LAHATSARY: Nahoana no Mafana Ny Saka Japoney Mandritra ny Ririnina? Mibonoka ‘Kotatsu’, Tahaka ny Olombelona Ihany

japanese cats in kotatsus

Saka ao anaty ‘kotatsu.’ Avy amin'ny Kagoneko, fantsona YouTube.

Tonga tao Japana ny ririnina. Tamin'ny Alakamisy 24 Novambra, nanatrika ny filatsahan'ny orampanalany voalohany tao anatin'ny 54 taona i Tokyo. Satria efa nampoizina ny orampanala, mety fambara fanombohan'ny vanin-taona tsy mampahazo aina ao Japana izany: ririnina.

Raha azo zakaina noho ny fitaovana famerana mari-pàna ireo volana mandritra ny vanin-taona mafana be, mety masiaka kosa ny volana mandritra ny ririnina mangatsiaka ao Japana. Satria tsy miparitaka ny foibem-panafanana trano sy olona Japana tahaka ny fahita any amin'ny tany mandroso hafa. Fa kosa, maro ireo olona miankina amin'ny fitaovana fanafanàna mandeha amin'ny kerosene, sy ny fitaovana iray antsoina hoe kotatsu— latabatra hazo iva misy bodofotsy matevina, ary hafanain'ny fanafanàna ao ambaniny.

Maneho sarin'ny fahazoana aina sy ny hafanana ny teny kotatsu, ary tsy ho an'ny olombelona ihany. Mankafy ny kotatsu ihany koa ny tranon-tsaka, ary matetika hita resin-tory ao ambany latabatra, ao anaty bodofotsy, akakin'ny fanafanàna elektrika .

Araka ny notaterin'ny bilaogy Japoney Fundo, mampiseho ity ririnina Japoney mafana sy mampahazo aina ity ny vilaogera YouTube Kagoneko (かご猫 Blog, Bilaogy “Saka ao anaty Baoritra”). Matetika mampiakatra lahatsary misy sary ao Japana ny vilaogy, anisan'izany ireo saka mifamihana ao ambanin'ny kotatsu

Mitsilailay amin'ny toerana mafana eo anoloan'ny fitaovana fanafanàna mandeha amin'ny kerozenina ihany koa ny saka. Mampiseho mazava tsara momba izany ny bilaogy Nekobako:

Aza adino ny mijery ny vilaogy Nekokago izay matetika mandefa sary vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.