.29%; sehatra trano fihinanan-tsakafo: 4.85%; sehatra fananganana tao-java-baventy: 4.68%; fehivozona fotsy: 4.35%; sehatra Servisy: 2.68%; sehatra fampianarana: 1.51%; sehatra fitsaboana: 1.34%; Hafa: 20.40%; tsy an'asa: 5.69%; tsy voalaza: 16.22%
Eto ambany ny fanasaratsarahana ny fisamborana azy ireo.
Mihoatra ny 46% amin'ny fisamborana no nitranga nandritra ny fifanandrinana mahery vaika teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy misahana ny rotaka tao amin'ny Oniversite Polyteknika tamin'ny 18 Novambra 2019 [mg]:
12 Jona 2019, hetsika teo antokotanin'ny vaomieran'ny fanaovan-dalàna [mg] — raharaha 1
26 Jona 2019, hetsika teo ivelan'ny Foiben'ny Polisy — raharaha 1
14 Jolay 2019, fifandonana tamin'ny polisy tao Shatin — raharaha 3
28 Jolay 2019, hetsi-panoherana tao amin'ny distrikan'ny nosy Hong Kong andrefana — raharaha 42
5 Aogositra 5 2019, fiandonana nifanaovana tamin'ny polisy tao amin'ny distrikan'i Wong Da Sin — raharaha 1
11 Aogositra 11 2019, fifandonana teo ivelan'ny tobin'ny polisy tao Tsim Sha Tsui — raharaha 29
13 Aogositra 13 2019, sit-in milamina tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Hong Kong — raharaha 3
24 Aogositra 24 2019, hetsika tao amin'ny distrikan'i Kwun Tong — raharaha 3
29 Aogositra 29 2019, hetsika teo ivelan'ny tobin'ny polisy tao Shum Shui Po — raharaha 17
31 Aogositra 31 2019, hetsika tao amin'ny distrikan'ny nosy Hong Kong [mg] — raharaha 17
7 Septambra 2019, fifandonana tao tamin'ny garan'ny clashes at Shatin Metro station — raharaha 2
21 Septambra 2019, fivoriana tao amin'ny garan'ny Metro tao Yuen Long — raharaha 3
21 Septambra 2019, hetsika tao amin'ny distrikan'i Tuen Mun — raharaha 1
22 Septambra 2019, hetsika teo amin'ny tsenambarotra tao Shatin — raharaha 3
22 Septambra 2019, fifandonana teo ivelan'ny tobin'ny polisy tao Mongkok — raharaha 2
29 Septambra 2019, hetsi-panoherana tao amin'ny distrikan'i Admiralty — raharaha 99
1 Oktobra 2019, Fetim-pirenen'i Shina, hetsika miendrika ady anaty akata tany amin'ireo distrika maro manerana an'i Hong Kong — raharaha 49
6 Oktobra 2019, hetsika fanoherana ny fandraràna ny maska [mg] — raharaha 28
13 Oktobra 2019, hetsi-panoherana tao amin'ny distrikan'i Tseung Kwan O — raharaha 2
3 Novambra 2019, fifandonana tao Mongkok — raharaha 1
10 Novambra 2019, fifandonana tao Mongkok — raharaha 1
11 Novambra 2019, hetsika fanakanan-dalana tao amin'ny Oniversite shinoa ao Hong Kong — raharaha 9
13 Novambra 2019, hetsika barazy tao amin'ny distrikan'i Sheung Shui district — raharaha 2
16 Novambra 2019, fifandonana tao Mongkok — raharaha 6
18 Novambra 2019, fahirano nataon'ny polisy tamin'ny Oniversite Polyteknika [mg] — raharaha 284
19 Janoary 2020, fivoriana tao amin'ny distika foibe — raharaha 3
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...