Izao Tontolo Izao Araka Ny Fomba Fijery Rosiana Mahazatra

Image: Pixabay

Sary: Pixabay

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, nanamarika tampoka ny fanohanany ilay lalàna federaly vaovao natao mba hanazavana ny faneken'ny governemanta ofisialy “ny firenena Rosiana” i Vladimir Putin. Fandraisana an-tanana sarintsariny sy manjavozavo, nameloman'i Kremlin indray ny adihevitra naharitra an-taonjato momba ny “hevitra Rosiana” sy ny asa mikasika io lohahevitra io avy amin'ny manam-pahaizana maro manerana izao tontolo izao ihany.

Ny sarintanin'i Alexander Uspensky momba ny fitsarana an-tendron'ny tokantrano Rosiana . Sary: Yod News!

Tao anatin'izany fomba fisainana izany no namoahan'i Alexander Uspensky ny sarintany tao amin'ny tranonkala Yod News izay manasongadina ireo faritra isan-karazany sy ireo foko ao Rosia ary nametahana soratra momba ny fitsarana an-tendrony  nangonina avy amin'ny soso-kevitra feno noforonin'ny tranonkala Yandex izay milina fikarohana amin'ny Aterineto malaza indrindra ao Rosia. Nitady ny teny hoe “nahoana” i Uspensky mba ahazoana ny sarintany miaraka amin'ny anaran'ny vondron'olona iray toy ny hoe “Moskovita,” “St. Petersburgers,” sy ny sisa.

Nampiasa ny soso-kevitra feno i Uspensky mba hamantarana ny fitsarana an-tendrony ambony indrindra ny vahoaka ao amin'ny faritra manokana iray ao Rosia. Hita ho “ratsy toetra” ohatra ny Moskovita raha ny famaritana ny toetra mampiavaka ny olona avy any St. Petersburg kosa dia ny hoe “tsy tia Moskovita izy ireo.”

Nampiharin'ny RuNet Echo ny fomba fiasan'i Uspensky ijerena ireo vondron'olona manerana izao tontolo izao, mba hamantarana ireo fitsarana an-tendrony mahazatra indrindra an'ireo mpisera Rosiana manoloana ny vahiny. Mbola maro no tsy feno amin'ny lisitra eto ambany, kanefa manasongadina ny fikarohana malaza indrindra tao amin'ny RuNet, rehefa miresaka ireo vahiny izany. Tsy tahaka ny fandinihan'i Uspensky, nalahatray ireto manaraka ireto ny fikarohana telo voalohany tao amin'ny Yandex ho an'ny vondrona tsirairay.

Etazonia ??

Nahoana ny Amerikana no miteny hoe: “andriamanitra ô”?
Nahoana no matahotra Rosiana ny Amerikana?
Nahoana no matahotra mpanao hatsikana ny Amerikana?

Meksika ??

Nahoana ny Meksikana no mandositra any Etazonia?
Nahoana ny Meksikana no mahery setra?
Nahoana no  mihinana sakafo masiaka ny Meksikana?

Kioba ??

Nahoana no tsy tia Amerikana ny Kiobàna ?
Nahoana no tsy tia Rosiana ny Kiobàna ?
Nahoana  no manohana ny revolisiona ny Kiobàna?

Canada ??

Nahoana no nilalao tsy nisy fiarovan-doha ny Kanadianina tamin'ny 1972?
Nahoana ny Kanadianina no tsy tia Rosiana?
Nahoana ny Kanadianina no ireo masiaka ao [amin'ny fandaharan'ny fahitalavitra] South Park?

Brezila ??

Nahoana ny Breziliana no tsy tia Arzantiniana?
Nahoana no miteny portogey ny Breziliana?
Nahoana ny Breziliana no tena mahay baolina kitra?

Arzantina ??

Nahoana ny Arzantiniana no tsy tia Britanika  ?
Nahoana ny Arzantiniana no fotsy?
Nahoana ny Arzantiniana no milaza fa avy amin'ny Azteka ny Meksikana ?

Eoropa ??

Nahoana ny Eoropeanina no manao peratra mariazy amin'ny tanana ankavia ?
Nahoana ny Eoropeanina no mitady làlana an-dranomasina ho any India?
Nahoana ny Eoropeanina no tsy mahafantatra firy momba ny olona any Afrika nandritra ny Fotoana Antenantenany?

Ny Fanjakana Britanika ??

Nahoana no tsy tia mipetraka amin'ny tanany ny Britanika ?
Nahoana no tsy tia cabine telefaonina ny Britanika ?
Nahoana no te-hiala amin'ny Vondrona Eoropeana ny Britanika?

Frantsa ??

Nahoana ny Frantsay no tsy tia Rosiana?
Nahoana no mihinana sahona ny Frantsay?
Nahoana ny frantsay no tsy mahay manonona ny “r” sy “l” tsara?

Alemaina ??

Nahoana ny Alemà no tsy tia Jiosy?
Nahoana no nandringana ny Jiosy ny Alemà ?
Nahoana ny Alemà no matahotra mifanandrina mikasi-tanana?

Polonina ??

Nahoana ny Poloney no tsy tia Rosiana?
Nahoana no mankahala Poloney ny Rosiana ?
Nahoana no tsy tia an'i Rosia ny Poloney ?

Italia ??

Nahoana no tsy matavy ny Italianina ?
Nahoana ny Italiana no toy ny olona avy any Kaokazy Avaratra?
Nahoana ny Italiana no tia vehivavy Rosiana  ?

Okraina ??

Nahoana ny Okrainiana no tsy tia Rosiana?
Nahoana ny Okrainiana no mandohalika?
Nahoana ny Okrainiana no miteny hoe “h” fa tsy “g”?

Estonia ??

Nahoana no miadanam-pandeha ny Estonianina?
Nahoana ny Estonianina no tsy tia Rosiana?
Nahoana ny Estonianina no maka seza eo aloha, rehefa mipetraka anaty taxi ?

Latvia ??

Why don’t Latvians like Russians?
Why do Latvians still call Russians “krevz”?
Why don’t Latvians like Lithuanians?

Letonia ??

Nahoana ny Letoniana no tsy tia Rosiana?
Nahoana ny Letoniana no mbola miantso ny Rosiana hoe “krevz”?
Nahoana ny Letoniana no tsy tia Litoanianina?

Litoania ??

Nahoana ny Litoanianina no tsy tia Rosiana?
Nahoana ny Litoanianina no tsy tia Belarosiana?
Nahoana no lava ny Litoanianina ?

Belarosia ??

Nahoana ny Belarosiana no tsy tia Rosiana?
Nahoana ny Belarosiana no tsara bika sy tsara tarehy?
Nahoana ny Belarosiana no tsy miteny Belarosiana?

Armenia ??

Nahoana no manan-karem-be ny Armeniana ?
Nahoana no mahira-tsaina toy izany ny Armeniana?
Nahoana ny Armeniana no manao peratra mariazy amin'ny tanana ankavia ?

Afrika

Nahoana ny Afrikana no mainty hoditra?
Nahoana ny Afrikana no mihazakazaka haingana ?
Nahoana ny Afrikana no tsy mandroso bebe kokoa?

Ejypta ??

Nahoana ny Egyptiana no mivavaka amin'i Amona-Ra ho andriamanitra faratampony?
Nahoana ny Ejiptiana no miantso an'i Nefertiti ho “Tompovavin'ny fahasambarana”?
Nahoana ny Ejiptiana no mivavaka amin'ny saka?

Arabo

Nahoana ny Arabo no manoratra miverina?
Nahoana ny Arabo no tia ankizivavy Rosiana ?
Nahoana ny Arabo no mahazo faritra lehibe mora foana ?

Jiosy ?

Nahoana ny Jiosy no tsy tia Armeniana?
Nahoana ny Jiosy no tsy mihinana henan-kisoa?
Nahoana ny Jiosy no maranitra?

Israely ??

Nahoana ny Isiraeliana no tsy mifankahazo amin'ny Palestiniana?
Nahoana no tsy Kristianina ny Isiraeliana ?
Nahoana no manambady Rosiana ny Israeliana ?

Islam ?

Nahoana no tsy mihinana henan-kisoa ny Silamo ?
Nahoana no tsy mampiasa taratasy fidiovana ny Silamo ?
Nahoana ny Silamo no miteny hoe “amena”?

Iran ??

Nahoana no tsy manao fehi-tenda ny Iraniana ?
Nahoana no miady ao Syria ny Iraniana ?
Nahoana ny Iraniana no Shiita ?

Syria ??

Nahoana no tsy mandositra any Rosia ny Syriana ?
Nahoana no mandositra any Eoropa ny Syriana ?
Nahoana no tsy miady ho an'ny fireneny ny Syriana ?

Torkia ??

Nahoana no tsy tia Armeniana ny Tiorka ?
Nahoana no misotro kafe amin'ny rano ny Tiorka ?
Nahoana ny Tiorka no miantso ny vehivavy Rosiana rehetra hoe “Natasha”?

India ??

Nahoana no tsy manoroka ny Indiana ?
Nahoana ny Indiana no miondrika?
Nahoana no tsy milomano any an-dranomasina ny Indiana ?

Azia

Nahoana ny Aziatika no tanora kokoa?
Nahoana no fohy kokoa ny Aziatika ?
Nahoana ny Aziatika no mihinana amin'ny tsorakazo?

Shina ?? ?? ??

Nahoana no tsy matavy ny Shinoa ?
Nahoana no tsy misotro ronono ny Shinoa  ?
Nahoana no tsy tia loko mamirapiratra ny Shinoa  ?

Japana??

Nahoana no tsy mety antitra  ny Japoney ?
Nahoana no manify ny Japoney ?
Nahoana no ela velona ny Japoney ?

Korea ?? ??

Nahoana no tsy tsemboka ny Koreana ?
Nahoana no manao saron-tava ny Koreana ?
Nahoana no manify ny Koreana ?

Vietnam ??

Nahoana no manao saron-tava ny Vietnamiana  ?
Nahoana no tsy tia Shinoa ny Vietnamiana ?
Nahoana no manify ny Vietnamiana ?

Voamarika, toa taratry zava-nitranga manan-danja tamin'ny lafiny jeografia politika momba an'i Rosia ny fikarohan'ny mpisera Rosiana momba ny firenena isan-karazany. Ohatra, iray amin'ireo fanontaniana mahazatra indrindra an'ireo mpisera Rosiana momba ny olona avy any amin'ny firenena samihafa izao ny hoe inona no mahatonga ireo olona ireo tsy tia ny Rosiana, ary io fanontaniana io dia tena matetika hita eo amin'ny fikarohana  momba ny firenena izay nanana fifandraisana niharatsy vao haingana tamin'ny Moskoa .

Toa mifantoka amin'ny fanontaniana ara-batana, ary indraindray hafahafa tsotra izao ny fikarohana malaza tao amin'ny Aterineto tany amin'ny faritra izay tsy dia nahitana fifandraisana ara-kolontsaina  na politika amin'i Moskoa , toy ny momba ny lanja sy ny fahanterana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.