Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ao Japana, Fantatrao Hoe Zanaky Ny Taona 1970s sy 1980s Ianao Rehefa …

caption

Sorabaventy tamin'ny toerana iray fivarotana boky natokana ho an'ny fampirantiana boky milaza vanimpotoana iray, Showa. Sary an'i Nevin Thompson.

Nampiasa tenifototra iray ireo mpampiasa Twitter tao Japàna mba hizaràna ireo sary mampiavaka ny kolontsaina pop tamin'ny taona 1970s sy 1980s.

Ny tenifototra #昭和生まれっぽい発言をしろ (Showa umareppoi hatsugen wo shiro) dia mitovitovy dika amin'ny hoe “bitsika maneho fa zanaky ny vanimpotoana Showa ianao,” ary am-bolana maro no nampakàran'ny olona ny sary avy amin'izy ireo.

Ny vanimpotoana Showa tao Japàna dia nanamarika ny fanjakan'ny Amperora Showa (fantatry ny Tandrefana amin'ny hoe Amperora Hirohito) nanomboka ny 1926 hatramin'ny 1989 nahafatesany, ary narahan'ny vanimpotoana Heisei, izay mitohy mandraka ankehitriny.

showa history

Namokatra andianà bokin-tantara maromaro momba ny vanimpotoana Showa ilay mpanao sariitatra, Mizuki Shigeru. Raha ny Adin'i Pasifika naharitra ela sy ny faharesen'i Japàna no hita tamin'ny vanimpotoana Showa, maro ny Japoney amin'izao andro izao no mahatsiaro ireo taonan'ny Fipoahana tamin'ny 70s sy 80s. Sary an'i Nevin Thompson.

Raha vanimpotoana nahitàna fitohizan'ny ady tamin'ny 1930s nandravarava an'i Japàna ny Showa, ary ny faharesen'ny firenena tamin'ny 1945, hita tamin'ilay vanimpotana ihany koa ny fipoahan'ny isan-jaza teraka taorian'ny ady, na “baby boom”. Ireny “Boomers” ireny no manorina indray an'i Japàna taorian'ny ady ary manana ny ankizy “Gen X” azy ireo manokana, izay nitombo tao anatin'ny taona 1970s sy 1980s nahitàna fiarahamonin'ny mpanjifa manankarena.

Azo heverina hoe satria mbola misy ireo olona vitsivitsy niaina ilay fotoam-panokafana nandravarava fony vanimpotoana Showa no mbola mijoro ankehitriny ary mavitrika ao amin'ny Twitter, ireo olona nitombo sy lehibe tamin'ny taona 1970s sy 1980s no mandefa hafatra amin'ny fampiasàna ny tenifototra  #昭和生まれっぽい発言をしろ.

Iray amin'ireo sary malaza tamin'ny vanimpotoana Showa no nipoitra tany amin'ny farany, taorian'ny nahafatesan'ny Amperora Hirohito, rehefa nitazona ny kalisoratra ny Lehiben'ny Sekreteran'ny Kabinetra (ary lasa Praiminisitra Japoney taty aoriana) Obuchi Keizo, nanambara fa Heisei (平成) no ho anaran'ny vanimpotoana vaovao.

Azoko antoka fa tsaroan'ny tsirairay tsara ireny teboka teo amin'ny tantara ireny.

Hahatsiaro ireny andro ireny ireo olona teraka tamin'ny vanimpotoana Showa, fony tsy mbola nisy ireo fitaovana elektronika nasisika tany anatin'ireo zavatra rehetra manodidina antsika:

Toy izao no tsy maintsy namohànao ny fitaratry ny fiara

Ny vanimpotoana taorian'ny ady ihany koa dia nanana ny endrika sy fahatsapàna manokana nampiavaka azy fantatra tamin'ny hoe “fomba Showa.” Ny telefaona ahodin-tànana, ny vy fipasohana mandeha herinaratra ary ny sarintsarinà fanalefahana rivotra norakofana tamin'ny hazo narafidrafitra dia ohatra tsara amin'izany endrika izany:

Mbola mampiasa ireo rehetra ireo aho.

Ny sasany amin'ireo anaram-petaka nomena ny vokatra malaza koa dia manamafy ny fomba fijery ny anjara asan'ny lahy sy ny vavy tao anatin'ny vanimpotoana Showa :

Ny milina fanasàna lamba “Wonderful Wife” (ilay vady mahafinaritra).

Ny horonampeo, izay efa mila tsy ho fantatra intsony amin'izao fotoana izao, dia singa iray nanana ny lanjany tamin'ny kolontsaina pop tamin'ny taona 80s :

Famakiana horonampeo Walkman marika Sony , ny radiocasette Sanyo.

Mbola manana rakitahiry betsaka amin'ireny horonampeo ireny ny olona sasany hatramin'izao.

Natao haharitra mandrakizay ireny horonampeo ireny, araka izany dia ahodinkodiko matetika izy ireny ( ˘⊖˘) 。o

Ho an'ny Japoney marobe, ny vanimpotoana Showa taorian'ny ady dia mampahatsiahy fahatsiarovana sarobidy an'ireo kolontsaina pop, toy ny ‘effets spéciaux’  tokusatsu izay matetika toy ny zavamahadomelina. Eto, tsaroan'ny olona iray mpampiasa Twitter ny fiovàna tsy voatandrina nanjo ny Pink Armadillo avy amin”ilay andianà tokusatsuKikaidar” tany amin'ny fiandohan'ny taona 1970s:

Ovay!

Iray hafa mpampiasa Twitter no mahatsiahy am-pitiavana ny fanomezana endrika miavaka ireo fiara Japoney avy any amin'ny vanimpotoana Showa taorian'ny ady:

Fony aho mbola tanora zatra nandeha fiara tamin'ny fotoana rehetra.

Hitan'ny vanimpotoana Showa tao Japàna ihany koa ny fiandohan'ireo lalao an-dahatsary, mety ho somary hafahafa ny sasany amin'ireny :

Fanafihan'ny feso!

Izay Japoney teraka tamin'ny 70s sy 80s dia hahatsiaro ny fitaovana Nintendo voalohany nolalaovina tany an-tokantrano :

Ireto ny fibaikoana Nintendo voalohany nahitàna ny bokotra miendrika “tanambokovoko”.

Na talohan'ny nahaterahan'ny lalao an-dahatsary aza, nisy maromaro ireo lalao eletronika tsotsotra, nahitana ny  Familiana fiara Turbo ohatra:

Familiana fiara Turbo

Ireo hafa mpampiasa Twitter kosa nahatsiaro ny asa tànana fony vanimpotoanan'ny kolontsaina pop, izay mety tsy ho hita any anaty efitrano fianarana any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao tany amin'ny taona 1980s.

Tena nitady ireo pensilihazo maroloko tokoa aho fa tsy nahita.

Naverin'ny taona 70s sy 80s ihany koa ireo fahatsiarovana ny vanimpotoana iray izay fitondrantena hafa mihitsy no nananan'i Japàna:

Nataon'ny ray aman-dreniko nahita faisana aho raha tratran-dry zareo mijery ity seho ity.

Tsaroan'ny olona sasany ny vanimpotoana niheverana hoe olana sosialy ny fampiasàna amphetamine taorian'ny ady tao Japàna :

Hafatra: Hiala tsy hampiasa ny hafaingànam-pandeha ve ianao… sa hiala tsy ho olombelona ?

Kanefa, ny vanimpotoana tsirairay tamin'ny kolontsaina pop tao Japàna dia toy ny liana tamin'ny sàka daholo:

#BitsikaManehoFaZanakyNyVanimpotoanaShowa_Ianao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.