Fanavakavaham-pahafahana : Hanangana faritra aterineto misokatra ao amin'ny nosiny fizaha tany i Shina

Haikou, renivohitry ny faritanin'i Hainan. sary azon'ny rehetra ampiasaina tao amin'ny Wikipedia.

Naneho ny hatezerany ny mpiseraseran'i Shina Tanibe manoloana ny tolo-kevitra avy amin'ny governemantan'i Hainan amin'ny hamelany ireo sehatra fampitam-baovao sosialy vahiny, izay voasivana ao Shina, ho azo idirana ao aminy.

Nitsena tsikera henjana izany politikam-panaovan-dalàna izany rehefa navoaka tamin'ny 21 jona, tao amin'ny tranonkalan'ny fiadidiam-paritany. Ny sasany mamariparitra izany ho “tsy rariny” manoloana ireo faritany hafa, manome tombondahiny manokana ho an'i Hainan, sady nosy no faritany iray ao amin'ny ranomasina atsimon'i Shina izay malaza eo amin'ireo vahiny mpizaha tany. Ny hafa milaza ny politika ho endrika “apartheid-ntorohay.”

Andro iray taty aoriana, nesorina tao amin'ny habaka ny dosie ary nofafana ny tsikera rehetra.

Tao anatin'ny fepetra 25 nampidirin'ny governemanta provinsialy amin'ny “Drafitrasa telo taona hampiroboroboana ny fizahantany iraisampirenena ao Hainan” ny planina hananganana faritra manokana ho an'ny mpitsidika (vahiny mpizahatany sy mpandraharaha) izay ahafahana manokatra ireo sehatra media sosialy vahiny malaza toy ny Facebook, Twitter ary YouTube. Nanoritra ny dosie fa fampitoviana tadin-dokanga amin'ny fanapahan-kevitry ny filohan'i Shina Xi Jinping hanova ny nosy fizaha tany ho seranam-barotra malalaka amin'ny taona 2020 izany.

Manana fifehezana henjana amin'ny aterineto ao an-toerana i Shina ary tsy mamela ny olom-pireneny hiditra amin'ny ankamaroan'ireo tranonkala miantrany ivelan'ny fireneny.

Hita ho dingana iray mankany amin'ny fisokafana ho an'ireo avy any ivelany ny planin'ny governemantan'i Hainan hamela ny mpizaha tany hiditra amin'ireo habaka fampitam-baovao sosialy malaza. Saingy Shinoan'ny tanibe mpiserasera maro no namaly tamin'ahiahy amin'izay hita ho mizàna tsindrian'ila.

Raha milaza izany, efa nofafana tamin'ireo sehatra media sosialy ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra mitsikera ilay drafitrasa. Eto ambany ny sasany nangonin'ny Radio France Internationale:

完全是卑鄙无耻下流贱格的逆向种族歧视,垃圾!

Ity drafitra ity no mahamenatra indrindra amin'ny fanavakavahana [mamely tena]. Sombim-pako!

抵抗歧视性待遇!

Tohero ny fepetram-panavakavahana.

如果上推特、脸书是正当的、无害的,凭什么只让外国人上、不让中国人上?

Raha tsy maninona ny mitsidika Twitter, Facebook, nahoana no vahiny ihany no avela hiditra fa tsy ny Shinoa?

半封建半殖民地社会又回来了

Miverina mankany amin'ny dingana fanompoana sy fanjanahantany.

Na dia efa nanaisotra ny dosie aza ny governemantan'i Hainan, fa tahaka ny mbola tsy miova ilay politikam-panaovan-dalàna, tamin'ny nanondroan'ny mpitondra ambony indrindra an'i Hainan ho faritra ara-toekarena manokana.

Tamin'ny Aprily 2018, nanambara ny filoha Xi fa nanapa-kevitra ny fahefana foiben'ny Antoko Komonista Shinoa fa hanohana ny planin'i Hainan hanangana seranam-barotra malalaka sy hanangana sehatra hanandramana ny fampandrosoana ara-toekarena.

Nilaza ny mpisera Twitter @yjpc1989 fa efa nahatsinjo izao fivoarana izao herintaona mialoha:

Tamin'ny herintaona aho nilaza tamin'ny namako fa ho lasa firenena iray ao anatin'ny firenena i Hainan. Hita fa marina izany ankehitriny.

“Manana fikasana hanangana oasis (saha lonaka anivon-tany hay) aterineto ho an'ny mpizaha tany ary mamela azy ireo hisera aterineto amin'ny fomba nôrmaly ny faritany Hainan.”

Tsy fitaka ilay Baozi [“ilay Amboalambo,” anaram-bositra nomena ny Filoha Xi]. Ny fepetra dia nokendrena hanamafisana ny fanaraha-maso ao amin'ny tany — hanangana Revolisiona ara-Kolontsaina ao amin'ny kaontinanta raha manova an'i Hainan ho Hong Kong.

Nahoana araka ny eritreritrao tsy nandraisan'i Mao [Zedong] an'i Hong Kong? Satria mila varavarankely [vava-rivotra] ry zareo? Raha tsy izany tsy nahavita namokatra sarimihetsika betsaka toy izany i Jiang Qing. Ny fanaovana an'i Hainan ho karazana Hong Kong no hanangana tanim-pianjoriahana ahafahan'ireo mahazo tombondahiny mifandray amin'ny kolontsaina tandrefana.

Hong Kong dia rafi-pitantanana manokan'i Shina manana ambaratongam-pizakantena avo. Chung Kin Wah, profesora iray ao Hong Kong, dia manaiky fa lohahevitra iray ao amin'ny tantara shinoa itony “fahalalahana manokana” itony. Nanoratra ao amin'ny seha-baovaon'olompirenena inmediahk.net izy:

三十多年前。當年,有一些特許店,只容許外國人或訪客進入,必須以外幣或「外匯券」付帳。當時還沒有互聯網可以上,但資訊流通也不是同樣受限制,同樣是內外有別?當年,只能在對外開放的大型酒店賓館,例如廣州的白天鵝及東方賓館,或北京的北京飯店,才可以買到 Newsweek, Time 及Economists。如果在海南這個特中之特的特區,只許外國人可以自由正常上網,又有什麼值得大驚小怪之處?必須一分為二,所謂「正常」,只對某些人是,對其他人便是「不正常」。所謂「自由」,也只是有選擇的,還得看永遠正確的共產黨如何為國民的自由下定義設界線。

Tokony ho 30 taona lasa izay [ao Shina tanibe], nisy ireo toeram-pivarotana manokana natsangana ho an'ny vahiny na mpitsidika. Tsy maintsy nandoa vola tamin'ny “tapakilam-pifanakalozana vahiny” ireo. Tamin'izany fotoana izany, tsy nisy ny aterineto, fa ny fanarahamaso ny tosaky ny torohay tamin'izany fotoana izany ihany no misy hatramin'izao fotoana izao. Tamin'izany fotoana izany, tany amin'ny hotely na trano fandraisam-bahiny lehibe tahaka ny Vorombe Fotsy na Dongfang Guesthouse tao Guangzhou na ny Beijing Guesthouse tao Beijing ihany ny olona no afa-nifidy Newsweek, Time na ny Economist.

Ka tsy dia hoe zavadehibe tahaka ny inona ny drafitra mamela ny vahiny hiditra an-tserasera malalaka ao Hainan, faritra iray manokana navahana. Tsy maintsy navakavahana ny zavatra. Ho an'ny olona sasany, nôrmaly izany [fidirana malalaka amin'ny aterineto izany], fa hafahafa kosa izany ho an'ny hafa. Fa io lazaina ho “fahafahana” io dia tsipika nosoritan'ny Antoko Komonista Shinoa hoan'ny vahoakany.

Hong Kong sy Macau aloha hatramin'izao no hany tanàna (shinoa) roa misitraka ny aterineto. Ny fahafahan'ireo tanàna roa nozanahana fahiny ireo dia voasoratra ao anatin'ny lalampanorenana bitika ao anatin'ny fotokevitra “One Country, Two Systems” [Firenena Iray, Rafitra Roa] rehefa naverina tamin'i Shina tamin'ny taona 1997 sy 1999 ny fiandrianam-pireneny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.