Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2016
Alefa Mivantana Amin'ny Media Nomerika Ao Meksika Ny Rio 2016, Fatiantoka Ho an'ny Fahitalavitra Misokatra
Afaka hanaraka ny Lalao Olaimpika 2016 ao Rio amin'ny media nomerika i Meksika sy Amerika Latina-- zava-baovao ho an'ny faritra ary fatiantoka ho an'ny Fahitalavitra mandeha amin'ny fantsona manokana.
Astronomia Dia Mety Nahatrarana Ny Laingan'i Rosia Momba Ny Fitsofohana Antsokosokon'i Okraina ao Krimea
Mety ho nandefa ho hitam-bahoaka porofo hosoka navoakan'ny Servisim-Piarovana Federaly (FSB) ny fahitalavi-panjakana rosiana amin'ilay lazaina ho fahitana fanafenam-pitaovam-piadian'ny “saboteurs” (mpanimba).
Thailandy: Manamafy Sivana Arakaraka ny Anatonan'ny Fitsapankevibahoaka Momba ny Lalàmpanorenana
Raha tian'ny fitondrana miaramila ao Thailandy hojerena tahaka ny azo itokisana ny fitsapankevibahoaka ataony, tsy maintsy hajanony ny fandrahonana ireo mpanao gazety mandrakotra io hetsi-panentanana io ary havelany hikoriana malalaka mankany amin'ny vahoaka ny vaovao.
Maty Tamin'ny Fipoahana Baomba Tao Quetta, Mpanonofy Sy Ny Tsara Indrindra Tany Pakistana i Mehmood Khan
Fahaverezana goavana ny fahafatesan'i Mehmood tamin'ilay fipoahana baomba tao amin'ny hopitalin'i Quetta. Nampian'ny indostrian'ny media izy hiova tamin'ny maha-mpiambina azy ho lasa mpiasan'ny media ampy traikefa.
Japàna: Polisy Mitsikilo Ny Miozolmana Na Dia Voaràran'ny Lalàm-Panorenana Aza
Nitondra fampitsaharana andiana tolona ara-pitsaràna ny fanapahankevitry ny fitsaràna handà ny raharaha iray nanontanina momba ny maha-ara-dalàna na tsia ilay fanarahana maso ireo Miozolmana niainga avy amin'ny finoany fotsiny
Ny Antony Itiavan'ireo Rosiana Mpisera Facebook An'i Donald Trump
Maneho ny fomba fijeriny momba an'i Donald Trump ireo Rosiana mpisehatra politika ety anaty media sosialy. Ny ankamaroany, toy ny tena akaiky kokoa an-dralehilahy io ry zareo-- noho ny antony maro samihafa mihitsy.
Ao Japana, Fantatrao Hoe Zanaky Ny Taona 1970s sy 1980s Ianao Rehefa …
"Toy izao no tsy maintsy namohànao ny fitaratry ny fiara," hoy ny Japoney iray mpampiasa Twitter, nibitsika sary iray maneho famohàna fitaratra ahodina tànana.
Ayatollah Khomeini Maty 27 Taona Lasa Izay, Saingy Mbola Tian'ny Mpanolotsain'i Trump Hanameloka Ny Fanafihana Tao Nice
Niseho tao amin'ny Fox News, nilaza i Flynn hoe , “Tiako ny Imam, na i Khomeini, mba hijoro sy ho voatondro ary hiresaka momba ity endrika ideolojia radikaly any anatin'ny ràny ity "