Shina: Rafitra vaovao fanomezana tapakila ho an'ny mpitaingina fiarandalamby

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2010)

Tahaka ny “Chunyun” – efa akaiky ny vanim-potoana fivezivezena mialoha, mandritra sy aorian'ny Taombaovao Shinoa, nampihatra rafitra tapakila ahitana ny “tena anarana” ny roa tamin'ireo fitaterana an-dalamby lehibe indrindra ao Shina.

Guangzhou Station in Yuexiu District, Guangzhou is a major hub for travel in Southern China. Photo by Don Weinland

Toby fiantsonana ao Guangzhou, distrikan'i Yuexiu,  ivon-toerana lehibe ho an'ny fivezivezena ao Atsimon'i Shina i Guangzhou. Sary an'i Don Weinland Guangzhou.

Nitatitra ny Information Times tamin'ny zoma fa ho takiana hampiseho karatra famantarana manan-kery ireo mpandeha mivezivezy amin'ny fiarandalamby ampiasain'ny Vondrona Lalamby Guangzhou na ny Biraon'ny Lalamby Chengdu rehefa eo am-pividianana tapakila. Hosoratana pirinty eo amin'ny tapakila ny anarana sy ny laharan'ny kara-panondro ary tsy maintsy hampiseho ao amin'ny toeram-piantsonan'ny fiarandalamby ny tapakila miaraka amin'ny kara-panondro mifanaraka ny voasoratra ao mba hahazoana miditra.

Miaraka amin'io fanovana amin'ny tapakila io, nitatitra ny Information Times fa afaka mividy tapakila telo ny mpandeha saingy tsy maintsy manome kara-panondro telo samihafa: tapakila iray isaky ny kara-panondro.

Maro ny antony nahatonga ny fampidirana ny rafitra. Nanjary olana ho an'ny Shinoa maro miasa lavitry ny trano ny fahasarotana amin'ny fahazoana tapakila. Mividy tapakila marobe mialoha ireo “Ombivavy mavo”, na mpanera mba hivarotra izany amin'ny vidiny lafo. Mety hampitombo ny fiarovana ao anatin'ny fiarandalamby ihany koa ny fepetra vaovao.

Hita hatramin'ny fetin'ny Taombaovao Shinoa ny antso hisian'ny rafitra vaovao. Nitady vahaolana amin'ny olana malaza antsoina hoe “sarotra azo ny tapakila” ny lahatsoratra navoaka tamin'ny Janoary 2009 tao amin'ny Sina.com

春运当前,有关火车票实名制的呼声再次高涨。民意一方呼声急切,以为非实名制而不能解“一票难求”之困局。而处于铁道部一方,则断然表示“成本太高”,言下之意,难于实行。铁道部门的这种“傲慢”,加之其垄断地位、春运种种苦难现象,混合在一起,一再地刺激民意昂扬。

Miatrika ny vanim-potoanan'ny fivezivezena amin'ny taombaovao, nitombo indray ny antso hisian'ny rafitra tapakila amin'ny anarana tena izy. Maika ny fangatahan'ny vahoaka, mieritreritra fa tsy ho voavaha ny “fahasarotana mahazo tapakila” raha tsy amin'ny rafitra tena anarana. Saingy nanambara tamim-pahavitrihana [ny lalamby] fa “avo loatra ny fandaniana”, na amin'ny teny hafa, sarotra ny manatanteraka izany. Mitambatra avokoa ary mbola miteraka fomba fijery malaza ny fiavonavonan'ny sampan-dalamby manana ny satan'ny ampihimamba, ny olana samihafa mandritra ny vanim-potoana fivezivezena amin'ny fialantsasatra.

Araka ny Baidu Encyclopedia, ny rafitra tapakila amin'ny anarana tena izy dia hamerina ny fahatsapana ara-drariny ho an'ny fitaterana an-damasinina mandritra ny vanim-potoana izay efa tena sarotra.

目前民众尤其是外出务工人员,在出行乘坐火车这种公益性的大众交通工具时,常常遭遇不公平:虽然长时间排队,却很难买到自己急需的火车票;而一些票贩子却能通过各种手段,获取他们并不急需的火车票。于是,在这种现实面前,公民乘坐火车变成了一种没有权利和尊严的选择:要么你去求人找关系买票;要么你多花钱到票贩子那里买票。

Amin'izao fotoana izao, mandray endrika fitateram-bahoaka tahaka ny fiaran-dalamby ny olona, indrindra ireo izay miasa lavitry ny trano, matetika iharan'ny tsy rariny izy ireo: na dia efa nilahatra nandritra ny fotoana maharitra aza, mbola sarotra ny mividy ny tapakila Ilain'izy ireo maika. Na izany aza, manana fomba isan-karazany hahazoana tapakila tsy ilain'izy ireo maika akory ireo mpanera. Manoloana ireo zava-misy ireo, nanjary safidy tsy misy zo sy fahamendrehana ny fakan'ny olom-pirenena fiaran-dalamby. Na ianao miangavy amin'ny olona manana fifandraisana tsara mba hividy tapakila ho anao na manome ny volanao ho an'ny mpanera ianao.

Ny vanim-potoan'ny fivezivezena amin'ny taombaovao Shinoa, fantatra amin'ny anarana hoe “Chunyun” amin'ny teny Shinoa, no vanim-potoana fivezivezen'ny olona be indrindra manerantany. Araka ny filazan'ny Xinhua News,  ny vanim-potoan'ny fivezivezena amin'ity taona ity dia hahitana fivezivezena 2,1 miliara teo anelanelan'ny toeram-piasana, ny tanàna niaviana, ary fitomboana 9,5 isanjato noho ny tamin'ny herintaona.

Tsy ny rehetra no manaiky ny fampiharana ny rafitra tapakila amin'ny anarana tena izy. Nitanisa ireo fitarainana mahazatra mikasika ny fampidirana ny rafitra ny Baidu Encyclopedia:

春运期间,铁路与民航的最大区别是客流量大。一旦推行实名制后,将会增加售票的信息录入时间和验票的信息核对时间,降低工作效率,影响人流疏散,加剧人群滞留,容易形成挤压伤人事件隐患。所以,实名制在现实中不具有可操作性。

Mandritra ny vanim-potoanan'ny fialantsasatra, ny fahasamihafana lehibe indrindra eo amin'ny fitaterana an-dalamby sy ny fitaterana an'habakabaka dia betsaka kokoa ny mpandeha fiarandalamby. Raha vao tafapetraka ny rafitra tena anarana, hitombo ny fotoana ho an'ny fisoratana anarana amin'ny tapakila sy ny fanamarinana ny tapakila, hihena kosa ny fahombiazan'ny asa [ho an'ny mpiasan'ny gara], mety hiteraka fikorontanana amin'ny fivezivezen'ny olona, mampitombo ny vahoaka ary mety hifanitsakitsaka ny vahoaka. Noho izany, sarotra tanterahina ny tena fisian'ny rafitra anarana tena izy.

这仅仅是增加了黄牛的麻烦,并不能从根本上解决问题,真正的黄牛,肯定不会是去排队买票的,既然是从内部拿票,所以你买黄牛票的时候只需带上你的个人信息,如此而已。

Mampitombo ny fahasarotan'ny fanaon'ireo mpanera izany saingy tsy mamaha tanteraka ny olana fototra. Azo antoka fa tsy milahatra mba hividy tapakila ireo tena mpanera matihanina. Satria mividy tapakila [avy amin'ny fifandraisana] ao amin'ny biraon'ny tapakila izy ireo, mila manome ny mombamomba anao manokana fotsiny ianao rehefa mividy tapakilan'ny mpanera. Tsotra tahaka izany.

Ny vanim-potoanan'ny fivezivezena amin'ny Taom-baovao Sinoa dia faritana ho fe-potoana efapolo andro mialoha, mandritra, ary aorian'ny Taom-baovao Shinoa, na Chunjie amin'ny teny Shinoa. Araka ny Baidu Encyclopedia, manomboka amin'ny 30 janoary ary mifarana ny 10 Martsa ny vanim-potoana fivezivezena amin'ity taona ity. Ny Taombaovao Shinoa, araka ny alimanaka manara-bolana, dia amin'ny 14 febroary amin'ity taona ity ary maharitra 15 andro.

Ny fampahafantarana momba ny rafitra “tena anarana” dia navoaka voalohany tamin'ny aterineto tamin'ny 10 desambra tao amin'ny bilaogy Shinoa. Nohamafisin'ny mpiasan'ny gara tamin'ny lahatsoratry ny Information Times ny vaovao taty aoriana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.