
Mpanao fihetsiketsehana maherin'ny 10.000 no nanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka Bersih ao Malezia mba hitaky ny fametraham-pialàn'ny praiministra. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny Bersih.
Nikarakara hetsi-panoherana saimbôlika ireo mpikatroka Maleziana sy mpanohana ny hetsika Bersih ( ‘Bersih’ dia teny Bahasa midika hoe madio na fanavaozana) tato anatin'ny andro vitsivitsy mba hitaky ny famotsorana ny filohan'ny Bersih Maria Chin Abdullah.
Nosamborina tamin'ny 18 Novambra i Maria Chin, iray andro mialoha ny saika hanaovan'ny Bersih ny famoriam-bahoaka goavana manerana ny firenena mba hitaky ny fialàn'ny praiminisitra Najib Razak, izay miatrika tantara ratsy ara-kolikoly marobe. Nahavita nanetsika olona maherin'ny 10.000 tamim-pilaminana ny Bersih tamin'ny 19 Novambra .
Nosamborin'ny polisy i Maria Chin noho izy voalaza fa manitsakitsaka ny Lalàna 2012 (SOSMA) momba ny Fiarovana (Fepetra Manokana), fantatra ihany koa ho lalàna miady amin'ny fampihorohoroana. Eo ambanin'ny fizarana 4 (5) amin'ny Sosma, azo gadraina hatramin'ny 28 andro tsy misy fitsarana ny olona voarohirohy. Natao famotorana noho izy nanao hetsika lazaina fa “manimba ny demokrasia parlemantera” i Maria Chin.
Nilaza ireo mpitarika ny Bersih fa natao handravana ny fihetsiketsehana nokasaina hatao sy hamafy tahotra eo amin'ny vahoaka no anton'ny fisamborana.
Fanidiminy izao no nokarakaraina tao Malezia ny Bersih. Natomboka voalohany tamin'ny taona 2007 ny hetsika mba hitaky fifidianana malalaka sy mangarahara ao amin'ny firenena, izay ny antokon'ny fitondrana no nitondra hatramin'ny taona 1950. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nitarina ny fampielezan-kevitra fanavaozam-pifidianana ary nampidirana fitakiana fanjakana madio sy mangarahara, ary fiarovana ny fahalalahan'ny olon-tsotra.
Nanomboka tamin'ny herintaona, nitaky ny fialàn'i Najib, izay efa voarohirohy tamin'ny raharahan-kolikoly [mg] maro ny Bersih.
Taorian'ny hetsi-panoherana milamina tamin'ny Asabotsy, vondrona maro no nitaky ny famotsorana avy hatrany an'i Maria Chin tamin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny manam-pahefana fa mpikatroka, tia tanindrazana sy olom-pirenena sakaizan'ny demokrasia izay tsy mendrika ho gadraina sy raisina ho mpampihorohoro ny mpitarika ny Bersih.
Mampiasa ny tenirohy #BebasMaria (Avotsory i Maria) sy #MansuhSOSMA (Foany ny SOSMA) ny mpikatroka mba hampiely vaovao momba ny fanentanana.
We all miss her dearly. Pls continue joining the vigils & sign the petition to free her at: https://t.co/3KhcuNRYlE#BebasMaria #MansuhSOSMA pic.twitter.com/M5v2wGT9bF
— Bebas Maria (@BebasMaria) November 23, 2016
Malahelo mafy azy isika rehetra. Miangavy mba tohizana ny fiaretan-tory ary soniavo ny fanangonan-tsonia ho famotsorana azy:
Nilahatra tao ivelan'ny foiben'ny polisy federaly ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta mba hiampangana ny herisetra sy ny fanagadrana mpitarika mpanohitra:
Opposition MPs march to police HQ from Parliament wanting an end to “harassment” of MPs. Also calling for release of @bersih2‘s @mariachin pic.twitter.com/YFrV1geYJb
— Sumisha Naidu (@SumishaCNA) November 22, 2016
Nilahatra tao amin'ny foiben'ny polisy niainga tao amin'ny Parlemanta ny solombavambahoaka mpanohitra mitaky fiafaran'ny “herisetra” mihatra amin'ny solombavambahoaka. Ary mitaky ny famotsorana an'i @mariachin ihany koa.
Ousted Deputy Prime Minister Muhyiddin Yassin and former Minister Shafie Apdal joined the MPs march from Parliament to Bukit Aman earlier pic.twitter.com/FPs624zKQQ
— Jay Jay Denis (@jayjaydenis) November 22, 2016
Nanatevin-daharana ny diaben'ny solombavambahoaka nanomboka tao amin'ny Parlemanta hatrao Bukit aman ny Praiminisitra lefitra voaongana Muhyiddin Yassin sy ny Ministra teo aloha Shafie Apdal
Notontosaina tao amin'ny faritra maro tao Malezia ny hetsika fiaretan-tory sy ny firaisan-kina ho fanohanana an'i Maria Chin.
I wasn't there tonight but so many more were for #bebasmaria God bless them. pic.twitter.com/KcpdoWJfeN
— Jahabar Sadiq (@jsadiq) November 22, 2016
Tsy tao aho androany alina saingy maro kokoa no natao ho an'ny #bebasmaria. Hotahian’ Andriamanitra izy ireo.
#women4maria it is never about just one person. When u lockup 1 person, the rest of us rise up #BebasMaria #MansuhSosma pic.twitter.com/yNJIretJry
— serene (@serene2910) November 23, 2016
#women4maria tsy momba ny olona iray ihany izany. Raha managadra olona 1 ianao, mitsangana ny ambiny eo aminay #BebasMaria #MansuhSosma
Na ny Praiminisitra teo aloha Mahathir Mohamad koa aza mba nanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka Bersih sy ny fiarenta-tory mitaky ny famotsorana an'i Maria Chin:
Proud of Mum and Dad. #BebasMaria pic.twitter.com/2iP2CGowBZ
— Marina Mahathir (@netraKL) November 22, 2016
Afa-po amin'i Mama sy Dada. #BebasMaria
Nanoratra taratasy momba ny fanagadrana ny renin'izy ireo ny zanak'i Maria Chin:
Is this the type of country that we Malaysians want to live in, where corruption runs amok, elections are rigged and innocents are placed behind bars?
People like our parents, who are willing to speak up against corruption do not do it for their own sake, but for the sake of the future generations.
Ity ve no karazana firenena tian'ny Maleziana hiainana, izay manjaka ny kolikoly, misy hosoka ny fifidianana ary gadraina ireo tsy manan-tsiny?
Ny olona tahaka ny ray aman-dreninay, izay vonona hiaka-peo hanohitra ny kolikoly dia tsy manao izany ho an'ny tenany ihany, fa ho an'ny taranaka ho avy.
Ity sariitatra avy amin'i Zunar ity dia maneho ny fihetseham-pon'ireo mpanohana ny Bersih marobe mikasika ny fanagadrana an'i Maria Chin sy ny tsy fisian'ny tamberin'andraikitra eo amin'ireo manampahefana voasaringotra amin'ny olàna ara-pamatsiambola.
Cartoon Zunar: Activist DEMOCRACY vs KLEPTOCRACY #Bersih5 pic.twitter.com/LB9hW346m7
— Zunar Cartoonist (@zunarkartunis) November 23, 2016
Sariitatra Zunar: Mpikatroka DEMOKRASIA miady amin'ny Fanjakazakan'ny mpangalatra