Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Novonoin'ny Manampahefana Shinoa Ara-Pitsarana Noho ny Raharaha Vono Olona Ilay Maherifom-Bahoaka Nanohitra ny Fakàna An-keriny Ny Taniny

Jia Jinglong (1985-2016) via RFI

Jia Jinglong (1985-2016) via RFI

Tao Shina, novonoina ara-pitsarana tamin'ny 15 novambra 2016 noho ny namonoana tamin'ny alalan'ny basim-borona an'i He Jianhua, filohan-tanàna tamin'ny febroary 2015 i Jia Jinglong.

Izao famonoana izao dia valifaty tamin'ny fandravana an-katerena ny tranon'i Jia vao avy nohavaozina hanomanany ny mariaziny tamin'ny taona 2013. Nandrava ny fanambadiany izao fandravana izao ary nandao azy mihitsy moa taty aoriana ny fofombadiny.

Voaheloka ilay lehilahy 30 taona ary nodidian'ny Fitsaram-Bahoaka Antenantenan'i Shijiazhuang hovonoina tamin'ny novambra, ary nankatoavin'ny Fitsaram-Bahoaka Ambony faritanin'i Hebei izany didy famonoana ho faty izany tamin'ny May 2016.

Na dia efa voaomana tsara aza ilay famonoana, dia nahazo ny fironan'ny vahoaka i Jia satria hitan'ny olona ho lasibatry ny fakana an-keriny ny tany amin'ny anaran'ny fampandrosoana izy. Ankoatra izany, nanaiky ny helony tany amin'ny polisy izy taorian'ny nisamborana azy. Tsy zava-tsy mahazatra ny fitsarana ny mampiato ny didy famonoana rehefa manaiky ny helony ilay olona. Eny fa na dia ny gazety mivoaka isan'andro China Daily miankina amin'ny fanjakana aza dia mankatoa ny toe-javatra mahazo an'i Jia tao amin'ny fanehoan-keviny rehefa nitatitra ny fampakaran'ny fianakavian'i Jia tany amin'ny Fitsaram-Bahoaka Tampony mba hampiatoana ny didy:

As in many similar cases, Jia used to be an ordinary citizen concerned primarily about living a normal life […] Like others who ended up desperate, vengeful and hurting themselves and others to have their injustices noticed, Jia would probably not have acted as he did if his loss had been properly taken care of.

Araka ny hita amin'ny raharaha maro, dia niaina amin'ny maha-olon-tsotra mitady fiainana tsotra i Jia […] tahaka ny maro hafa izay ao anatin'ny fahakiviana tanteraka, te-hamaly faty ary mamely ny tenany sy ny hafa mba ho voamarika ny tsy rariny mahazo azy ireo, Tsy ho nanao tahaka izao i Jia raha nokarakaraina araka ny tokony ho izy ny fahavoazana mahazo azy.

Saingy nolavina ny fampakarana nataon'ny fianakaviana. Andro iray mialoha ny famonoana an'i Jia, tamin'ny 14 Novambra, manampahaizana ara-pitsarana sy mpisolovava am-polony no nanao antso misokatra ho an'ny Fitsaram-Bahoaka Tampony ho ezaka farany hanavotana ny ain'ilay lehilahy. Mandresy lahatra ny taratasy misokatra fa tokony hojeren'ny Fitsarana ho lasibatra i Jia.

Raraka fotsiny anefa ny antso farany. Nesorina tamin'i Jia ny ainy ny ampitso maraina. Karazana poezia mitondra ny lohateny hoe “Veloma Farany” ny teniny farany ho an'izao tontolo izao:

Jia's farewell poem written in jail. Via Twitter

Poezia fanaovam-beloma farany nosoratan'i Jia tao am-ponja. Via Twitter

今当刑离,半梦消断,一往无前。
纵万般洒脱,玉石莹莹,清白颠覆,自有堪堪。
绛河澄澈,皓月婵娟,思凝眸。
哀空残月,待憔悴,或余日无多,肝胆涅槃。
世间何其涟滟,常愁余放风倚阑看,念香花幽草,犹忆偏爱,蛐鸣蝶舞,览尽风姿。
一任孤掷,贾在高营,惟是泯仇愧泽酬。但已矣,恨有幸人来,泪与君别。

Nosarahan'ny didy famonoana ho faty androany. Tsy maintsy nifarana antenantenan-dalana ny nofy. Nifarana tsy misy ampitso ny zava-drehetra.
Na dia tsy manahy sy madio. Mangarahara toy ny vato kristaly ny fanodinan-dresaka. Voatroka ny tantara ao ambadika.
Tara-bolana mazava amin'ny ony mangarahara. Tsy mahita ny endrikao.
Volana manirery sy mangadihady. Alahelo hatsatra sy trotraka. Tsy misy andro sisa intsony. Mandry ao amin'ny Nirvana ny fitiavana fatratra sy ny fikirizana.
Mikitoantoana toa onja miloko ny fiainana. Miankina amin'ny fefy mijery ny rivotra mandalo amin'alahelo. Tsy mahita ny hanitry ny voninkazo sy ny ahitra. Ny feon'ny valala sy ny lolo no tsiaro tiana  indrindra. Mahita ny endri-pitiavana rehetra.
Nanary ny zava-drehetra tamin-ditra. Jia ao Gaoyin [tanindrazan'i Jia]. Saingy tsy nomem-balisoa ny valifaty. Nandalo ny zava-drehetra. Maniry ny hahatongavan'ilay malalako. Avelao ny ranomasoko hiteny veloma mandrakizay anao.

Maro tamin'ny mpiserasera no nanontany hoe nahoana no nolavin'ny fitsarana ny fampiatoana ny famonoana ho faty. Deraina fatratra amin'ny fanabeazana komonista shinoa ny tantaran'ireo olon-tsotra mijoro miatrika ireo mpanango-tany ambanivohitra syandian-jiolahimboto, ary mifanaraka indrindra amin'izany fomba fitantarana izany ny tantaran'i Jia. Araka ny nasongadin'ny mpiserasera iray toy izao:

贾敬龙跟陈胜吴广没什么区别,当一个传统中国人,连自己的家园都无法照顾作为一个中国男人,他不是罪犯,更加不该被核罪为死刑,他只是在执行自己作为男人守护家园的使命,为什么推土机一直扰乱中国人的家园

Tsy misy ny mahasamy hafa ny tantaran'i Jia Jinglong amin'i Chen Shen Wu Kuang [fiokoan'ny tantsaha nandritra ny Ampira Qin]. Ho an'ny lehilahy shinoa mpandala ny nentin-drazana, tsy maintsy mijoro izy hiaro ny tranony. Tsy mpamono olona izy ary tsy tokony didiana ho faty. Nandray ny anjara toerany hiaro ny fianakaviany fotsiny izy. Saingy nandrava ny tranon'ny vahoaka shinoa ny fiaramilina mpandroaka tany…

Maro ihany koa ireo nanondro ny fampiatoana ny famonoana ho faty an'i Gu Kailai, izay namono nahafaty ilay mpandraharaha britanika  Neil Heywood. Efa saika voafafa avoka ny ankamaroan'ireo fifanakalozan-kevitra hita ao amin'ny sehatra media sosialy Weibo, saingy azo jerena ao amin'ny Twitter ny votoaty mitovitovy amin'izany tahaka ny:

Novonoin'i Gu Kailai ilay  mpandraharaha britanika Neil Heywood ary dia nahazo fampiatoana ny famonoana azy ho faty izy. Niaro ny zony i Jia Jinglong ary namono ilay fetsifetsy ka dia nodidiana ho faty izy. Ny nolazaina moa fianakavian'i Zhao [ny sangany], ny farany indray tsy-Zhao namono ny alikan'i Zhao. Ny havam-badin'i Zhao, mazava loatra, miaro ny tombontsoan'ny fianakavian'i Zhao. Tsy misy ny rariny ho an'ny havam-badin'i Zhao, tsy efa mazava ve izany?

Ny hafa indray nandresy lahatra fa nesorin'ny maodelim-pampandrosoana ahitana fakana tany sy fandravana ankaterena mahery setra ny zon'olon-tsotra. Notsongaina sy niely tokoa ny fanehoan-kevitr'i Xin Ke, shinoa mpanoratra tamin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tsy hampiantona ny didy mihatra amin'i Jia:

为什么贾敬龙会死,道理很简单,我告诉你,其实跟法律(死刑存废)没多大关系,也没有太深刻的政治含义。原因只有一个,以后还搞不搞强拆?如果不搞了,那实在没必要杀掉他,让人骂,何苦呢 […] 如果继续搞,那他大概非死不可,否则谁以后还敢强拆呢?如果你找到了以后他们要不要继续强拆的答案,自然会得出他会不会死的答案。

Nahoana no maty i Jia Jinglong? Tsotra ny antony. Avelao holazaiko anao. Tsy dia mifandraika loatra amin'ny lalàna ary kely ihany no idirany amin'ny lafiny politika. Tokana ihany no antony: omena alalana ve sa tsia ny fandravana an-katerena manaraka. Raha tsy avela, dia tsy ilaina ny mamono azy. Tsy mila mahazo tsiny [amin'ny famonoana] ry zareo. Raha mila tohizana [ny fandravana an-katerena, dia mila azy maty, raha tsy izany dia tsy misy intsony ny hanao ilay raharaha. Rehefa azonao ny valin'ny politikan'ny fandravana ankaterena, dia azonao ny valiny momba ny ain'i Jia.

Mpanoratra shinoa avy amin'ny tanibe iray hafa, Shishusi, niresaka ny raharaha hikatra ambony kokoa ao amin'ny Weibo:

用射钉枪打死村支书的贾敬龙终于被执行死刑。之所以引起强烈社会反响,背后承载了多少人对拆迁的意见和对基层组织的不满情绪,却足以引起更深的关切[…] 枪毙贾敬龙甚易,但平复这样常年累积的情绪却非朝夕可就。加油,中国的改革,法治和平等。打捞沉默的声音永不迟到。

Novonoina araka ny didim-pitsarana i Jia Jinglong, izay nampiasa basim-borona [bala miparitaka] hamonoana ny filohan'ny tanànakely. Ny mahatonga ity raharaha ity hifantohan'ny vahoaka dia mifandraika amin'ny tsy fahafalian'ny vahoaka amin'ny fandravana an-katerena sy ireo fandaminana ny antoko eny ifotony. Ny zavamisy, misy olana lehibe kokoa mila vahana.[…] Mora kokoa ny mitifitra ho faty an'i Jia Jinglong. Saingy sarotra ny mamaha ny olan'ny fihetseham-pom-bahoaka [amin'ny fandravana an-katerena]. Ampio menaka, fihavaozan'i Shina, fampanajana ny lalàna sy ny fitoviana. Tsy tara loatra velively ny mihaino ny feon'ireo valalabemandry

Na dia miabo aza ny fanehoan-kevitr'i Shishusi, dia nesorina tao amin'ny Weibo. Taorian'ny atso nataon'ireo manampahaizana ara-pitsarana nivoaka tamin'ny 14 Novambra, dia nomarihan'ny Shinoa mpanao propagandim-panjakana ho fihantsiana ny fahefam-pitsarana izay hevitra rehetra mivoaka amin'ny raharaha Jia Jinglong’ ka dia nofafan'ny mpanampim-bava an-tserasera avokoa ny fifanakalozan-kevitra mifandraika amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.