Ny Fijerin'ireo Firenena Miteny Paortiogey Ny Fahalanian'i Trump Ho Filoha

Sary tahirin'ny GV. Sary : Gage Skidmore / CC 2.0

[Amin'ny teny Portiogey daholo ny rohy ato]

[lahatsoratra amin'ny teny Portiogey nivoaka tamin'ny 16 novambra no niaingàna]    Hijanona horaketin'ny tantara ny 8 Novambra 2016, ho toy ny iray amin'ireo andro tena nanamarika ny politika iraisampirenena amin'izao taonjato faha-XXI izao. Nisarika ny sain'ireo media manerana ny tany (resy lahatra fa mahafantatra ny valin'ny fifidianana, voatery namerina nanitsy ny fitsaràny) ny fahalanian'i Donald Trump ho filoha faha-45 hitondra an'i Etazonia. Araka izany, nahatsiaro ho niharam- « pahadisoana» ny ankamaroan'ny olona.

Ao anatin'ity lahatsoratra ity, ho hitanao ny fomba nandraisan'ireo firenena ao anatin'ny Fiombonamben'ireo miteny Portiogey (CPLP) ny fandresen'i Trump nanoloana ny firotsahan'ilay demaokraty Hillary Clinton. Avy ao Môzambika hatrany Timor-Atsinanana, ity ny topimaso amin'ireo fanehoankevitry ny olompirenena sy ireo mpitarika politika, nivoaka tany anaty tambajotra sosialy.

Niarahaba sy nirary fahombiazana ho an'ny « Filoha voafidy » i Filipe Nyusi, filohan'ny Repoblikan'i Môzambika:

Queira aceitar, Senhor Presidente eleito, os meus melhores votos de boa saúde e êxitos no desempenho das vossas nobres funções na liderança dos Estados Unidos da América, na sequência do mandato a si confiado pelo Grande Povo Americano.

Filipe Jacinto Nyusi – Presidente da República de Moçambique

Raiso, Andriamatoa filoha voafidy, ny firariantsoa avy amiko hanananao fahasalamàna tsara sy fahombiazana amin'ny fanatanterahana ireo andraikitrao marobe, mandritry ny fepotoam-piasana natolotry ny Vahoaka Amerikana anao.

Filipe Jacinto Nyusi – filohan'ny Repoblikan'i Môzambika

Rafael Ricardo, môzambikàna mpanao gazety, dia namoaka ity ihany koa :

Quando te sentires tolo, lembre que a maior potencia económica e militar pode votar no Donald Trump para presidência.

Rehefa mahatsiaro tena ho adala ianao, tsarovy fa azon'ny hery matanjaka indrindra ara-toekarena sy ara-tafika atao ny mifidy an'i  Donald Trump ho filoha.

Iray mpampiasa aterineto avy ao Guinée-Bissau no mitanisa ny Filohan'ny fireneny, José Mário Vaz, tao anatinà fanontaniana iray:

Guiné-Bissau está na agenda de Trump: ‘vou acabar com a ditadura em África’ [prometeu Trump durante a campanha] e como é que o Presidente guineense vai enfrentar este monstro?

Ao anaty fandaharam-potoanan'i Trump i Guinée-Bissau : ‘Hatsahatro  ny fanaovana jadona ao Afrika’ [hoy ny fampanantenan'i Trump nandritry ny fampielezankevitra], fomba ahoana no hiatrehan'ny Filoha Gineana io kakabesola be io ?

Ao Angolà, manantena i José Eduardo dos Santos, filoham-panjakana fa hihamafy hatrany ny fifandraisana amin'i Etazonia :

Ny governenamanta dia manantena “fifampiresahana tsara kokoa sy fifandraisana iraisampirenena tsara kokoa” amin'izao fahalanian'i  Donald Trump izao

Pedro Filipe, paortiogey mpanao gazety sady mpanoratra bilaogy, tsy mieritreritra ny hisian'ny fiovàna miaraka amin'ny nahalany an'i Trump :

O mundo vai continuar a girar nos eixos em que sempre girou e daqui a uns tempos nem nos vamos lembrar quem está sentado na Casa Branca, porque será bussiness as usual em política internacional, e ainda mais nos aliados de sempre (não, ele não vai cobrar aos países da NATO por segurança, tal como 90% do que diz era bu***hit).

Hitohy hihodina ny tany, toy izay efa nihodinany hatrizay, ary afaka fotoana vitsivitsy, tsy ho tsaroan'ny olona akory ny anaran'izay monina ao amin'ny Trano Fotsy, ary ambonin'izay ireo mpiaradia tamintsika hatrizay (tsia, tsy hampanonitra ireo firenena ao anatin'ny OTAN izy, vaovao diso toy ny 90% amin'ireo fanambaràna nataony).

Navoitran'ny praiministra paortiogey, António Costa, mihitsy aza hoe « vaovao ratsy » iray nanaitra izao tontolo izao ny marainan'ny 9 Novambra.

Manao tsilian-tsofina i António Costa hoe vaovao ratsy ny fanendrena an'i Donald Trump

Jorge Carlos Fonseca, filohan'i Cap-Vert, etsy ankilany niarahaba an'i Etazonia nandritry ny resaka ho an'ny mpanao gazety, ary nirary soa « fahombiazana ho an'ny filoha vaovao sy fandrosoana ho an'i Etazonian'i Amerika, firenena iray namana sy mpiaramiasa amin'i  Cap-Vert ».

Miarahaba an'i Donald Trump i Cap-Vert

Filoham-panjakana amin'izao fotoana izao ao Brezila, tsy manantena fiovàna goavana i Michel Temer, na kely aza, amin'ny fahalanian'i Donald Trump :

Miarahaba an'i Donald Trump i Michel Temer no sady manamafy fa tsy hisy fiovàna hitranga amin'ny fifandraisan'i Brezila sy Etazonia.

Nandefa hafatra iray fiarahabàna ihany koa i Taur Matan Ruak, Filohan'i Timor- Atsinanana, firenena ao Azia atsimo atsinanana :

Como Presidente da República e em nome do povo e do Estado Timorense, quero felicitar o Senhor Donald Trump por ter sido eleito Presidente dos Estados Unidos da América. Quero também felicitar o povo Americano pela realização das eleições presidenciais que correram em conformidade e com um resultado que reflecte a maioria dos votos.

Tenho grande esperança que com este seu mandato novo, o Presidente eleito irá fortalecer ainda mais a nossa relação através da cooperação dos dois Estados como já tem acontecido e que continue a fortalecer ainda mais o trabalho conjunto para a construção da paz e prosperidade no mundo inteiro.

Amin'ny maha-Filohan'ny Repoblika ahy sy amin'ny anaran'ny vahoaka manontolo ato anatin'ny Fanjakàna Timorey, tiako ny miarahaba an'Ingahy Donald Trump tamin'ny nahavoafidy azy ho amin'ny toeran'ny Filohan'i Etazonia. Tiako ihany koa ny hiarahaba ny vahoaka amerikàna noho ny fifidianana ho filohampirenena nizotra antsakany sy andavany, izay maneho ny safidin'ny maro an'isa ny vokany.

Manantena indrindra aho fa amin'io fepotoana fiasàna vaovao io, hohamafisin'ny Filoha voafidy bebe kokoa ny fifandraisana misy eo amin'ny firenentsika roa tonta, toy ny efa nisy hatrizay, ary hohamafisiny ny asa iraisana hisian'ny fandriampahalemana sy ny firoboroboana manerana ny tany.

Ao Sao Tomé-et-Principe,  niarahaba an'i Donald Trump toy izao ny praiminisitra Patricie Trovoada :

Felicito o povo americano e o Donald J. Trump pela sua vitória como Presidente dos Estados Unidos da América. Vamos continuar a trabalhar da mesma maneira com a nova administração que entrará em Janeiro de 2017.

Agora um desabafo….
Não se trata de ser politicamente correto e democrata reconhecendo uma eleição justa e transparente, trata-se de admitir que o “establishment” de Washington ou de Bruxelas, os medias, os intelectuais e comentadores políticos e em suma os políticos tradicionais estão cada vez mais afastados das preocupações e das angústias da maioria das pessoas simples…

Miarahaba ny vahoaka Amerikàna sy Donald J. Trump aho tamin'ny fandreseny tamin'ny fifidianana ho filohan'i Etazonia. Hotohizanay ny fiarahana miasa amin'ny fitantànana vaovao izay handray ny asany amin'ny Janoary 2017.

Ity no zavatra hitan'ny tena manokana… Tsy hoe voatery ho mahitsy ara-politika sy demaokraty amin'ny fanekena fifidianana iray tsy mitanila sy mangarahara, fa fanekena fa amin'ny ankapobeny dia manalavitra hatrany ny vahoaka sy  ny zava-manahirana azy ary ny ahiahiny ny « establishment » ao Washington na ao Bruxelles, ireo media, ireo nahita fianarana sy ireo mpandalina ny resaka politika…

Muhongo Gola, mpisera avy ao Sao-Tomé, no naneho hevitra tamin'ilay zava-boasoratr'i Trovoada, narahana fanairana nalefa ho an'ireo firenena afrikàna :

Muitos estão com medo mas digo cada pais tem que trabalhar criar condições para andar com próprias pernas e não estar rebocados por isso que muitos países africanos estavam com medo dessa Vitória agora vamos exigir dos nossos governos o trabalho e se possível pedir cabeça deles se não cumprir com o que prometeu ao povo.

Marobe no matahotra saingy tsy maintsy miasa ny firenena tsirairay mba hisian'ny fepetra ahafahana miroso. Betsaka ireo firenena manahy ny amin'io fandresena io, saingy manomboka izao, hotakiantsika amin'ireo mpitondra antsika ny hiasàn-dry zareo, ary hotakiantsika ny hanajàny ny fanomezantoky nataony.

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Dalia Kiakilir sy Mário Lopes, samy mpanoratra ho an'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.